ANDRIAMANITRA NO MIASA AO ANATINAREO

TALATA     10   NOVEMBRE  2009

 

NY  MOFON’AINA

 

FILIPIANA 2.12-18        HIRA  396

 

« MIASA  AMIN’NY TAHOTRA SY NY HOVITRA HAHATANTERAKA NY FAMONJENA ANAREO. » 12b

 

ANDRIAMANITRA NO MIASA  AO ANATINAREO

 

Ry havako malala,

 

Hampitomboin’Andriamanitra ho anao sy ny ankohonanao ary izay rehetra miaraka aminao hatrany anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana.

 

Faly mitsidika ny tokantranonao sy amin’izay toerana misy anao indray amin’ny alàlan’ity fifampizarantsika ity,ary dia mankasitraka anao indrindra amin’ny fahavononana handray ny mofon’aina anio.

 

Raha vao mamaky io andininy faha-12b amin’ny Filipiana 2 io isika,dia toa lasa eritreritra ihany hoe :nahoana no hampihorohoroina amin’ny tahotra sy ny hovitra toy izany ny olona ? Angaha izy tsy afaka hiasa amin’izao raha tsy atao toy izany ?

 

Marina tokoa izany,fa eto ny filazana tahotra dia  tsy midika fa hisy zavatra hianjera sy mitatao eo ambony loha ka hitondra io tahotra sy hovitra io raha tsy miasa. Tena miankina amin’ny tsirairay sy ny finoana tokoa izany,ary ny asan’ny finoana dia aseho amin’ny atao ka izany no mahatonga ny Apostoly hiteny eto.

 

Ny tahotra eto dia tsy horohoro fa tena ny fankatoavana sy fanajana izay inoana ,nefa koa fanekena fa manana ny Hery sy ny Fahefany Andriamanitra ka toky ho hajaina sy hankatoavina hahatanteraka  ny Sitrapony  ho famonjena. Izany indrindra no tohin’io fehezan-teny io.

 

Fa na iza na iza milaza ho mpivavaka na amin’Andriamanitra velona izay  tonga tao amin’i Jesoa Kristy izany, na ireo heverintsika ho mpanompo sampy koa aza, dia manana fahatokiana fa misy ny Herin’Ilay Mpahary izay tsy takatry ny saina ka tokony hankatoavina sy atahorana ary hajaina na dia tsy fantatra aza.

 

Ary izany no nahatonga ny fiteny malagasy hoe :Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary ao an-tampon’ny loha ;ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra no mahatahotra, ary na dia ireo grika nivavaka sy nanao sarin’andriamani-dahy sy andriamani-bavy tany Atena aza dia mbola nanao alitara manokana ka nataony hoe :ho an’Izay Andriamanitra tsy fantatra,ireny fanajana ireny, ny tahotra, no nahatonga ny Apostoly hiteny tamin’izy ireo hoe :fantatro fa fatra-pivavaka ianareo,ary nahita alitara iray natokana ho an’izay Andriamanitra tsy fantatra aho,io Andriamanitra tsy fantatrareo io no toriako aminareo.

 

Fa eto kosa dia hafatra ho an’ny mpino rehetra ny hanehoana ny finoana amin’ny asa atao mba hahatanteraka ny famonjena sy ny fanaovana ny Sitrapon’Andriamanitra indrindra ; fa hoy Paoly Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. Izany indrindra no tsy tokony hanamaivanana ny finoana sy ny fiantsoana fa hanaovana ny asan’Andriamanitra amin’ny fahitsiana , ny zotom-po , ny zotom-panahy  ary ny fitiavana satria Andriamanitra no miasa ao anaty. Fa rehefa tsy Izy moa no miasa ao amin’izay lazaina fa mino,dia tsy misy tokony hilazana hoe :miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena…fa Andriamanitra no miasa.

 

Ny hafatra ho antsika ary anio dia :

 

1-MIASA HANEHOANA FA ANDRIAMANITRA NO MIASA AO ANATIN’NY MINO

 

Ny asa ataon’ny mino dia asan’Andriamanitra araka izay efa nambara ombieny ombieny,ary  asa tanterahiny amin’ny fifaliana sy ny fitiavana hanehoany ny Voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny ataony rehetra isan’andro. Tsy asa zara fa vita ,na ala-safay  na atao toy ny fomba sy hanehoana hoe : nanao   fa tena Asa anehoana ny Asan’Andriamanitra sy Izy miasa ao amin’ny mino indrindra.

 

Mampandini-tena mihitsy ry havako ity lazain’ny Apostoly ity ,fa hay moa raha Andriamanitra tokoa no miasa ao amiko, inona no mahatonga ahy tsy dia marisika na eo amin’ny asako isan’andro na eo amin’ny asan’ny fiangonana fa zary lasa noheveriko ho toy ny didy sy tsy maintsy atao fotsiny,lasa « corvée » hoy ny fiteny.

 

Hay tokoa moa izaho izay efa novonjen’i Kristy dia manana zo feno koa haneho izay famonjena izay sy ny asan’Andriamanitra ato anatiko mba ho hita ety ivelany ho fanehoako ny Voninahitr’Andriamanitra,fa ny tsy fanaovako izany no toa milaza avy hatrany koa, fa nanafoana ny Asan’Andriamanitra tato anatiko aho na nampangina izany,ka na ny fikasana na ny fanaovana dia ny nahafaly ahy sy ny metimety amiko no nataoko fa tsy ny an’ny Tompo.

 

Tsy dinidinika moraly na resa-panahy fotsiny izany ry havako.Fa ny olona mahatsiaro ho voavonjy sy efa navotan’i Kristy dia sahy manatanteraka asa tsara,ary ny Apostoly no nanome ohatra velona tamin’izany , fa misy tokoa manome nefa mitombo harena sy fananana ihany,fa misy fatra-pahihitra nefa toa tsy mahazo tombony firy akory.

 

Ezahin’ny mino mahatoky ny hanao ny asany rehetra hifanaraka tsara amin’ny Sitrapon’ Andriamanitra ary eo no tokony hitoeran’ny tahotra sy hovitra sao tsy vita izay anjara napetraky ny Tompo amin’ny tena.

 

Ny asa tanterahina, na amin’ny asa andavan’andro izany na eo amin’ny asan’ny fiangonana dia tsy ny olona eo akaiky no jerena ka hanaovana hoe :menatra aho,matahotra,na inona no nataon’i ranona na i ranona ?Fa aoka  ianao sy ny Tompo ihany no hifanontany. Tsy hiteny na hanery koa ny hafa tahaka ilay mihôgahôga amin’ny fanaovana solde eny an-tsena koa anefa, fa tsy nahalafo ka toy ny manery ny hafa nefa ny tena tsy manao. « Izany no tonga amin’ny fiteny fahiny tany amin’ny lanonam-pamadiana indray maka  hoe :midira ny nasaina rehetra, ny sasany tsy nanao inona fa niandry fotsiny avy eo no nantsoina hoe :midira ny nandre siosio »,toy ny siosio no anaovana ny  asa na an-davan’andro na ny asan’ny finoana fa tsy zary fiainana . Aza ho isan’izay mandre siosio ry havako fa raiso amin’ny finoana fa Andriamanitra no miasa ao anatintsika na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny Sitrapony.

 

Tsy ratsy akory ny tahotra sy ny fanajana ,kanefa atao amin’ny fitiavana ka haorina eo amin’ny tahotra sy ny fanajana an’Andriamanitra sady tsy azo kianina raha ahafahantsika miteny ka hanara-dia an’i Jesoa Kristy, ka hanao toa Azy hoe :Vitako ny asa nanirahan’ny Ray Ahy.Amin’izany dia tsy hamela antsika ho irery Andriamanitra fa Izy no miasa ao anatintsika na amin’ny fikasana na amin’ny fanaovana hahatanteraka ny Sitrapony.

 

Nahatsiaro efa nandray ny famonjena ?Tena fantatra marina tokoa ve hoe Mino an’i Jesoa kristy ho Mpamonjy ? Andeha tsy hatao zara fa vita ny asa izay napetraky ny Tompo amintsika fa atao amin’ny Fitiavana sy ny zoto fa izany no maneho fa vavolombelona mahatoky ny mpino. Aza raisina ho ny asam-piangonana ihany izany fa eo amin’izay ataontsika isan’andro koa.

 

Fa ny fanetren-tenan’i Kristy ka nanaovany ny Sitrapon’ny Rainy no nanandratan’Andriamanitra Azy sy handraisany ny mino mahatoky rehetra koa ho eo amin’ny Voninahiny rehetra ary tsy amin’ny ho avy ihany izany, fa raisina dieny izao,ka tokony hiasana amin’ny tahotra sy ny hovitra.

 

2-ANDRIAMANITRA NO MIASA AO ANATIN’NY MINO IAINANY NY FAMONJENA

 

Tsy misy fifaliana toy izany ry havako,dia ny hahafantarantsika fa hay tokoa moa Andriamanitra no miasa ao anatintsika,ary manatanteraka ny vavaka izay ataontsika hoe « ampitafio ny Zanakao izahay Andriamanitra,ary tsy izany ihany fa  maneho koa  fa zanak’Andriamanitra ny mino vonon-kiasa sy miaina ny famonjena ary maneho tokoa ny endrik’Andriamanitra eo aminy.

 

Ny fanambarana eto amin’ity Filipiana ity dia maneho ny fifaliana amin’ny andron’ny Jesoa Kristy izay ampianarin’ny apostoly, ny fitohizan’ny fifankatiavana mandrakizay.Manantena ny fifaliana sy ny fiadanana mandrakizay koa ho an’ny mino rehetra izay nahatoky.

 

Izany tokoa no hanatanterahan’ny Tompo ny teny fikasany hoe :midira amin’ny fifalian’ny Tomponao,vonona hatrany sy miaina sahady ny famonjena sy ny fiadanana izay efa nampanantenainy fa tsy andrasana amin’ny ho avy akory izany.

 

Marina fa tsy hoe tonga lafatra avokoa ny zavatra rehetra ataon’ny mino ety an-tany ka tsy misy azo kianina, kanefa ny fibanjinantsika ny ho avy mandrakizay dia mamboatra koa lalana vaovao izay hanomezan’Andriamanitra fiainana ho an’izay miasa  ho fijoroany ho vavolombelona amin’ny fanaovany ny Sitrapon’Andriamanitra..

 

Izany no mahatonga ny Apostoly hilaza fa ataovy ny zavatra rehetra tsy amin’ny fimonomononana sy ny fisalasalana fa tsy mahatomombana ny Asan’Andriamanitra ao anatin’ny mino izany.

 

Ho tanteraka aminao koa anie ry havako ny fifalian’ny fanjakan’Andriamanitra  amin’ny maha-zanak’Andriamanitra anao izay manao ny Asany tokoa eo amin’ny fiainanao isan’andro amin’ny fitiavana sy ny fahatsoram-po hahatanteraka ny Sitrapon’Izy Andriamanitra izay miasa ao anatinao .

 

Aza matahotra fa ho tanterakao tokoa izany raha inoanao fa ao aminao Kristy.

 

 

 

 

Dernière mise à jour de cette page le 10/11/2009

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum