FISAORANA

Ry havana,

Homba anareo mandrakariva anie ny Fahasoavan'i Jesoa Tompo.

Ny Mpitandrina Jean d'Elinivo Emmanuel mivady sy ny zanaka aman-jafiny rehetra ary ny FJKM Champigny sur Marne , dia maneho etoana ny Fisaorana sy ny Fankasitrahana feno anareo rehetra na ny lavitra na ny akaiky izay tonga nanotrona sy niara-nanome Voninahitra an'Andriamanitra ary nanolotra tsodrano tamin'ny fanompoam-pivavahana natao androany 29 Novembre 2009 teto Champigny izay fandraisan-tanana sy fametrahana ny Mpitandrina Jean D'Elinivo Emmanuel mivady ho mpitandrina raikitra eto.


Tolorana Fisaoran araka izany ianareo rehetra ry havana:

Ny Filoha sy ny Biraon'ny Mpiandraikitra Foibe FJKM izay nahitana ny solontena nanatrika teto

Ny Mpikambana ao amin'ny Mpiandraikitra Foibe izay tonga teto.

Ny Filoha mpanampy sy ny Bieraon'ny Synodma-paritany FJKM 37 Vato Fehizoro Ampitandranomasina

Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana ato amin'ny Synodam-paritany izay nahatonga Solontena:

1-Wagner 2-Montrouge Vaovao 3- Nantes La Fraternité 4-Gland 5-Bordeaux

Ny Fiangonana rahavavy hafa izay nahatonga solontena izay tsy voatonona araka ny anarany avy.

Isika rehetra avy eto Champigny(Birao,Mpihevidra

haraha,Mpandray ny Fanasan'ny Tompo,ny Fiangonana manontolo )

Ao ireo nikasa ny ho avy nefa noho ny antony samihafa dia tsy afa-nanoatra

Ao ireo rehetra nitondra tamim-bavaka sy izay rehetra nahatsiaro

Mankasitraka indrindra ry havana, fa "Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino ny soa nataonareo ho Voninahitry ny Anarany"

Tsy hahavaly fitia toa zaza izahay ry havana, fa Andriamanitra manan-karena amin'ny zavatra rehetra no hanambina sy hamaly izay nataonareo ho an'ny mpitandrina sy ny fiangonana.

Amin'ny anaran'ny Mpitandrina mivady izay maneho ny fankasitrahana anareo rehetra ry havana miaraka amin'ny FJKM Champigny sur Marne.

Jean D'ELINIVO Emmanuel
  Mpitandrina,mivady
Dernière mise à jour de cette page le 30/11/2009

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum