ALAKAMISY 04 MARS 2010.NY MOFON'AINA:MIFANDRAY NY LANITRA SY NY TANY

 

ALAKAMISY  04 MARS 2010

 

         « Ary indro ,Izaho momba anao ka hiaro anao amin’izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray amin’ity tany ity ;fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao. » Genesisy 28.15

 

NY MOFON’AINA

 

GENESISY  28.10-15  HIRA  471

 

MIFANDRAY NY LANITRA SY NY TANY

 

Ry havako,

Hampitomboin’Andriamanitra ho anareo mandrakariva anie ny Fiadanana. Faly mamangy sy miarahaba anareo indray amin’ny alàlan’ny mofon’aina ifampizarantsika. Ary na aiza na aiza handraisanareo izany dia hitondra fahasoavana ho anareo anie ny fifampizarantsika toy izao.

 

Mifandray ny lanitra sy ny tany, izany no foto-kevitra raisintsika anio. Ny fahitan’i Jakoba ilay tohatra lava nipaka hatrany an-danitra sy ny fisian’ireo anjely niakatra sy nidina tamin’izany, no mampiseho fa tsy misaraka amin’ny olony Andriamanitra. Ity fisehoana tao Betela (Tranon’Andriamanitra)ity dia tsy aiza fa  manakaiky ilay toerana nananganan’i Abrahama Alitara tamin’ny nanaovan’Andriamanitra fanekena taminy fa homeny azy io tany io. (Genesisy 12.8)

 

Mifandray ny lanitra sy ny tany ka:

 

1-MANEHO NY FIAROVAN’ANDRIAMANITRA NY OLONY

Jakoba ilay lehilahy nahitana olàna samihafa teo amin’ny fiainany hatramin’ny nahaterahany, ny fakana ny tsodranon’Isaka izay tokony ho an’i Esao, ny toetra tsy dia nahomby loatra kanefa, dia olona nahay niaiky ny tsy fahombiazany sy ny helony teo anatrehan’ Andriamanitra.

 

Tratry ny sarotra indray izy eto, naniry ny hody nefa eo aloha Esao mikendry ny ainy noho ilay toetra nataony, ny hanina tsy misy. Jakoba mibebaka, ary nahatsiaro ny tsy fahamendrehany rehetra. Teo amin’io toerana natao hialany sasatra noho ny alina io no nisehoan’ny fahitana. Lanitra misokatra, ny tohatra lava, ny anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina. Teo no nahatsapany fa amin’ny toerana rehetra Andriamanitra sy mahita ny atao rehetra fa izy no tsy nahalala.

 

Teo no nandrenesany indray ny teny fanomezan-toky fa momba Azy Andriamanitra ary manatanteraka ny teny fikasany sy ny fampanantenana natao tamin’i Abrahama. Mifandray amin’ny mpanota mibebaka (ny tany) eto Andriamanitra (ny lanitra) ka manome toky fa tsy mandao.

 

Jakoba nibebaka nitady ny fiarovan’Andriamanitra sy ny fiantohana ny ainy mba tsy iharan’ny fahatezeran’i Esao rahalahiny; eny nitady antoka momba ny fiainany rehetra. Andriamanitra manome toky fa hanatanteraka izany fiantohana izany.

 

Ny fiantohan’Andriamanitra ny olona izay maneho ny fifandraisan’ny lanitra sy ny tany no tena fifaliana sy fahasambarana azo antoka.

 

Mba firy tokoa moa ny olona no mahatsapa fa amin’ny toerana rehetra sy manatrika ny fiainan’ny olona ary mahita ny atao rehetra Andriamanitra? Firy ny olona no mahadinika fa ao amin’Andriamanitra ihany no antoka tsy miova miaro amin’ny faharatsiana sy ny loza ary ny setrasetra samihafa? Eto dia mampahatsiaro izany ity fisehoana hitan’i Jakoba tao Betela ity ary miantso ny olona sy ny mino rehetra  hatoky fa tsy mandao izay matoky Azy Andriamanitra.

 

2-ANDRIAMANITRA MANOME TOKY SY FAMPANANTENANA

 

Teny mahafaly azon’i Jakoba sy nolazaina taminy dia:tsy handao azy Andriamanitra, hiaraka aminy mandrakariva, hamerina azy eo amin’ny tany izay efa nampanantenaina, tsy mivaona amin’ny teny fikasany.

 

Eo anilan’ny mpanompony sy ny matoky Azy hatrany Andriamanitra ary tsy mamitaka sy tsy miova. Ny fitahiana sy ny fahasoavan’Andriamanitra hihatra amin’ny taranaka fara mandimbin’ izay mino Azy. Andriamanitra miteny dia manatanteraka ka nilaza tamin’i Jakoba koa fa avy amin’ny taranany (tao amin’i Jesoa Kristy) no ho fitahiana ny firenena rehetra noho ny finoana .

 

Ry havako, moa tsy fifaliana ho antsika ve ny mahalala fa raha mino tokoa isika , dia momba antsika Andriamanitra ary tsy mandao antsika na dia amin’ny sarotra indrindra aza.

 

Anio ary diniho ny Soratra Masina iray manontolo, dia ho hitantsika fa maneho izany fitahiana izany avokoa no voambara ao ary raha mino isika dia ho tanteraka amintsika koa izany.

 

Inona ary no ataontsika  sy ho lazaintsika amin’izany hoe: momba antsika Andriamanitra?

Dernière mise à jour de cette page le 03/03/2010

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum