ALAROBIA 07 AVRIL 2010
NY MOFON’AINA
HEBREO 9.11-14 HIRA 305
KRISTY MPISORONABE SY SORONA MANDRAKIZAY HO ANTSIKA
Ry havako,
Homba anareo mandrakariva anie ny Fiadanan’i Jesoa Kristy Ilay Mpisoronabe nanao sorona ny Tenany ho fanatitra mandrakizay ho fanantenana sy fanavotana antsika.
Faly mamangy sy miarahaba anareo rehetra amin’ny alàlan’ny mofon’aina ifampizarantsika indray ry
Kristy Mpisoronabe sy sorona mandrakizay nanao fanatitra ny Tenany sy mifona ho antsika eo anatrehan’Andriamanitra Ray.
1-KRISTY MPISORONABE NANAO FANAVOTANA HO ANTSIKA
Kristy no manao ny fanavotana mandrakizay, ary Mpisoronabe mihoatra noho Melkizedeka . Ny anjara fanompoan’ny mpisoronabe dia miditra ny toerana masina indrindra manao fisoronana sy mifona ho an’ny vahoaka rehetra . Fa Kristy kosa dia sady Mpisoronabe no Izy rahateo no sorona ho an’izao tontolo izao.
Indray mandeha tsy miverina tahaka ny nataon’ny Mpisoronabe manao fanatitra ao amin’toerana masina indrindra isan-taona ny sorona nataon’i Kristy. Ny tenany no nataony fanatitra mandrakizay ho fanavotana ny olona rehetra sy ny firenen-drehetra ary ny taranaka mifandimby.
Tsy misy famenony sy famerenana izany sorona izany fa vita indray maka monja ary tanteraka.
Ny toerantsika, dia ny mino sy manaiky fa Fitiavan’Andriamanitra antsika no nanaovan’i Kristy sorona ny Tenany ho antsika. Ny Fahafatesan’i Jesoa Kristy, ny fitsanganany tamin’ny maty sy ny fiakarany tamin’ny Voninahitra no manome antoka ny fanatonan’ny olona an’Andriamanitra.
Satria ny fisoronana nataon’i Kristy dia antso koa ho an’ny mino rehetra hahazoany manatona an’ Andriamanitra ary ivelomany koa amin’ny finoana.
2- AO AMIN’I KRISTY NO HAHAFAHANTSIKA MANOMPO AN’ ANDRIAMANITRA
Ny fisoronana nataon’i Kristy dia tsy ny hamelana ny helontsika sy ny hampihavana antsika amin’Andriamanitra ihany , fa ny hahatonga antsika ho mpanompon’Andriamanitra velona.
Raha noheverina fa ny fanatitra natao tamin’ny ràn’ombilahy na ràn’osilahy ary ny lavenom-batotr’ombivavy dia nanamasina hatramin’ny fanadiovana ny nofo, mainka fa ny ran’i Kristy, Izay nanatitra ny Tenany tsy manna-tsiny ho an’Andriamanitra.
Izany koa no tokony hivelomantsika ny finoana Ilay efa nanavotra antsika ka hanolorantsika ny tenantsika ho fanatitra velona ho an’Andriamanitra. Ny fanatitra velona, dia ny fanompoana an’Andriamanitra eo amin’ny toerana samihafa izay niantsoana antsika, ary hanehoana ny Voninahitr’Izy Andriamanitra. Ho kristiana tena mahajoro tsara sady tsy menatra ny ho vavolombelon’i Kristy eo amin’ny fiainana sy ny atao rehetra. Ny asa tanterahintsika ao amin’ny fiangonana, eo amin’ny fiaraha-monina amin’ny alàlan’ireo fanomezam-pahasoavana rehetra nomen’ny Tompo antsika dia tsy ho zava-manasatra sy mandreraka fa tena fahasoavan’ Andriamanitra nomena antsika hanehoana ny Voninahiny.
Kristy mpisoronabe nanao sorona ny Tenany ho fanavotana mandrakizay ho an’ny mino rehetra sy izao tontolo izao no fanantenana ho antsika koa.
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum