ASABOTSY 16 JANVIER 2010
« …..Any amin’ny tany izay nilazana taminy hoe :Tsy oloko hianareo,dia any no hanaovana aminy hoe :Zanak’Andriamanitra Velona hianareo. » Hosea.2.1
NY MOFON’AINA
HOSEA 2.1-3 HIRA 409 / 453
« ZANAK’ANDRIAMANITRA VELONA »
Ry havana,
Homba anao mandrakariva anie ny Fiadanan’i Jesoa Tompo.
Faly indrindra mamangy sy miarahaba anao sy ny ankohonanao amin’ny alàlan’ity fifampizarantsika ity. Ho tanteraka aminareo tokoa anie ny fitahiana ka hiantsoana anareo hoe :Zanak’Andriamanitra Velona.
Ity Hosea 2 .1-3 ity dia maneho amintsika fa na dia niodina tamin’Andriamanitra aza ny olona noho ny fivadihany sy ny fanompoany andriamani-kafa, dia misy ny antso sy ny teny fampanantenana fa eo amin’ny tany izay nanaovana azy hoe:tsy oloko hoy ny Tompo, dia eo indray no hiantsoana azy hoe:Zanak’Andriamanitra Velona.
1-ANDRIAMANITRA MAMINDRA FO AMIN’NY ZANANY
Teny faminaniana ho an’ny zanak’Israely izay naditra sy mafy fo, mivadibadika tamin’ Andriamanitra io teny voalaza io. Nobaboina sy voageja an-danin’ny roa izy ireo noho ny ditry ny fony. Ilay lohasaha lemaka eo avaratra atsinanan’i
Adin’ny mpirahalahy samy zanak’i Abrahama sy terak’i Jakoba no
Izany no nanaovana azy hoe: “tsy oloko.” Nefa ny famerenana ny fampihavanana ny firenena, ny fandravonana ny adin’ny mpirahalahy, ny fiverenana indray amin’Andriamanitra amin’ny fibebahana marina, dia ho
Ny hafatry ny fampihavanana eto dia miantefa mivantana amin’ny tsirairay miverina sy mibebaka noho ny ota natao tamin’Andriamanitra, ary izany no hitondra ny fitahiana sy ny fihavanan’ny firenena.
Velona Andriamanitra, ary zanany isika izay mino sy miverina Aminy. Tsy kamboty fa manan-dRay mamindra fo sy miantra ary te hamerina ny zanany ho ao an-tranon’ny Rainy indray. Ilay firenena nolavina sy nariany ka nilazany hoe:tsy oloko ianareo no ataony hoe: zanak’ Andriamanitra Velona indray.
Tsy zava-mora izany hoe ilaozan’Andriamanitra, fa miteraka faharavana tsy hita pesipesenina. Jereo ny manjo ny firenena samihafa mihataka amin’Andriamanitra, ka mitoky amin’andriamani-tsy izy. Hevero ireo mihevitena fa tsy ilaina Andriamanitra, vokany fahantrana, faharavana, korontana, ady etsy , ady eroa. Tonga mpifahavalo na dia ny iray trano aza satria lavitra an’Andriamanitra Velona.
Saingy Ray Andriamanitra , dia mamindra fo , ary ny famindrampony no tsy mahalany ritra antsika. Izay efa nolaviny ka miverina Aminy dia raisiny indray ka antsoiny hoe:zanak’ Andriamanitra velona, tena malalan’Andriamanitra. (Hevero ny fialan’ilay zanaka adala sy ny fiverenany tamin’ny rainy).
Dia toy izany koa isika ry havako, raha miverina amin’Andriamanitra marina isika, dia hamindra fo Izy ary hanavotra sy hahatonga antsika ho zanaka malala. Tsy mahafoy antsika Andriamanitra na dia maditra sy mafy hatoka aza isika. Tsarovy,ary aza heverina fa rehefa niala tamin’Andriamanitra isika, dia nanary mandrakizay koa Izy. Tsia miala nenina amintsika ny Tompo, vonon-kanarina ny zanany rehetra ary miantso ny hiverenana Aminy amin’ny finoana sy ny fibebahana, ary Izy vonon-kandray izay miverina marina tokoa.
Izany indrindra no
Andeha ary isika hiverina amin’Andriamanitra amin’ny fontsika tokoa, fa Raintsika Izy ary zanany isika.
2- ANDRIAMANITRA MAMPIHAVANA ANTSIKA ZANANY
Ho tafintohina ny tsy mino raha hilazana fa izany no sitrak’Andriamanitra, dia ny hampihavana antsika rehetra, satria zanak’Andriamanitra isika. Na dia misy ny maditra sy mandao ny fitiavan’ny Ray ka mirenireny manao izay sitraky ny fony amin’ny filàna sy ny fanompoana samihafa. Misy ireo manararaotra, sy mihevitra ho manana ny hery rehetra ary miezaka ny hanao izay hampisaraka ny zanak’Andriamanitra. Misy ireo na ilazana aza, dia tsy manaiky ho zanak’Andriamanitra, dia izao ihany:Tian’Andriamanitra ireny satria Ray Izy, ary tiany hanatona Azy sy hiverina Aminy mba ho Zanaka mahita fiainana indray.
Mahagaga sy mampieritreritra ry havako ny voalazan’ireto andininy 3 eto amin’ny Hosea 2 ireto. Hiara-mivory ny firenen’i Joda sy Israely (taranaka iray ihany ireo fa samy terak’i Jakoba, saingy niady sy nifandramatra ary nifampitsangana ho fahavalo). Nandritra ny 200 taona niady, niady ihany, notafihan’ny fahavalo ivelany , toy ny Asyriana sy ny hafa koa aza. Tsy nahafantatra na tsy nihevitra intsony an’Andriamanitra Ray.
Nampihavanin’Andriamanitra tamin’ny fiverenana sy ny fibebahana izy roa tonta,niara-nivory, lasa tokana ihany ny mpitarika azy rehetra. Fa ambonin’izany ny fanekeny an’Andriamanitra Velona ho Rainy.
Ny mpifandrafy nihavana sy nifankatia, satria Andriamanitra Tompon’ny tantara no miasa sy manatanteraka ny Sitrapony.
Rehefa Andriamanitra no miasa, tsy misy hahasakana izany. Ary na inona na inona mampisaraka sy miteraka ny tsy fifankahazoana , rehefa manaiky an’Andriamanitra Velona ho Raintsika isika ary mino amin’ny fontsika fa Kristy no fototry ny finoantsika, dia hahay mifanatona sy ho
Ry havako, isika rehetra koa anie hanaiky fa Andriamanitra Velona no mampihavana antsika sy manao antsika ho zanany, ka hitaomantsika koa ny hafa hanatona Azy amin’ny fanetren-tena tsy misy teritery.
Ho tanteraka anie izany fampihavanana izany.
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum