Fihaonana tany Gland

Fijorana ho any Gland

  • Ny sabotsy 16 Mey 2009

Niainga vao maraina teo aminy Porte d'Orléans ny Mpiara-mivavaka nentin'ny car lehibe ho any Gland. Efa lasa mialoha ireo namana nandeha taminy fiarany .

Niato kely nisakafo vao nijotra indray ho any Suisse.                                                                                 

Samy nivimbina izay voarain'ny tanany ary dia nifampizarana tamim'pirahalahina ny sakafo antoandro.

Tonga soa ! nohon'ny fitahin'Andriamanitra tao aminy toeram-pilasina . Ary dia feno fifaliana nohon'ny fandraisan'ireo

havana tompo-toerana.      

Natomboka taminy fanompoam-pivavahana fisaorana an'Andriamanitra noho izao fihaonana lehibe izao sady voalohany aty

amin'ny Fitandremana FJKM Gland. Tonga niara-nilasy ny Pasteur RANDRIAMORA Max mivady, Filohan'ny

Synoda-paritany "Vato Fehjizoro Ampitandranomasina". Tonga nilasy koa Pasteur RAFALINIRINA Lalao Angèle,

Mpitandrina Déléguée ao amin'ny Fitandremana Nantes.

Pasteur RABEARISON Lalasoa no nanonona hira sy nitari-bavaka :

"Endre ny hamaroan'ny soa

nomenao, Ray, ahy koa..."

 

Fiarahana misakafo sy hira no nifarimbonan'ny mpinakavin'ny finoana ny hariva

Fanompoam-pivavahana lehibe tao amin'ny FJKM Gland

  •  Ny alahady 17 Mey 2009

Dernière mise à jour de cette page le 25/05/2009

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum