ALAKAMISY 11 MARS 2010
« Voahombo miaraka amin’i Krsity amin’ny hazo fijaliana aho,ary tsy izaho intsony no velona fa Kristy no Velona ato anatiko. » (Galatiana.2.20 a)
NY MOFON’AINA
GALATIANA 2.11-21 HIRA FF.29
KRISTY VELONA AO ANATY
Ry havako,
Homba anareo mandrakariva anie ny Fahasoavan’i Jesoa Tompo ary handray ny Fitahiana hatrany anie ianareo eo am-pandraisana ity fifampizarantsika ity na aiza na aiza toerana hahazoanareo izany.
Ny Kristiana mino marina tokoa fa Jesoa no Mpamonjy sy antoky ny fahavelomana no hahatsapa koa fa niara-voahombo teo amin’ny hazo fijaliana niaraka tamin’i Kristy izy Ny fahavelomany dia tsy velona ho an’ny tenany fotsiny fa Kristy mihitsy no ataony Velona ao anatiny. Miankina indrindra amin’ny fankatoavana sy ny fanamarinan’Andriamanitra noho ny finoany izany.
Andriamanitra mihitsy no
1-VOAHOMBO MIARAKA AMIN’I KRISTY
Tena fijoroana ho vavolombelona sy fanekena fa Kristy mihitsy no nisolo heloka ny mpanota teo amin’ny hazo fijaliana , ary ny mino rehetra dia tokony hahatsapa fa miara-mihombo amin’i Kristy noho ny fahotany izany. Kristy dia maty noho ny fahotantsika.
Ny fihomboany teo amin’ny hazo fijaliana no nandrava ny efitry ny fisarahana eo amin’ny olona samy olona ary tsy misy ny fanavahana fa
Nisy fifandirana tokoa mantsy teo amin’ireo andraikitra samihafa izay nosahanin’ny apostoly, ka Petera dia nihevitra fa izy mbamin-dry Jakoba dia natokana ho an’ny Jiosy fa Paoly kosa ho an’ny tsy Jiosy.
Ninia tsy nahalala zavatra hafa teo aminareo afatsy Jesoa Kristy aho, ary voahombo miaraka aminy teo amin’ny hazo fijaliana. Ny fototra lehibe indrindra, dia ny fanekena fa maty noho ny fahotantsika Kristy, ary ny fahafatesany sy ny fitsanganany nahavokatra ho antsika dia ny fiainana mandrakizay.
Ny olona rehetra no tokony nohelohina ho faty teo amin’ny hazo fijaliana saingy Kristy no nisolo voina antsika noho izany. Ary avy amin’izany no nahavoahombo ny rehetra koa teo amin’ny Hazo tamin’ny alàlan’i Kristy.
Lesona ho antsika avy amin’izany, dia tsy ny fombafomba, na ny anarana na ny fiamboniana na ny fahaizana sy ny fihaviana na ny fari-pananana toy izay nisy tany Galatia no andraisana ny famonjena sy ny fiainana, fa ny fanekena fa nentin’i Kristy ny fahotana rehetra ary voahombo teo amin’ny hazo niaraka Taminy ny olona ary raha mino dia hahazo fiainana. Ary izay mino no manana fiainana mandrakizay.
Meteza ary handray sy hanaiky fa maty noho ny fahotantsika Krsity ary voahombo niaraka Taminy teo amin’ny Hazo fijaliana isika ka hamarinina noho ny finoana.
2-KRISTY VELONA AO ANATY
Izany no fijoroana ho vavolombelona faharoa, tsy nisy natao ho velon-ko an’ny tenany ny mino, fa velona mitondra ny anaran’i Kristy eo amin’ny fiainany ary raha maty dia maty noho ny finoana ka manantena ny fiainana ao amin’i Kristy koa.
Tsy fahamarinana noho ny asan’ny lalàna no hanamarinana ny olona fa noho ny Fahasoavana, satria niara-maty tamin’i Kristy izy dia mino koa fa hiara-belona Aminy.
Ny fahaveloman’ny mino dia fahavelomana miaraka amin’i Kristy ao ao anatiny satria Kristy no anton’ny hahaveloman’ny mino.
Ry havako asehoy eo amin’ny fiainana isan’andro eo amin’ny atao; eo anivon’ny fiaraha-monina; eny na aiza na aiza ary indrindra eo amin’ny fiombonana eo amin’ny fiangonana sy ny fanatanterahana ny Asan’Andriamanitra ao amin’ny fiangonana fa velona ao amin’i Kristy koa ianao.
Mba hahatonga antsika handray ny fanamarinan’Andriamanitra ary dia meteza hivelona amin’ny finoana an’I Kristy.
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum