ASABOTSY 14 NOVEMBRE 2009
NY MOFON’AINA
HEBREO 6. 9-12 HIRA 310
« Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho Voninahitry ny Anarany…(and.10) »
ANDRIAMANITRA TSY MBA TSY MARINA AMIN’NY OLONY
Ry havako,
Homba anao sy ny ankohonanao mandrakariva anie ny Fiadanan’Andriamanitra ary hanome fifaliana anao hatrany amin’izay ataonao rehetra ho Voninahitry ny Anarany.
Faly miarahaba sy mamangy anao sy izay rehetra mandray ity fifampizarantsika ity na aiza na aiza hahazoana mandray izany.Ho fenoin’Andriamanitra ny Fahasoavany rehetra anie ianareo,ary mankasitraka indrindra manokana fotoana andraisana ny mofon’aina hifampaherezantsika.
Marina amin’ny asany ny Mpino satria Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino izay rehetra ataon’ny olony amin’ny fitiavana ho Voninahitry ny Anarany.Izany no entintsika mifampahery indray anio.
Inona tokoa moa no nahatonga ny mpanoratra hanao io fanambarana io mba hampaherezana ireo kristiana tamin’ny fotoan’andro ary ho antsika amin’izao andro ahavelomantsika izao ? Misy toetra mampiavaka tokoa ny mpino ka nahatonga ny fanehoana ny Teny Fikasana ny amin’ny Fahamarinan’ Andriamanitra.
Andeha ary ho fintinintsika izay toetra mampiavaka ny mpino mahatoky izay.
1-OLON’NY FAHAZOTOANA NY MINO
Raha mamaky ny andininy faha-4-12 io isika, dia hahatsapa fa mety hampivily eny hampihorohoro aza.Ny mpanoratra anefa dia te hampahatsiaro sy hamelona indray hafanam-po eo amin’ny mpino,izay namirapiratra tokoa tany aloha noho ny fahazotoana sy ny fitiavana. Saingy io hafanampo io dia hita ho nihemotra ary nodimbiasan’ny tsy fitiavana sy ny fankahalana eny hatrany amin’ny tsy fahazotoana amin’ny asan’Andriamanitra mihitsy aza.
Fa eto kosa ,dia ampaherezina ,fa ny olona izay nahita sy nahatsapa marina ny Fitiavan’i Kristy, dia tsy nandray ny hevitry ny teny fotsiny fa nanaiky hiasan’ny Fanahy Masina. Koa raha miverina ho amin’ny fomba fiaina fahiny fony tsy nanana an’i Kristy dia tena ho sarotra aminy ny hiverina indray amin’Andriamanitra marina.Koa izany no ampaherezana eto hoe :Andriamanitra tsy mba tsy marina.
Fa ny fiverenana ilàlana ho amin’ny tsy finoana dia manombo indray an’i Kristy. Fa ny fandalinana ny finoana,ny fiainana ary ny fitoerana ho amin’ny làlan’ny fahamarinana,ny fanantenana an’ Andriamanitra izany no manome hery hananana faharetana ho amin’ny fahazotoana.
Tsy dia hita intsony ny fanoloran-tena madio amin’ny fahazotoana noho ny fahasahiranana sy ny fahantran’ny maro,fa mandrakariva dia mila tambiny amin’izay atao ;eo koa anefa ny tahotra ny fiaraha-monina amin’ny fanenjehana sy ny eso-teny samihafa raha mba te-hanao zavatra.
Fa Jesoa Kristy kosa tsy mba nandà ,fa tamin’ny fifaliana sy ny fahazotoana no nanatanterahany sy nankatoavany ny hanao ny Sitrapon’ny Ray .Izany koa no hampaherezana antsika eto ry havako,fa Andriamanitra izay niantso antsika tsy mba tsy marina ary tsy hanadino na oviana na oviana,fa hanome valiny sy vokatra noho ny fahazotoan’ny olony. Izany valiny omen’Andriamanitra izany dia mba ho Voninahitry ny Anarany.
Ny mpino mahatoky,tsy mihemotra amin’izay efa nekeny sy ninoany an’i Jesoa Kristy fa asehony amin’ny fahazotoana rehetra izany ary tsy matahotra izay eso-teny sy fanenjehana fa maharitra sy mitàna ny finoany marina tokoa.
2-OLON’NY FANOLORAN-TENA NY MPINO
Matetika tsy dia azoazon’ny olona ity lazaina hoe :fanompoana na mpanompo ity satria tsy mazava loatra,fa toa miverina amin’ny resaka fanandevozana,izay midika fa tsy maintsy manao na tiana na tsy tiana.
Fa eto anefa ary ny Soratra Masina raha milaza ny fanompoana ny Tompo,dia midika fanetre-tena sy fanoloran-tena tanteraka izany ary atao vokatry ny Fitiavana sy ny finoana fa tsy tery vay manta na teren-ko masaka toa voalobo-jaza. Izany no nahatonga ny Tompo hiteny hoe :Ny Zanak’Olona tsy tonga mba ho Tompoina fa mba hanompo sy hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro. Tena milaza fanoloran-tena izany sy fanafahana omen’ny Tompo ny mpino rehetra ny fanompoana nataony mba tsy hitoerana eo ambany ziogan’ny faharatsiana sy ny asa matin’i satana rehetra.
Dia toy izany koa ny Mpino izay nandray an’i Jesoa Kristy ho mpamonjy ny fiainany manokana,dia manatanteraka ny fanoloran-tenany sy ny fahazotoany ary ny fanetre-tena amin’ny fitiavana. Io no natahonga koa ny Soratra Masina hanao hoe :Mifampanompoa amin’ny Fitiavana,fa tsy ny iray akory ho tompo hindrahindraina ary ny iray mpanompo manao izay tian’ny iray atao fotsiny fa tsy misy fitiavana. Satria iray ihany no Tompontsika rehetra sady ambontsika rehetra,dia izany no tokony hifampanompoana amin’ny fitiavana hanehoana ny Voninahitr’Andriamanitra noho ny fiantsoana antsika.
Tsy tokony ho fahazarana no hanatanterahana ny fanompoana ny Tompo,fa raha izany dia mety hahatonga fakam-panahy,satria tsy ho vokatry ny fo sy ny fanoloran-tena intsony no hanaovana azy, dia ho mora lavo.
Fa ny famonjena izay nataon’i Jesoa Kristy no ilaina iainana isan’andro ka hahazoana maneho ny fijoroana ho vavolombelona eo amin’ny asa sy ny fanoloran-tena, ary izany no fanompoana sy fifanompoana amin’ny fitiavana satria manatanteraka ny Sitrapon’ny Avo Indrindra. Ny Fanahy Masina no mitarika ny mpino hahazoany manatanteraka ny asa fanolorantena isan’andro ka tsy hampihena ny risi-po sy ny zoto-panahy rehetra izany mba hitomboana amin’ny finoana.
Andriamanitra tsy mivadika amin’ny Teny fikasany ry havako, dia manome hery ny mpino izay zary tratry ny fahakiviana sy ny fisalasalana rehetra tsy hahafahana mijoro ho vavolombelona. Ary ny Soratra Masina dia maneho amintsika izay tsy fivadihan’Andriamanitra izay, ka eo imason’Izy Andriamanitra ny asa sy ny fanolorantena ary ny fanompoana atao amin’ny finoana dia tsy matimaty foana satria tsy fanompoana fanandevozana izany fa fanompoan’ny olona afaka ao amin’i Kristy.
Dia samia ho Tahian’Andriamanitra ry havako.
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum