MANKASITRAKA INDRINDRA ANAREO RY HAVANA

 

FISAORANA SY FANKASITRAHANA

 

Ry havako,

Homba anareo mandrakariva anie ny Fiadanan'i Jesoa Kristy Tompo.

Amin'ny anaran'i Jesoa Tompo Lohan'ny Fiangonana izay efa nampiombona sy nahatonga antsikarehetra ho ankohonana iray ihany sy amin'ny anaran'ny Mpitandrina,ny Birao,ny Mpihevi-draharaha,ny Komity nikarakara ny Takarivam-piderana notanterahina omaly no:
Anaovana ny fankasitrahana feno ny rehetra izay nifarimbona tamin'ny fanatanterahana iny fotoana iny.
Tsy ho tononina araka ny anaranareo eto avy ianareo ry havako fa sao misy fanadinoana,koa dia amin'ny ankapobeny no anolorana ny fankasitrahana.

1-Ny Komity nikarakara rehetra izay tsy nitandro hasasarana mba hahalavorary ny Takarivan-tsika iny.
2-Ianareo rehetra nandray anjara tamin'ny :fitendrena zava-maneno sy ny hira ary ny fanafanana fotoana( ny FJKM Champigny,FJKM  Montrouge, Sunrise, Seven.T sy ny hafa izay tsy voatonona araka ny anarany avy)
3-Ianareo rehetra Izay nanolotra ny fanomezana samihafa ka nahafahana nanao ny Buffet sy ny fanomezana tamin'ny valopy
4-Ianareo rehetra izay nanao ny ezaka araka izay azo natao tamin'ny fivarotana ny tapakila fandraisana anjara.
5-Ianareo izay nikarakara ny fanhandroana ny sakafo rehetra (buffet sy sakafo hariva iny)
6-Ianareo rehetra izay nifarimbona tamin'ny fikarakarana ny fandaminana sy fampirimana ny trano sy ny fandraisana ny olona  hatramin'ny fikatonan'ny fotoana omaly.
7-Ny Paroisse St Dominique izay nanome ny trano nahafahantsika nivory.
8-Ny Mpitandrina sy ny  Fiangonana  rahavavy izay tonga nanontrona sy nifanome voninahitra mba ho Voninahitr'Andriamanitra na ny tato amin'ny Synodam-paritany (Wagner sy Montrouge izay nandefa solontena)na ny fiangonana hafa koa.
9- Ianareo rehetra havana sy tapaka, namana aman-tsakaiza izay namaly ny antso ka tonga niara-nifaly sy nifanotrona na avy aiza ianareo na avy aiza.
10-Ianareo izay nahatsiaro tamim-bavaka sy naniry ny ho tonga nefa noho ny andraikitra dia tsy afaka.
11-Izay rehetra nandray anjara na mivantana  na ny mpanao tsy lazaina ka nanohana tamin'ny lafiny samihafa.
Natao araka ny soatoaviny any amin'ny faritra  atsimon'ny Nosintsika ry havako izy ity, ka izay tsaroana mialoha no nolazaina nefa  tsy azo najanona ny hoe:vodihena tsy mienga aloha.
Koa isaorana Andriamanitra Tompon'ny asa sy ny fiantsoana antsika izay nanome antsika ny fanavaozam-panahy sy ny fanolorantena ka nampiombona antsika toy ireny ary isaorana sy ankasitrahana avokoa ianareo ry havako.
Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino ny nataonareo ho Voninahitry ny Anarany.
 Mionera be tompoko ny hery,ny vola aman-karena laninareo ho fampandrosoana ny Fiangonan'Andriamanitra fa nataonareo tamin'ny fitiavana izany.

Anio hariva moa dia fanompoam-pivavahana  anasana antsika rehetra indray eto amin'ny FJKM Champigny sur Marne ary manomboka amin'ny EFATRA ORA izany,manantena ny fahatongavantsika rehetra ry havana, amin'io koa dia hisy ny Fanasan'ny Tompo.

Mankasitraka ry havako,mankaleligna,misaotra indrindra noho ny fitiavana sy ny fifankatiavana nasehonareo.

Amin'ny anaran'ny FJKM Champigny manontolo
Ny Mpitandrina

Jean D'Elinivo Emmanuel

                                                                                                    15 NOVEMBRE 2009
  

 

 

Dernière mise à jour de cette page le 15/11/2009

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum