NY MOFON'AINA :NANOMBOKA ASA TSARA TAO AMIN'I KRISTY

ZOMA  27 NOVEMBRE 2009

 

« Ary matoky indrindra aho fa izay nanomboka asa tsara tao aminareo no hahatanteraka izany mamdra-pihavin’ny andron’i Jesoa Kristy » Filipiana 1.6

 

NY MOFON’AINA

 

FILIPIANA 1.1-11          HIRA 432

 

NANOMBOKA  ASA TSARA TAO AMIN’I KRISTY

 

Ry havako,

 

Andriamanitra izay efa nanomboka ny asa tsara tao aminao anie no hahatanteraka hatrany izay irinao ho Voninahitry ny Anarany,ary tsy ho anao ihany fa ho an’izay rehetra matoky Azy koa.

 

Faly indrindra mihaona aminao amin’ny alàlan’ity fifampizarantsika ity ary ho an’izay rehetra mandray izany koa na aiza na aiza.

 

Nanomboka asa tsara tao amin’i Kristy ary ho tanterahina hatrany mandra-pihaviny ho Voninahitry ny Anarany sy hanehoana ny finoana mafy orina  amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Izany indray no ifampaherezantsika anio. Ireto ary no azontsika amintinana izany fanombohana asa tsara ao amin’i Kristy izany.

 

1-NANOMBOKA TAMIN’NY NANDRAISANA AN’I KRISTY

 

Feno fifaliana ny Apostoly Paoly na dia any an-tranomaizina aza no nanoratra ho an’ny kristiana tany Filipy,  noho ny fahafantarany miaina amin’ny finoana sy miombona tsara amin’ny fampandrosoana ny fitoriana ny Filazantsara ny olona tany. Tonga zava-maivana taminy ny fifatorana raha nandre ny fijoroana  ho vavolombelon’ny finoana tao amin’ireo kristiana ireo izy. Eto dia tena vavaka nataon’i Paoly manokana ho an’ireo kristiana nandray ny Filazantsara sy mampandroso izany,mba hitomboan’ny fitiavan’izy ireo sy ny asa marina ataony ho Voninahitr’Andriamanitra.

 

Tena zava-dehibe  ry havako ny finoana tafatoetra marina ary mirehitra amin’izay atao hoe fijoroana ho vavolombelon’Ilay efa nanomboka asa tsara tao anaty,na eo amin’ny fiangonana izany na amin’ny atao andavan’andro. Tsy zava-maivana na tsinontsinona tokoa mantsy ny fijoroana ho vavolombelona fa hanehoana ny hatsaran’Ilay efa niantso sy nanomboka asa tsara tao anaty, nefa koa dia fanantenana ny  zavatra ho avy ka hananana faharetana amin’izany.

 

Jesoa nanomboka asa tsara teo amin’ny olona. Izy ilay nanaiky hatramin’ny fahafatesana sy nandresy io fahafatesana io,  ka nitondra ny finoana  velona ao anatin’ny olona ny amin’ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay teny fikasana tsy mivaona fa tsy maintsy ho tanteraka tokoa.

 

Manomboka amin’ny fandraisana an’i Kristy ny fanaovana ny asa tsara amin’ny atao isan’andro,ary tena fiovam-piaina mihitsy izany. Ny Fanahy Masina miasa ao amin’ny mpino no manetsika azy hiara-mientana hanao asa tsara sy hampandroso ny  Filazantsara tsy an-kiato.

 

Ny tena fiangonana velona sy mpino miaina marina amin'ny finoana dia tsy mijanona fotsiny tsy mihetsika fa mandroso hatrany. Hafa noho izany anefa no fahitantsika matetika ,satria tsy vitsy ny olona mafana fo am-boalohany ary tena vonombonona hanao zavatra tokoa, nefa dia miha-malaina sy mangatsiaka aza aty aoriana.

 

Eto anefa ny Soratra Masina dia maneho amintsika fa ny andro namangian'Andriamanitra ny olona dia efa fanombohan'ny asa tsara ary mila tohizana  hatrany. Dia tahaka izany koa ny fijoroana ho vavolombelona sy ny Fitoriana ny Filazantsara  ataontsika.

 

Tsarovy ry havako fa azonao atao tsara ny mijoro ho vavolombelona sy mitory ny Filazantsara amin'io asa ataonao isan'andro io,dia amin'ny fanaovana asa tsara sy marina ary maneho ny maha mpino mahatoky tokoa.Fa misy koa anefa izay nandray antso manokana ka mizotra ho eo amin'ny fanatanterahana izany amin'ny andraikitra manokana izay omen'ny Tompo azy.

 

Paoly dia natoky sy nivavaka fa ilay nanomboka ny asa tsara tao anatintsika no hahatanteraka  izany mandra-pihavin'ny Tompo indray.

 

Meteza ary ry havako hihazona ny hafanam-po amin'ny fijoroana ho vavolombelona sy hitoetra mahatoky amin'ny finoana izay efa nanekentsika an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy antsika.

 

2-MAHARITRA MANDRA-PIHAVIN'NY TOMPO

 

Jesoa Kristy no fiandohana sy fiafaran'ny zavatra rehetra,ary ny fiainana mandrakizay sy ny fahatsarana rehetra koa no kendrena sy tanjon'ny Tompo ho antsika. Nanomboka asa tsara tao amin'ny mino Kristy satria Izy Ilay efa tia hatramin'ny voalohany no niasa ary rehefa tiany dia tiany hatramin'ny farany.Ny tanjona sy faran'ny zavatra rehetra dia ny fiainana izay efa nomanina ho an'ny mino rehetra ary ho tanterahiny tokoa izany amin'ny fotoana voatendry amin'ny fiaviny indray.

 

Tsy eritreritra sy fampitonena ny fijaliana ary ny fahasahiranana misy ankehitriny izany fa tena azo antoka sy marina.Ny Tompo tsy niova,tsy miova ary tsy hiova amin'ny teny nampanantenainy dia hahatanteraka izany tokoa. Ary rehefa nanomboka asa tao amin'ny mino Izy dia ataony lavorary sy tanteraka izany,Izy koa no mbola miantso ny rehetra hanatona Azy amin'ny finoana sy ny fanantenana."Mankanesa aty Amiko ianareo izay miasa fatratra sy mavesatra entana ,fa Izaho hanome anareo fitsaharana".

 

Tsy teny fotsiny izany fa fiainana ary tsy tenenina fotsiny ny filazana hoe:sitrak'Andriamanitra ny niantsoany ny mpanompony raha misy olona nodimandry,tsy filazana fotsiny ny hoe:amin'ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty, fa tena hisy ary ho tanteraka sady izany koa no fanekem-pinoan'ny mpino mahatoky.

 

Raha mpiara-miasa amin'Andriamanitra tokoa ny mpino rehetra dia manahaka an'i Kristy izay nanao ny zavatra rehetra tamin'ny fitiavana, ary dia toy izany koa hanefa izay anjara tandrify eo amin'ny asa fijoroana ho vavolombelona.

 

Paoly dia nahatsapa ny fifaliana noho ny fandrosoan'ny finoana sy ny Filazantsara tao Filipy, ka natoky fa ho tanterahin'ny Tompo tokoa ny teny fikasany.

Dia ho toy izany koa isika ry havako, ho sahy sy hirehitra amin'ny fanompoana sy ny fijoroana ho vavolombelona. ka hanao toa an'i Paoly hoe:Tsy izaho intsony no velona fa Kristy novelona ato anatiko ary izay ivelomako ankehitriny dia ivelomako amin'ny fanantenana ny voninahitry ny zanak'Andriamanitra. 

 

Dia ho tanteraka tokoa anie izany ka hiasa ao amin'ny mino hatrany ny Tompo hahatanteraka ny sasa tsara rehetra.

 

Tahian'Andriamanitra ry havako.       

 

Dernière mise à jour de cette page le 27/11/2009

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum