VATSIM-PANAHY:MIVERENA AMIN'ANDRIAMANITRA

ALAHADY  06 DESAMBRA 2009

 

VATSIM-PANAHY

 

HOSEA  12.1-7

 

MIVERENA  AMIN’ANDRIAMANITRA

 

Ity  perikopa anio ity dia mampieritreritra fatratra kanefa koa mitarika ny hitodihana indray amin’Andriamanitra  velona.

 

Aharihary eto ny henatra sy ny fitondran-tena tsy mahomby ataon’ny Vahoak’Andriamanitra. ary mampalahelo  fa tsy mba ny tsara no miseho sy atao fa mitohy hatrany amin’ny faharatsiana ny olona. Vahoaka nanao fanekena tamin’ny vahiny ary miteny fitaka sy lainga, nanjaka ny fanompoan-tsampy ary tsy nihevitra akory izay fanekem-pihavanana  nataon’ Andriamanitra tamin’ny nanavotana azy izy ireo.

 

Eto ary dia asaina miverina amin’ Andriamanitra Velona ny olona ka :

 

1-HITANDRINA NY FAMINDRAMPO

Asongadina  fa  niankina loatra  tamin’ny  zava-boahary ny olona  ary nametraka  ny fannantenany tamin’ olona. Na dia nandiso fanantenana  azy izany dia notohizany ihany. Feno fitaka sy  niala tamin’Andriamanitra izy ireo.

 

Noho izany rehetra izany dia nifandimby ny faharavana ary lavitry ny marina ny toetra sy ny fitondran-tenan’ny maro. Nitombo hatrany ny ratsy ary tsy nisy henatra intsony ny olona, nanjary nanjaka ny herisetra,ary tsy nisy famindrampo teo amin’ny fiaraha-monina.

 

Naverina tamin’izy ireo ny tantaran’i Jakoba , izay nampahatsiaro ny ratsy nataony teo imason’ Andriamanitra sy ny fivalozany ary ny fiverenany tamin’Andriamanitra indray.

 

Eto koa ry havako dia miantso ny olona rehetra amin’izao androntsika izao hiverina aminy Andriamanitra aryhiala amin’ny ratsy fanao ka ho tia famindrampo,hiala amin’ny fanao tsy mahomby rehetra.

 

Fa Andriamanitra ninia tsy nijery ny tsy fahalalantsika fa ankehitriny mandidy fatsy miangavy intsony ny hibebahana sy hiverenana aminy. Hamelona indray ny finoana , ka hiala amin’ny fikarenjena tsy hanatona ny Tsitoha. 

 

Tsy vitsy tokoa anie rey olona no milazaho mpino sy matoky an’Andriamanitra fa mandà ny heriny e,ary maro no mbola manao tan-droa sy mihevitra fa hoe :Andriamanitra ve dia ho sarotiny amiko !!

 

Ny fisaorana an’Andriamanitra noho ny fisian’ny mpiara-miasa,fitondrana eo anatrehan’Izy Andriamanitra koa ny mpiasany mba hampita ny hafatry ny  Filazantsara tsy misy fitaka, nefa koa dia mamerina ao amin’ny fiangonana fa Andriamanitra mametraka ny vahoakany rehetra ho amin’ny toerana maha-izy azy mba ho velona amin’ny famindram-po, ary hanao izay marina sy mahitsy .Fiangonana velona vonona amin’ny fiaraha-miasa sy ny fifampitondrana madio eo amin’ny Fijoroana ho vavolombelona. 

 

 

2-HATOKY  NY FITIAVAN’ANDRIAMANITRA

 

Tena fiantsoana ny olona hamerina ny fahatokiany an’Andriamanitra velona izany . Fahatokiana amin’ny fiandrasana  Azy.

 

Miverina amin’Andriamanitra velona ka miala amin’izay endriky ny fanompoan-tsampy samihafa (fitiavan-tena, fitokiana amin’ny olona,ny fankahalana, ny firaisana tsikombakomba eny sy ny hafa koa),ireny rehetra ireny dia hanaovan’ny Soratra Masina  antso ny amin’ny tokony hialana aminy ka hatoky sy hiandry an’Andriamanitra ao amin’i Kristy izay efa nanafaka rahateo.

 

Tsy hametraka ny fahatokiana amin’ny olonba na amin’ny zava-boahary. Jereo ange fa ireto zanak’israely ireo lasa  niriorio sy nanao izay tsy mety ,tonga nanompo sampy, tsy natoky an’Andriamanitra fa nitoky tamin’ny herin’ny Asiryana sy ny Egyptiana, diplaomasia diso làlana izany , tsy ny fanaovany fifandraisana tamin’ireo akory no ratsy fa ny nametrahany ny fahatokiany taminy ka niala tamin’ny fahatokiana an’Andriamanitra.

 

Ny famaizana sy ny kapoka ataon’Andriamanitra eto dia tsy fankahalana velively,fa mariky ny fitiavana. Dia fitiavana ny vahoaka mba hiverina Aminy ary ho tena vavolombelona tokoa. Ary hahay hitondra-tena hanao ny rariny sy ny hitsiny ka tsy hiteny fitaka.

 

Ny Fiverenana amin’Andriamanitra,dia anehoana koa ny fanekena ny heriny sy ny fahefany ary Izy rahateo no anton’ny zavatra rehetra.

 

Ny andininy faha-4-7dia mampahatsiaro antsika fa izay mihaino sy mandray tokoa ny Teny sy ny Antsom-pitiavan’Andriamanitra no hahita soa sy handray ny fitahiana, ka izany no hanaovany hoe Miverena amin’Andriamanitrao.

 

Ry havako,ny endriky ny tsy fahatokiana sy ny tsy rariny ary ny tsy marina rehetra dia tsy ahitana vokatsoa eo anatrehan’ny Tompo,ary eto ny Kristiana mahatoky dia antsoina ho tena vavolombelona haneho izay tena ankasitrahan’Andriamanitra marina.

 

En guise de résumé : Le prophète Osée  ne cesse de fustiger Israël , mais aussi Juda (deux royaumes d’entre  les douze tribus des fils de Jacob. Il leur reproche de conclure des pactes avec les étrangers sans se soucier de l’Alliance avec l’Eternel. C’est un comportement honteux  de mettre à part la suprématie de Dieu et de remettre  toute confiance à des êtres humains.

 

Comme Jacob l’ancêtre de leur nation  avait usurpé le droit d’ainesse de son frère et lutté contre l’ange de Dieu. Pour le prophète , le  peuple d’Israël est digne descendant  de patriarche qui s’est repenti  de toutes ses mauvaise habitudes  , car il s’est montré déloyal  et rebelle , mais reconnaissant sa faute il s‘est repenti et se tourne vers l’Eternel.

 

Seulement deux signes principaux témoignent d’une réelle  conversion : la pratique  de  la  bonté et le respect  du  droit.

 

Nous  aussi chrétiens d’aujourd’hui nous sommes  appelés à tourner vers l’Eternel et nous devons  nous repentir une fois  de plus de toutes nos vices, et de renouveler notre confiance à l’Eternel qui a envoyé  son Fils unique  pour nous sauver et nous montrer  le chemin la vérité et la  vie.

Dernière mise à jour de cette page le 06/12/2009

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum