ZOMA 06 NOVEMBRE 2009
NY MOFON’AINA
I JAONA 3.18-20 HIRA 530
NY ENDRIKY NY FITIAVANA ANTOKA EO ANATREHAN’ANDRIAMANITRA
Ry havako,
Hampitoerin’Andriamanitra ao aminao sy ny ankohonanao hatrany anie ny Fitiavana sy ny Fitahiana rehetra.
Faly tahafaona aminao sy izay rehetra miaraka mandray ity hafatra ity indray amin’izao Zoma 06 Novembre 2009 izao. « Anaka aoka tsy ho tia amin’ny lela isika,fa amin’ny asa sy amin’ny marina. » Fitiavana aseho amin’ny asa,fitiavana aharihary amin’ny marina fa tsy fitiavana amin’ny teny manintona sy mahasarika fotsiny. Izany no endrika sy modelin’ny tena fitiavana ary antoka eo anatrehan’Andriamanitra ho an’ny zanany rehetra.
Na dia tsy miloa-bava aza ,dia fantatra eo amin’ny fihetsika sy ny asany ny fitiavana ao amin’ izay mino marina . Izany indray ry havako no hafatra entin’ny mofon’aina ho antsika anio,ary dia mankasitraka anao indrindra manome fotoana hiarahana mandinika sy mizara izany koa ho an’ny hafa.
1-MODELIN’NY FITIAVANA MAHATOKY
Aleo raisina amin’ny fiantsoana mahazatra hoe « modely » ny endriky ny fitiavana mahatoky tiana ambara eto.
Ny fankahalana sy ny fananganana fahavalo no mitondra ny fahafatesana, fa ny fitiavana kosa no manome aina sy fahavelomana. Ny fambolena fitiavana no manokatra tontolo vaovao hanjakan’ny fandriampahalemana ,ary io Fitiavana io no hafatra napetraky ny Tompo mba hitoeran’ny mino rehetra. Fa ny fananganana fahavalo kosa no mampitombo hatrany fisokafan’ny lavaky helo tsy hahazoana fiainana.
Eto ary ny Soratra Masina dia te haneho mazava ny antson’Andriamanitra ho amin’ny Fitiavana tonga ohatra tamin’ny alàlan’ny fanoloran-tenan’i Jesoa Kristy ho faty hamonjy ny maro. Jesoa Kristy naneho ny ohatry ny fahafenoan’ny Fitiavana, ka nanaovan’ny Apostoly antso koa hoe : « Mandehana amin’ny fitiavana toy ny nitiavan’i Kristy ».
Manoloana ny faharatsiana sy ny fankahalana ary ny fitomboan’ny fahotana ataon’ny zanak’olombelona ny mpianatr’i Kristy dia nampiomanina koa ho vonona hanolotra ny aina noho ny Fitiavana ny hafa ( ny rahalahy sy anabavy hoy ny Soratra Masina)mba hahatonga azy ireo ho amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy fiainana. Ny fikasana tsara sy ny fiteny manintona dia tsy misy vokatra raha tsy tonga vongana iray dia ny fanehoana izany amin’ny fihetsika sy ny atao.
Na dia tsy tanteraka aza ny fitiavantsika zanak’olombelona noho ny toetra sy fanao zary teny fotsiny ihany,dia izany indrindra no nahatongavan’ i Jesoa Kristy ho antsika teto hameno sy handravona izany mba ho tonga fianarana ho an’ny olona rehetra ny fijoroantsika amin’ny tena Fitiavana. Kristy ilay modelin’ny Fitiavana tonga lafatra ka nampianatra antsika koa ny ho tia tahaka ny nitiavany antsika .
Maro ny olona no mizaka ny mangidy noho tsy fisian’ny fitiavana fa zary lasa tery avokoa no hanaovana ny zavatra rehetra eny na ny fiarahana miombona eo amin’ny fiangonana aza. Fa eto kosa dia mampianatra antsika ny modelin’ny Fitiavana ny Tompo,dia ny hanehoana izany amin’ny asa sy ny marina.
Nahoana tokoa moa rehefa tonga eo amin’ny taona heveriny fa olon-dehibe ny ankizy no zary manadino na miala mihitsy amin’ny fiombonana sy ny fiangonana na ny fiaraha-mivavaka aza ?
Satria zary tsy nanana ray aman-dreny feno izy ireny,fa tratry tery fotsiny ka na ny finoana tao aminy aza tsy niorina satria tsy fitiavana fa tery no nanarahany antsika,tsy tena sahy nandray andraikitra sy naneho ny hevitry ny fitiavana tokoa isika.
Noheverintsika fa nahasoa izany ka natao tokoa,fa tsy hisy tokoa ray amandreny angatahin’ny zanany trondro ka hanome azy menarana na nagatahiny atody ka nanolotra azy maingoka, fa ny fomba nentina naneho izany fitiavana izany no mety tsy tamin’ny asa sy ny marina fa hoe :zanako io dia manana fahefana aminy koa aho.
Raha tany ambanivohitra no toy izany dia satria tratry tery any amin’ny fiandrasan’omby na fiandrasana vorona aloha,terena ho tsy maintsy fa tsy nambara taminy fa Kristy koa dia tia azy ireny.
Ny mpino mahatoky izay marina amin’ny asany ry havako dia tsy ho toy izany fa manahaka an’i Jesoa koa ka haneho ny tena fitiavana.
2-ANTOKA OMEN’NY TOMPO NY FAHATSIAROVANA FA TIANA
Ny fahatsiarovantsika fa Tiana isika ary Andriamanitra Tia antsika dia antoka lehibe hahatanteraka ny maha olon’Andriamanitra mandray ny fiantsoana ny mino rehetra.
Mihoatra lavitra ny fitiavantsika mantsy ny Fitiavan’Andriamanitra satria Izy efa Tia antsika hatramin’ny voalohany. Tena Tia tokoa Andriamanitra ary ny Fitiavany dia ny nanekeny hiditra mihitsy eo amin’ny tantarantsika tao amin’i Jesoa Kristy,nanolotra tsy vidina sy nomeny maimaimpoana Jesoa Kristy,moa tsy omeny antsika mamaimpoana miaraka aminy koa va ny zavatra rehetra raha mino isika ?
Tsy nisy fihatsarambelatsihy tao amin’Andriamanitra ary izany no nahatanteraka ny famonjena antsika. Tena antoka ho antsika izany fa ny Azy Andriamanitra rehefa Tiany dia Tiany tokoa,ary izany koa no antoka tsara ho antsika mba hanehoantsika koa ny tena Fitiavana.
Ny mpino dia miaiky fa tsy tanteraka sy meloka noho ny tsy fahampiana na tsy fisian’ny fahamendrehana ao aminy ,kanefa rehefa mandini-tena sy mibebaka,manaiky sy miova fo,dia hahita koa ny voninahitry ny Fitiavan’Andriamanitra ka hahatsiaro fa hay izy koa dia Tian’Andriamanitra.
Ny olona tia sy mahatsiaro ho tiana dia mandray andraikitra tandrify azy koa noho ilay nitia azy,dia Jesoa izany.Ka inona no andraikitra raisina ?Ny hanehoana izay fitiavana izay koa amin’ny hafa sy ny fanolorantena ho azy amin’ny fijoroana ho vavolombelona.
Hatraiza tokoa moa no fahatsapantsika ny Fitiavan’Andriamanitra ka ipetrahan’ny fahatokiantsika Azy ? isika rehetra no anambaran’ny Soratra Masina koa eto hoe : « Anaka aoka tsy ho tia amin’ny lela sy ny teny isika ,fa amin’ny marina sy ny asa. »
Ny antoka ny amin’ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fahatsarany ary ny famindrampony, dia Izy Andriamanitra izay mahalala ny momba antsika manokana dia azo tahirizina ho toy ny harena sarobidy, fa Izy Andriamanitra dia mamindra fo amin’ny Fitiavana rehefa mahatsiaro isika fa meloka.
Ry havako,mba tena ho ao amintsika tokoa anie ny Fitiavan’Andriamanitra izay antoka ho antsika satria Izy efa Tia antsika hatramin’ny voalohany ary mialoha ny fitiavantsika Azy hatrany ny Fitiavany antsika.
Dia ho aminao koa anie izany Fitiavan’Andriamanitra izany.
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum