MAHARITRA AMIN'NY FINOANA

ALATSINAINY    09    NOVEMBRE 2009

 

NY  MOFON’ AINA

 

HEBREO  10.32-38                         HIRA :365

 

MAHARITRA  AMIN’NY FINOANA

 

Ry havako,

 

Hampaharetin’Andriamanitra amin’ny finoana hatrany anie ianao sy izay momba anao rehetra mba hahazoana mahafantatra marina tokoa izay lazain’ny Teny Fikasana ny amin’ny fiainana.

 

Amin’ny fifaliana no iarahabana ny tokantrano sy ny ankohonana tsirairay  nomen’ny Tompo tombom-pitahiana ka nahatratra ity Alatsinainy 09 Novembre 2009 ity. Hanehoan’ Andriamanitra ny Voninahiny hatrany anie ny fiainantsika mba hahafantaran’ny maro fa Andriamanitra Velona mitahiry ny Teny Fikasana mandrakizay ho an’izay rehetra mandray Azy Izy.

 

Maharitra amin’ny Finoana ,izany indray no ifampizarantsika sy hifampaherezantsika amin’ ity anio ity. Finoana izay fahatokiana ny zavatra ho avy sy tsy hita nefa antenaina ny hahatanterahany. Ary izany no mitarika amin’ny faharetana koa rehefa mahavita ny Sitrapon’ Andriamanitra ny olona.

Inona ary no tian’ny Soratra Masina  ampitaina amintsika indray amin’izany ?

 

1-NY MAHARITRA  AMIN’NY FINOANA  NO AKAIKIN’ANDRIAMANITRA

Ny maharitra amin’ny finoana no azo lazaina fa akaikin’Andriamanitra,fa ny fanatitra samihafa izay naterina dia niverimberina kanefa tsy nanome vahaolana hanafaka amin’ny fahotana fa nampahatsiaro fotsiny fa mpanota ny olona.

 

 Fa Andriamanitra nanome an’ i Jesoa Kristy izay niaina sy nahita ny fahalemen’ny zanak’ olombelona ka nanolorany ny tenany indray mandeha monja tsy miverina teo amin’ny hazo fijaliana sy nitsangan-ko velona ho fanavotana ny maro.

 

Tamin’io fanoloran-tenan’i Jesoa io, dia mifanaraka tsara amin’ny fankatoavana vaovao sy ny finoana ho an’izay rehetra  hijoro ho vavolombelon’ny fanavotan’Andriamanitra.

 

Na iza na iza manaiky sy mino ny hanaraka an’i Kristy dia mandray koa ny vokatry ny famelan- keloka  ary tsy hisy sakana hanatonany an’Andriamanitra noho ny finoana. Izany no hanambarana fa ny maharitra amin’ny finoana no akaikin’Andriamanitra.

 

 Faharetana amin’ny finoana mba hahazoana izay lazain’ny Teny Fikasana ny amin’ny famonjena rehefa vita ny Sitrapon’Andriamanitra.

 

Eo anatrehan’ny zava-misy  iainana, dia  toa mahatsiaro mitondra hazo fijaliana isan’andro ny mpino ary toa mahatsapa aza fa mafy izany,ao ny fanenjehana mihatra,ny eso,ny fandatsana , ny fankahalan’ny namana,ny aretina izay toa zary fizahan-toetra mahamay ,ny tsy fahampiana sy ny tsy fisiana sy ny hafa koa. Dia mahita koa aza fa ireo izay toa tsy miraharaha ny fivavahana  sy lazaina fa tsy mino no toa zary miadana sy milamindamina.

 

 Fa ho an’ny mino tokoa dia zary mavesatra ireny raha lavitra an’i Jesoa Kristy,fa raha Izy no ekena sy inoana  ka manana faharetana amin’izany,ny manao ny Sitrapon’Andriamanitra dia akaikiny tokoa ary tsy mandao Izy. Izany no nahatonga ny mpanao Salamo nahazo toky, ka nanao hoe :saika solafaka ny diako raha nahita ny ratsy fanahy ambinina. Soa teo ny finoana.

 

Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ny loza  fa nampanantena antsika kosa ny fiadanana ary miantso ho amin’ny faharetana amin’ny finoana ka tsy hampisalasala fa akaikin’ny mino isan’andro Andriamanitra ary ny Teny fikasany dia ho tanterahiny tokoa amin’izay mino.

 

2- NY MAHARITRA AMIN’NY FINOANA DIA TSY MIHEMOTRA

 

Ny Soratra Masina dia mampirisika ny mino rehetra hanana faharetana,ka milaza fa isika tsy naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana, fa naman’izay mino kosa ho amin’ny famonjena ny fanahy. Marobe no mitady hatrany ny fiainana vaovao nefa tsy vonona ny hiady amin’ny faharatsiana sy hanavao ny fanoloran-tenany ho an’ny Tompo.

 

Tsarovy ry havako ary aza gaga isika hoe :nahoana no miha-vitsy ny mpivavaka any amin’ny fiangonana samihafa ?nahoana no toa tsy mampiraika ny maro intsony ny fivavahana,fa zary anaran-tsy very sisa ny maha-kristiana ? tsy vitsy ny olona no mahavita manandra-peo fa lany andro mankany amin’ny fiaraha-mivavaka fotsiny hihaino kabary tsy valiana sy anatranatra ranofotsiny, ny mankany aza dia mizara roa ka ao ny mihevitra fa ny hahita ny namana sy hiresadresaka ary mba hanao « relax » e !nefa koa ao ny tena mitady an’Andriamanitra marina tokoa.

 

Lasa aiza ny maro ? any amin’ny lanonana samihafa, any amin’izay mahafinaritra ny saina sy tsy misy sakantsakana, fa izany no lazaina fa alavoly. Marina tokoa izany,fa amin’ny Soratra Masina dia vitsy ny manaraka ny finoana satria ety ny fidirana mankao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra,be pitsopitsony ,fitsipika toa zary tsy manome fahafahana fa mangeja indray aza. Izao anefa raha raisina amin’ny finoana, ny fitsipika sy fepetra samihafa toy izany dia arofanina ho fiarovana mba tsy hidirana amin’ny fakam-panahy. Ny tena fitsipika ? Ny Fitiavana sy ny Finoana Iainana.

 

Fa any ivelan’izany kosa malalaka sy migodana ny làlana sy ny fidirana mankany ka maro no mizotra ho amin’izany làlana izany.

 

Fa ny mino kosa dia tokony hanana faharetana amin’ny finoana mba hahazoany izay lazain’ ny Teny fikasana dia ny fahasoavana sy ny fiadanana. Ary izany no mitarika azy hahajoro tsara amin’ny finoana tsy mihemotra. Ny tsy manana fanantenana no mihemotra sady tsy mahazo antoka izay inoany akory aza,ka sady tsy maharitra no mihemotra hatrany izy. Fa ny mino kosa mitoetra mahatoky sy tsy mihemotra amin’izay inoany satria azo antoka ny Teny Fikasan’Andriamanitra.

 

Ary izany no anambaran’Andriamanitra ny Sitrapony isan’andro mba hahatonga antsika hahajoro tsara, fa ny mino dia marina amin’ny asa ataony koa. Ny finoana dia iainana sy ampiainana antsika isan’andro ary izany no hafatra ho antsika mba tsy hampihemotra antsika fa hananana faharetana mba handraisana hatrany ny Fitahiana.

 

 

Dia ho feno ny Fitahian’Andriamanitra anie ry havako ny andronao rehetra.  

Dernière mise à jour de cette page le 09/11/2009

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum