ZOMA 16 APRILY 2010
NY MOFON’AINA
I TIMOTY 4.6-10 HIRA 427
NY MPANOMPO TSARAN’I KRISTY JESOA
Ry havako,
Homba anareo mandrakariva anie ny fiadanana sy ny fitahiana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy, mba ho tena mpanompo tsaran’i Kristy Jesoa tokoa anie ny mino rehetra ary hijoro ho olona manana ny tena fanantenana tsara.
Paoly manoratra sy manoro hevitra an’i Timoty ary manao fanambarana miezinezina ny amin’ny nanendrena ity farany hitandrina ny mahasoa ny vahoakan’Andriamanitra.Tonga tena mpanompo tsara sy mahatoky tokoa izay niaina sy nivelona amin’ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra ary mizara izany ka tonga ohatra alain-tahaka eo amin’ny finoana sy ny fiainany isan’andro.
Izany no anehoana koa fa olona manana fanantenana eo amin’ny fiainana ka :
1-MITARIKA HO AMIN’NY LALANA
Raha manoro lalana ny rahalahy sy ny mino ho any amin’ny marina sy ny mahitsy dia miseho ho mpanompo tsaran’i Kristy,tsy hatahotra ny hanitsy sy hampianatra ny lalana marina.
Maneho fa velona sy miaina ny Tenin’ny finoana sy ny fampianarana madio, ka tsy manaiky ahilangilan’ny rivotry ny fampianaran-diso izay mitondra ho amin’ny fahalavoana sy ny fahaverezana.
Manoloana ny fampianarana samihafa izay miseho eo amin’ny fiaraha-monina sy mitady handrirotra ny maro ho lasan-ko babony, fampianarana izay manozongozona ny finoana ananan’ny mino, dia ambaran’ny Apostoly Paoly sy nanoroany hevitra an’i Timotry ny hiezaka ny hampianatra ny marina ary hijoro amin’ny finoana marina tokoa.
Tsy tamin’ny andron’i Paoly ihany no niseho ireny fampianarana hafahafa ireny izay nitady hamadika ny finoana, fa na ankehitriny koa aza ka ilazan’ny Soratra Masina amintsika ny hitandremana sy hijoroana amin’ny finoana marina.Ao mantsy ireo mihevitra ny tsy fisian’Andriamanitra, ny sasany mampianatra fa tsy misy ny helo sy ny fahotana fa zavatra noforonina ihany. Ny hafa mampianatra fa natao hampitonena ny fahoriana mitranga fotsiny ny fampianarana kristiana sy ny filozofiany, fa ny tokony arahina dia ny fandrosoana sy ny fisitrahana ny fahafinaretana misy ary ny mianoka izany fa tsy impiry miverina eto akory. Ao indray ny mampihorohoro ny momba ny 21 Desambra 2012 izay ho fiafaran’izao tontolo izao. Ny hafa efa manomboka manao tsenam-barotra lehibe amin’ny fanamboarana trano ambanin’ny tany tsy ho tratry ny faharavana. Ireny rehetra ireny, dia toy izay efa niseho tamin’ny 1844.
Fa izao: Ny Soratra Masina, dia miteny amintsika tsotra hoe: “miambena fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora hahatongavan’ny Zanak’Olona”, ary aza mety ho fitahina ianareo. Hazony ny finoana sy ny fampianarana tsy misy kilema izay efa noraisina tao amin’i Jesoa Kristy, ary ny mino rehetra no antsoina hitarika ny maro ho amin’ny làlana mahitsy sy marina hahatanteraka ny famonjena.
1-MIVELONA AMIN’NY FIFANDRAISANA AMIN’ANDRIAMANITRA
Manoloana ny fampianarana samihafa misy, ny Apostoly dia manoro lalana ny hiainana sy ny hivelomana amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra isan’andro mba tsy ho azon’ny fakam-panahy, ary hiseho ho modely sy ho
Ny mino dia mivelona sy mifamato-piainana amin’Andriamanitra, ary ny olona tena miaina amin’ ny Tenin’ny finoana tokoa no afaka miseho fa manana ny fanantenana noho izany finoana izany.
Isika koa raha velon’ny fanahy dia aoka andeha araka ny fanahy, ary raha velon’ny finoana marina an’i Jesoa Tompo dia manana fanantenana ny fiainana koa, ka afaka hitaona sy hizara izany fanantenana sy finoana izany amin’ny hafa koa.
Mba ho isan’izay mino tokoa anie izaho sy ianao ka tsy ahilangilan’ny fampianarana hafahafa ka hahalasa ho babo amin’ny fiverenan-dàlana handà ny famonjena.
Meteza ary ho tena mpino vavolombelon’ny finoana an’i Kristy Jesoa tokoa mba ho modely eo amin’ny fiaraha-monina amin’ny atao sy ny fomba fiaina rehetra.
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum