ZOMA 26 FEBROARY 2010.NY MOFON'AINA:MIFANDRAY AMIN'ANDRIAMANITRA

 

 

Zoma 26 Febroary 2010

 

Hosea 6, 1- 3     HIRA 480

 

MIFANDRAY AMIN’ANDRIAMANITRA

 

 

Nihasimba hatrany ny fiainan'ny vahoakain’Andriamanitra tamin'ny andron'i Hosea. Efa nizara roa ny fireneny ary na dia ny fanjakan'lsraely aza dia vao maika niharatsy hatrany. Ny vahoaka maro lasa nanaraka ny fivavahan'ny kananita. Nefa nasehon'Andriamanitra tamin'n alalan'ny fanambadian'i Hosea fa ny fitiavana ihany no vaholan'izany.fitia mifamaly mba hamerenana ny fahaveloman’ ny firaisan'ny vahoakany amin'Andriamaniny. Ho fitia mifamaly ka:

 

1° Andriamanitra hanome fiainam-baovao ho azy ( and.1-2 )

 

Ny fiainam-baovao omen'Andriamanitra  dia tanisain Hosea eto : fanasitranana, fikarakarana ireo ratra manjo ny olony, fanomezana fiainam-baovao dia fahavelomana ary famerenana indray ny anjara toerany eo anatrehan’Andriamanitra mba hahazoany mitsangana eo anatrehany.

 

2°   Ny   olony   hitombo  fiombonam-piainana amin' Andriamaniny ( and.3)

 

Ny antson'i Hosea eto dia ny mba hahalala sy hiezaka hahalala an'Andriamanitra ny olona. Izany hoe : hampitombo indray ny fiombonam-piainan'ny olona amin'Andriamanitra toy ny fiainan'ny lehilahy hahalala ny vadiny ka ho nofo iray. Izany fiombonana izany no ambara ho masoandro miposaka sy ranonorana hahavonto ny tany ka hitondra fiadanana indray.

 

Fanontaniana : Inona no ataonao mba hitomboan'ny fifamatorana amin’Andriamanitra bebe kokoa?

 

Dernière mise à jour de cette page le 25/02/2010

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum