NY MOFON'AINA:MANDEHANA ARAKA NY FANAHY

 

 

ALAROBIA  23 DESAMBRA 2009  

 

NY MOFON’AINA

 

GALATIANA  5.16-26         HIRA 179

 

MANDEHANA  ARAKA  NY FANAHY

 

Ry havako,

 

Ho fenoin’Andriamanitra ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra anie ianao sy ny ankohonanao,ary dia faly indray mitsidika sy mamangy anareo amin’ny alàlan’ity fifampizarantsika ny mofon’aina ity.

 

Mandehana araka ny fanahy dia tsy hahatanteraka ny filàn’ny nofo ianareo, fa ny nofo manohitra ny fanahy. Tsy ny nofo no tokony hifehy ny fanahy na ho hararaotina amin’ilay fiteny hoe:mbola nofo ihany moa na ny hoe ny fanahy mety ihany fa ny nofo no tsy manankery.

 

Ity mofon’aina anio ity dia fampianarana nataon’ny Apostoly Paoly ho an’ny kristiana tao Galatia ary miampita amintsika ankehitriny koa  izay milaza fa nantsoina ho amin’ny fahafahana isika mpino, kanefa izany fahafahana izany tsy hararaotina handehanana amin’ny fomba baranahiny sy gaboraraka akory.

 

Fa inona ary no tian’ny Soratra Masina ambara amintsika amin’izany  ary  toetra manao ahoana no tokony hiveloman’ny mino ?

 

1-NY  OLONA  ARAKA  NY FANAHY MANOHITRA NY ASAN’NY NOFO

 

Na dia tsy hazavaina aza izany dia mazava ho azy fa mifanohitra ny nofo sy ny fanahy. Kanefa dia tsara ny mamerina izay lazain’ny Soratra Masina ny amin’ity lazaina fa asan’ny nofo ity, mba hisorohana ny fihevereana diso, ka hahatonga ny hafa  hamono tena indray aza.

 

Fa miharihary ny asan’ny nofo hoy ny apostoly, dia izao : Fijangajanaga midika ny filalaovana sy ny fahavetavetana ary tsy mihevitra afatsy ny filàn’ny tenany fotsiny, tsy mihevitra ny hafa aza. Moa tsy efa miseho lany etsy sy eroa moa izany ankehitriny, na amin’ny sarimihetsika na amin’ireny tranokala isan-karazany ireny, toy izany koa ny fampanofana vatana eny amoron-dalana, ny fampirafesana sy ny hafa koa ? Ao anatin’izany rehetra izany ny fahalotoana samihafa hatramin’ ny haingo mahamenatra sy mamoafady aza izay natao hisintonana ny hafa hanaraka ny filàna.

 

Fijejojejoana, tsy misy intsony ny henatra  fa hahanjahanja  amin’ny fomba fitafy tsy maotina sy ny toetra tsy mendrika. Tsaroako tany ambanivohitra indray andro, nalefa nianatra tany an-tanàn-dehibe ity zazavavy iray, kanjo rehefa nody  tamin’ny fotoanan’ny fialan-tsasatra, akory ny hagagan’ny ray aman-dreny fa niova fitafy ity nantenaina ho amin’ny ho avy tsara kokoa, nanao mini-jupe, ny juste au corps etsy an-daniny. Hoy ny rainy taminy, mahamenatra ity fitafinao anaka. Kanefa dia nahazo valiny maharary ny rainy hoe :varotra ny ahy ry dada raha hividy koa ianao tsy maninona. Izany no fijejojejoana sy ny fahalotoana.

 

Ambonin’izany  rehetra izany ny filalaovana ody ratsy (fanompoan-tsampy, ny fanova-maso, ny magies samihafa, ny fijerena vintana sy anjara amin’ny fomba samihafa toy ny karatra, ny fanontaniana ny maty sy ny hafa koa). Ny fandrafiana, ny adilahy, ny avonavona sy ny rehaka momba izao fiainana izao.

 

Tsaroanao moa rehefa tafahaona ny mpisotro toaka, tsy mety afapo raha tsy mamo tsy mahatsiaro tena ny sasany, ary amin’izany dia mbola mirehaka ka mihevitra fa tsy misy toa azy ety ambonin’ny tany ( adikao anie ilay teny miboredika tsy fantatra iny fa mitovitovy amin’izao : aho ro aho, na izaho no izaho) nefa amin’izany  very hatramin’ny maha-olona.

 

Nisy fety indray andro teo amin’ny tanàna niasako fahizay, mamo ilay lehibe manan-kaja mitondra ilay toerana, niboredika tsy nisy ohatra izany, ka ny tolom-piavotana lasa tolom-piavonana, ny voaloboka lasa vonimboka. Dia hoy ilay olona iray izay, tsy maha-lehibe ity rano mahery ity fa mampiteniteny foana.

 

Mbola betsaka ny azo lazaina, fa izao : raha tarihin’ny Fanahy Masina sy velona amin’izany ny mpino, dia tsy ho voasarika, na hirona, na hanaiky ny filàn’ny nofo ka hampietry ny maha olona azy sy ny Voninahitr’Andriamanitra. Hiezaka ny hanohitra sy handà izay mety hampivarina amin’ny fahambanian-toetra koa.

 

Fa izay tarihin’ny Fanahy i Kristy izay efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filàny teo amin’ny hazo fijaliana , dia hahajoro tsara ka  ho sahy hanohitra sy hiady amin’ny asan’ny nofo izay tsy mahavoka-tsoa.

 

Tsy midika izany fa tsy tokony hitafy sy hihinana na hanao izay tokony hatao eo amin’ny fiaraha-monina ny mpino, nefa kosa hifady ny ratsy rehetra ka haneho ny endrik’Andriamanitra izay efa natafiny ny olona.

 

2- NY OLONA MANDEHA ARAKA  NY FANAHY DIA OLONA AFAKA

 

Efa nohafahan’i Kristy ny mpino ary nomena ny Fanahy Masina mba hiaina marina izany fahafahana nomena izany.

 

Ny fiainana eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina no mitondra koa ho amin’ny fahamendrehana sy miaina ny fahasoavan’Andriamanitra. Inona moa izany atao hoe olona  afaka mandeha sy velomin’ny Fanahy Masina izany ?

 

Nantsoina ho amin’ny fahafahana, tsy voafehin’ny filàna maha nofo, na ho voahodinkodina  ka hanana toetra tahaka ny bibidia sanatria (hoy ny Soratra Masina). Tena olona miaina sy tarihin’ny herin’ ny Fanahy Masina ary ny vokatr’izany no manome ny Fitiavana.

 

Raha velon’ny Fanahy isika,dia aoka andeha araka ny Fanahy fa io Fanahy Masina ao anatintsika  no milaza fa zanak’Andriamanitra isika.

 Inona avy moa ny toetra sy fomba fiaina mendrika hataon’ny olona velon’ny Fanahy izany ?

 

Ny Vokatry ny Fanahy dia :Mifanompo amin’ny fitiavana, mahay mifampihaino fa tsy hiziriziry amin’ny hevitry ny tena manokana na dia hita fa tsy mety aza. Olona mahay mandefitra fa tsy mieboebo sy te-hibaikobaiko sy hihevitra ho mahavita ny zavatra rehetra samirery.

 

Olona manana fifaliana, ka ny asany rehetra dia ataony amin’ny fifaliana sy ny fitiavana fa tsy natao ho fisehoana ivelany fotsiny. Manana fahamoram-panahy, tsy mialona, tsy mpirehareha, tia fihavanana (fiadanana), olona mahonon-tena fa tsy feno fitsiriritana sanatria.

 

Ireo amin’ny ankapobeny no ilaina hananan’ny olona  izay velomin’ny fanahy. Tsy olona hihevitra ny hafa ho tsinontsinona koa anefa, ka hilaza fa ny tena ihany no manana ny fahafenoana sy ny fahatanterahana  ka hihevitra ny sasany ho tsinontsinona.

 

Raha nitory ity Soratra Masina ity ny mpitoriteny iray , dia hoy izy tamin’izay : tsy filazanao fa  kristiana ianao na ny fiheveranao fa fifohazana sy mpiandry akory no hanaovanao ny hafa  ho olona araka ny nofo, fa ny fisehoanao amin’ny toetra sy ny fiaina mandeha araka ny Fanahy ka mampihatra izay lazain’ity Soratra Masina ity eo amin’ny ataonao isan’andro, dia ho hitan’ny olona fa mpino kristiana marina ianao.

 

Aza raisina amin’ny fomba ivelany sy toy ny ravoravo natentina ny maha-mpino sy ny fandraisana ny Fanahy Masina ary ny fivelomana izany.

Tsy hanao toy ilay olona nandray fampianarana hafahafa  izay, ka nolazaina taminy fa tsy misy ilàna azy ity tontolo misy ity fa aleo mijery ny any an-danitra. Inona no fampianarana nalentika tao amin’ireo olona ireo ? Aza mijery izao tontolo izao, hatramin’ny Télé, ny Radio sy ny fianarana avy nafoy fa lazaina fa an’izao tontolo izao. Dia hoy ilay mpanao teny vosobosotra hafahafa izay :koa maninona raha miboridana, dia aza mihinan-kanina intsony ary aza miara-monina amin’ny olona  fa efa fanahy mandehandeha ianareo izany.

 

Izany mantsy no vokatry ny fandraisana vilana ny Soratra Masina ary tsy mahafantatra ny tokony hatao intsony fa lasa manao rebik’ondry. Natao eto amin’izao tontolo izao isika ary isika no haneho ny hasarobidin’ny Filazantsara ka hitaona ny maro handray izany mba hivelomany tokoa eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina.

 

Mba ho isan’izay ho tena Vavolombelona marina tokoa anie isika ry havako ka handeha amin ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.

 

Samia ho Tahian’Andriamanitra ry havako.

 

 

Dernière mise à jour de cette page le 22/12/2009

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum