ALAROBIA 10 MARS 2010
NY MOFON’AINA
GENESISY 26.1-5 HIRA 461
ANDRIAMANITRA MANAMAFY NY FANEKENY AMIN’NY
Ry Havana,
Homban’Andriamanitra ny Fitahiany hatrany anie ianareo ary hanamafy ny Fanekeny sy ny Teny Fikasany aminareo tokoa anie Izy.
Ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’Isaka no maneho ny fitohizan’ny Teny Fikasany sy ny Fitahiany ho an’ny taranaka mifandimby izay mino.
Tratry ny mosary indray mantsy ny faritra nitoeran’Isaka zanak’i Abrahama. Nikasa ho any Egypta indray izy satria noheverina fa any no vahaolana amin’ny famonjena ny aina tsy ho fatin’ny mosary. Andriamanitra anefa manoro làlana vaovao hanavotana azy ho afaka amin’ny mosary ka nandefa azy tany amin’ny tany atao hoe: “Gerara” amin’ny faritra andrefan’i Jerosalema iny (ny tanin’ny Filistina rahateo no nihavian’ny anarana hoe Palestina). Ny fankatoavan’Isaka io baikon’Andriamanitra io no namonjy azy.
1-IZAY
Izany no hitantsika eto amin’ity Soratra Masina ity. Andriamanitra tsy miala amin’ny Teny nampanantenainy ary nanome toky fa homba ny taranak’izay
Hevero fa ny tanin’ny Filistina dia tsy lavitra noho Egypta sady nisy hanina rahateo. Notovìn’Andriamanitra ny fampanantenany ka afaka nifanaraka tamin’ny mpanjakan’ny Filistina Isaka ary nahazo nonina teo amin’ny taniny.
Diniho izany fitondran’Andriamanitra ny matoky Azy izany, averiny hatrany ny fanekena nataony tamin’i Abrahama rainy fa homba azy sy hitahy azy ary hahamaro ny taranany tokoa., sady ho
Dia toy izany koa ry havako, isika raha tena
Fa matetika moa ny olona no miroaroa saina sy miovaova mandrakariva nefa Andriamanitra ao amin’i Kristy Ilay tsy miova no mamerina sy mampahatsiaro hatrany ny Teny Fikasany amin’izay mino Azy mba hitobahan’ny fanambinana ary hahafahana koa manome Voninahitra Azy. Andramo ka izahao fa ho tanteraka aminao koa izany raha mino ianao. Fa raha tsy
2-IZAY
Na dia nananontanona sy nandindona aza ny mosary dia tsy nanahirana an’Isaka sy ny ankohonany izany noho ny fankatoavany ny Tenin’Andriamanitra.
Tsy nanahirana azy mihitsy ny fizahan-toetra sy ny fitsapana ary na ny fahoriana sy ny loza satria nanaiky ny baiko sy izay fitondran’Andriamanitra izy ka nieren-doza ary nahita fahavelomana.
Nahoana moa no sahirana sy tsy mahita izay vahaolana marina ny maro na eo amin’ny fiaraha-monina, na eo amin’ny ankohonana? Toa misalasala mandrakariva, izao ihany anefa raha tena matoky sy manaiky ny fandaminan’Andriamanitra sy miaina izany amin’ny finoana marina ny olona dia hahita ny fanambinana sy ny vahaolana sahaza omen’ny Tompo.
Jereo na hevero ny zava-manjo ny firenentsika, mianjady ny fahasahiranana samihafa, ny korontana ary toa very fanahy mbola velona ny maro satria izay atao rehetra toa zary olàna miteraka olàna hafa indray. Ny mpitarika mihevi-tena ho manana ny fahalalana rehetra ary ny tarihina koa mizarazara sy mihevitra fa ao aminy koa ny mety hahitana lalan-kizorana. Vokany miditra amin’ny kihon-dalana sarotra ny olona tahaka ilay mosary nananontanona tamin’ny andron’Isaka. Izao ihany anefa no vahaolana tsara indrindra:
Ny Fiverenana amin’Andriamanitra ka tsy hihevi-tena ho manana ny marina rehetra, ary hahatsiaro koa ny tsy fahombiazan’ny hevitr’olombelona. Mitady ny fibebahan’ny isam-batan’olona Andriamanitra; ary mitady ny fiekena fa ny olona dia tsy afaka hamaha olana ny tenany manokana fa mila an’Andriamanitra Velona.
Ny fiheverana fa mety hivaha ny olana araka ny hevitr’olombelona, dia mbola hisosoka indray ny olana hafa. Raiso ho toy ny fitaizan’Andriamanitra ny zava-manjo antsika, ary ekeo ho fizahan-toetra mba hiverenantsika marina amin’Andriamanitra.
Raha miaiky izany ny olona rehetra manomboka eo amin’ny mpitarika sy izay mihevitra ho manana ny marina ka mihaino ny Feon’Andriamanitra, dia tsarovy fa Izy Andriamanitra tsy mivadika amin’ny Teny Fikasany fa hamaly sy hitahy izay mihaino sy
Meteza ary hiverina amin’Andriamanitra Avo Indrindra ary henoy ny Feony ka araho ny Sitrapony izay ambaran’ny Soratra Masina dia ny: fibebahana, ny fitiavana, ny fanoloran-tena, ny fanetren-tena sy ny hafa koa. Raha manao izany isika dia homba sy hitahy tokoa Andriamanitra.
Ho tanteraka tokoa anie izany fiverenan’ny maro aminAndriamanitra izany.
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum