ASABOTSY 07 NOVEMBRE 2009
NY MOFON’AINA
JAKOBA 2.14-26 HIRA 305
NY FINOANA ARAHIN’NY ASA NO VELONA
Ry havako,
Homba anao sy izay rehetra miaraka aminao hatrany anie ny Fahasoavana sy ny Fitahiana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy.
Faly miarahaba anao indray amin’ity Asabotsy 7 Novembre 2009 ity ary mankasitraka indrindra mampandroso ny fifampizarantsika ny mofon’aina sy ny fanokananao fotoana handraisana izany.
Ny Finoana arahin’ny asa no velona,fa maty ny tena raha tsy misy ny fanahy ary dia maty toy izany koa ny finoana raha tsy misy asa.
Marina tokoa izany fa na manam-pahaizana sy feno ny fahalalana rehetra aza ny olona rehefa tsy manam-panahy handalàna hoy ny fiteny malagasy dia tsinontsinona. Ilay fanahy nomen’Andriamanitra sy hanehoana ny endrik’Andriamanitra ary iavahan’ny olona amin’ny manan’aina rehetra no maneho koa fa zanak’Andriamanitra izy, na dia tsy fantatry ny tsy mino na ny tsy mety mino koa aza.
Nefa dia misy koa ny zanak’Andriamanitra izay tsy mankato fa maditra sy mafy hatoka hoy ny Soratra Masina, ka sady nanary ny maha-izy azy no nanala ny endrik’Andriamanitra teo aminy noho ny ditry ny fony. Izany indrindra no hanambarana ny Vaovao mahafalin’ny Filazantsara, dia ny hiverenan’ny zanak’Andriamanitra rehetra ho eo Aminy.
Izaho sy ianao izay mihazona ny finoana velona sy marina koa no manana anjara sy andraikitra hanambara izany. Fa na dia manana ny finoana tokoa aza moa isika nefa tsy mihetsika sy tsy ampiarahina amin’ny asa izany, inona no iavahantsika amin’ny tsy mino ?
Ny hafatra ho antsika amin’ity anio ity mba hamelomana hatrany ny finoana sy hahatonga antsika ho amin’ny tena fitiavana ary dia :
1-FINOANA VELONA HO AN’NY MANAM-PANAHY
Hafahafa izany finoana velona ho an’ny manam-panahy izany, kanefa dia marina satria tsy hisy afaka haneho ny finoana velona ao aminy raha tsy manam-panahy.
Ny mpirehareha sy ny mpiavonavona dia azo lazaina sy ambaran’ny Soratra Masina, fa tsy mahita no tsy maneho koa ny Voninahitr’Andriamanitra. Io ilay lazaina amin’ny fiteny manahirana hoe :fotsifotsy fanahy,tsy manam-piovana ary tsy manana ny toetra mendrika ny maha-olona tokoa. Fa raha ny jentilisa izay matahotra ny hanao ratsy aza misy lanjany kokoa eo anatrehan’Andriamanitra noho ny milaza fa mino, nefa tsy velona amin’izay finoany izay sy tsy ahitana ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Eto no anehoan’ny Soratra Masina amintsika hoe :Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany ? ny tsy fiovana fa ny fahazarana fotsiny eo amin’izay milaza fa mino nefa tsy araka ny toe- panahy araka an’Andriamanitra,dia ny Tompo ihany no niteny hoe : Ny vehivavy janga sy ny mpamory hetra efa mialoha any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Teny tena mampieritreritra izany, nefa koa mampandini-tena hiverenana marina ao amin’ Andriamanitra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy.
Tsy ny tena ihany mantsy no antsoina hoe maty (mort biologique), fa misy koa ireo izay maty fahavelona hoy ny fiteny satria tsy manam-panahy,tsy ao intsony ny fifandraisany amin’Andriamanitra,tsy ao aminy ny fanantenana, vesaran’ny fahotana sy oriory lalandava ka mora lavo sy mamoy fo mihitsy aza.
Fa eto ny Soratra Masina dia mamerina ny handraisana ny finoana iainana,ka ny Fanahy Masina izay mampianatra ny zavatra rehetra no hanome sy hamelona indray ilay fanahy ao anaty ka hampahatsiaro fa ny manam-panahy sy mino no velona ary hamarinin’ny finoana ananany izany.
2-NY FINOANA VELONA NO ASEHO AMIN’NY ASA
Atao ahoana tokoa moa no hilaza fa manam-pinoana sy mivavaka nefa tsy miaina izany isan’ andro amin’ny atao sy ny asa ? Ary izany no anambaran’i Jakoba fa asehoy amin’ny asa sy ny marina ny finoana izay ananana mba ho hita tokoa fa velona manam-panahy.
Etsy an-kilany aza dia maro koa ny olona manao asa marobe nefa tsy mino,koa ireny no isan’izay nolazain’ny Tompo fa ny zanak’izao tontolo izao manan-tsaina lavitra noho ny zanaky ny mazava rehefa tsy mampiasa ny finoana ao aminy ny mino.
Marobe tokoa no milaza fa manana finoana,nefa mbola ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samihafa ka mila hirona ho any mihitsy aza rehefa variana tsy mampiasa sy maneho ny finoany.
Izany dia mahatonga sy mahalasa ho any amin’ny fahafoanan’ny finoana mihitsy aza rehefa tsy mitandrina,ary maro no efa tsy nahatohitra izany ka hatramin’ny namany izay miorina amin’ny finoana indray aza no hatsatsoiny sy ataony izay handroritana azy hiala amin’ny finoana.
Ny fanoharana nataon’ny Tompo dia tena mampieritreritra lalina mihitsy,dia ny amin’ilay olona nialan’ny fanahy ratsy ka nandray ny finoana nefa tsy nitaiza izany na tamin’ny fijoroany na tamin’ ny asany,hany ka nataon’ny Tompo hoe :rehefa lasa tany an-tany foana ilay fanahy ratsy dia nahatsiaro ka nanao hoe :voadio ilay trano nialako taloha,hiverina aho ; ary dia niverina tokoa ka nitondra fanahy fito ratsy lavitra noho ny teo aloha. Mba tsy ho isan’izany anie isika .
Mila mitandrina ny mino eo amin’ny ataony rehetra ka mila mampiasa ny finoany amin’ny fijoroany ho vavolombelona amin’ny asa sy marina rehetra.Ilaina ny mamelona hatrany io finoana ananantsika io amin’ny asa,fa sady fahavelomana izany no fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra izay inoana rahateo,hampitomboany antsika hatrany eo amin’ny fahasoavana.
Andriamanitra miasa mandrakariva hoy ny Tompo ary Izy Tompo koa miasa ary na ny tsara na ny ratsy dia samy anehoany izany asany izany,fa saingy ny mino dia mila manambara izany asan’Andriamanitra izany koa amin’ny hafa.
Amin’ny fiangonana sy ny fikambanana maro ry havako ,dia mampandinika ihany fa raha misy ny asa iaraha-manatanteraka dia vitsy ihany no tena manao,fa ny maro zary mpitazana fotsiny,mampahatsiaro ireo olona izay samy iray tanàna nanao lanonana, vitsy ihany no tena miasa fa ny sisa mpanatrika fotsiny. Ka hoy ilay olona izay rehefa mikabary :eny ary ,tonga eto moa isika,marobe no nantsoina amin’ity asa iaraha-manao ity,kanefa na dia maro aza no nanambarana dia ny tonga ihany no antsoina hoe :mpiasa. Tsy mahafaly maro izany kanefa dia tena zava-misy.
Mba tsy ho ny mino anie no ho tonga anatra eo amin’izao tontolo izao, ka hanaovan’ny hafa hoe aleoko miasa ary aharihariko izany ,toy izay mino nefa tsy misy asa vita. Na hihatra tokoa ilay fiteny hoe :tiako ny fampianaran’i Kristy ary efa ela aho no tokony ho manara-dia Azy,fa saingy ny ataon’ny kristiana no tsy azoazoko ka naleoko nijanona amin’izao.
Ry havako malala,dieny misy asa azo atao anehoana ny finoana sy hahafantaran’ny maro fa velona ny finoana ao anaty, dia aleo manatanteraka izany, fa ny finoana velona ao anaty no maneho koa fa manam-panahy avy amin’ny Tompo ny mino no mahay maneho ny endrik’Andriamanitra tokoa. Fa izaho sy ianao koa dia mpiara-miasa amin’i Kristy haneho ny Voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny asan’ny finoana izay tanterahintsika.
Dia mahereza ry havako,fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezan’aina ataonao ho an’ny Tompo ary Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino ny ataonao ho Voninahitry ny Anarany.
Dia samia ho Tahian’Andriamanitra ry havako.
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum