|
Natomboka tamin’ny Vavaka ho an’ny Tanindrazana ny Fanompoam-pivavahana anio. Ny Mpitandrina Rafalinirina Lalasoa Angèle no nitarika ny Fiangonana tamin’izany. Nohiraina ny hira 734 , namaky andalany avy amin’ny Baiboly ny Mpitandrina. Taorian’izany dia nanonona Vavaka izy nametraka an’i Madagasikara eo an-tànan’ny Ray mba hiverina soa any fifankatiavana sy ny filaminana. Noraisina tao aminy Perikopa ny Vakiteny : Isaia 55 : 1-5 ; Jaona 6 : 34-40 ; II Korintiana 2 : 14-17. Marihina fa Alahadin’Baiboly koa ny andro anio |
DIMANCHE 08 FEVRIER 2009 Le Culte a été consacré, dans sa première partie, à la prière pour Madagascar. L’Eglise s’est jointe à la fervente adresse du Pasteur Rafalinirina Lalasoa Angèle demandant à notre Seigneur sa Grâce pour que l’Amour et la Paix reviennent dans le pays. La lecture de la Bible a été faite selon le Péricope du jour qui est aussi le Dimanche de la Bible : Isaïe 55 : 1-5 ; Jean 6 : 34-40 ; II Corinthiens 2 : 14-17 |
ALAHADY 08 FEBROARY 2009
Alahady 15 Febroary 2009 Alahady fiaraha-mivavaky ny FJKM aty Ampitandranomasina – Synodam-paritany 37 anio. Tonga na nandefa solontena ny Fitandremana rehetra : Champigny, Gland, Montrouge, Wagner, nandefa solontena koa ny Zanaky ny FJKM any Belgique. Pasteur RAKOTONIRINA Charles, Mpitandrina ny FJKM Montrouge no nitarika ny fotoana. Pasteur RAFALINIRINA Lalao Angèle, Mpitandrina ny FJKM Nantes, no nitondra ny Tenin’Andriamanitra. Pasteur D’ELINIVO Jean Emmanuel, Mpitandrina ny FJKM Champigny sy Pasteur RABEARISON Lalasoa, Mpitandrina ny FJKM Gland, no namaky ny Soratra Masina. Pasteur RAZAFIMAHEFA Edmond, Mpitandrina miadidy ny Faritra Atsimon’i Frantsa, no nitarika ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo. Naseho sy natolotrin’ny Filohan’ny Fiaraha-miasa SP37sady Mpitandrina ny FJKM Wagner, Pasteur RANDRIAMORA Max, ny Fiangonana ireo Mpitandrina rehetra ireo. Vao tonga avy any antanindrazana tokoa mantsy izy ireo ary voatendry hitandrina eo anivon’ny Synodam-paritany 37. Nomarihiny manokana tamin’izany ny fandaharan’Andriamanitra sy ny fitahiny ka nanolorany ireto Mpitandrina manan-karena traikefa ireto hampiroborobo ny Fiangonany aty ampitandranomasina. Natsangan’I Pasteur D’ELINIVO sy noraisin-tànana teo anatrehan’ny Fiangonana koa ireo vadin’ny Mpitandrina. Nantsoin’ny Filohan’ny Fiaraha-miasan’ ny SP 37 hiseho amin’ny Fiangonana koa ireo mpiara-miasa aminy hatramin’ny nijoroan’ny Synodam-paritany; Dimanche 15 Février 2009 C’est le Dimanche choisi par le Synode Régional 37 pour s’unir dans un culte commun qui a rassemblé toutes les Eglises FJKM en dehors de Madagascar : Champigny, Gland, Montrouge, Wagner, ainsi que les Enfants de la FJKM de Belgique. M. le Pasteur RAKOTONIRINA Charles, pasteur de la FJKM Montrouge, a conduit le culte. Mme le Pasteur RAFALINIRINA Lalao Angèle, pasteur de la FJKM Nantes, a apporté le message et l'encouragement de la Parole Sainte. M. le Pasteur D’ELINIVO Jean Emmanuel, pasteur de la FJKM Champigny et Mme le Pasteur RABEARISON Lalasoa, pasteur de la FJKM Gland, ont fait la Lecture de la Bible. M. le Pasteur RAZAFIMAHEFA Edmond, pasteur responsable des Eglises du Sud de la France, a conduit la Sainte Cène. M. le Pasteur RANDRIAMORA Max, président de la Communauté de travail du Synode Régional 37 et pasteur de la FJKM Wagner, a ensuite présenté les Pasteurs affectés aux Eglises de ce Synode. Il a souligné en cette occasion le dessein particulier de Dieu et sa Bénédiction car Il a réservé pour ces Eglises des Bergers riches d’expériences. Le Pasteur D’ELINIVO a tenu également à présenter à l’Eglise et à saluer les épouses et l’époux de chacun d’entre eux. Tandis que le Président de la Communauté de travail du Synode 37 a présenté ses collaborateurs depuis la création de cette instance.
TORITENY Pasteur Jean D'ELINIVO Emmanuel
|
TORITENY Ramatoa RAFALINIRINA Lalao Angèle, Mpitandrina ny FJKM Nantes Alahady 15 Febroary 2009 Mbola ho ampitomboina ho aminareo anie, ry havana, ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jeso Kristy Mpamonjy. Amena Ny tenin’Andriamanitra izay hiarahantsika mandray ny hafatra sy hifampaherezana amin’izao fiombonana fiaraha-mivavaka izao dia izay efa novakina tamintsika teo : ny filazantsaran’I Jaona 10 : 22-30 Misy fiteny malagasy manao hoe : “tsy mino hono maty raha tsy avy mandevina”. Hilazàna ny olona izay tsy mba mety mino izay zavatra lazaina aminy izany , na tsy mba mety manaiky raha tsy efa avy manantanteraka zavatra anankiray, na koa raha tsy nahita ny masony, raha tsy nitsapa ny tanany. Tsy mba mety manaiky, tsy mino izy. Ireto Jiosy ireto dia mihoatra noho izany fa na dia nandre aza ny sofiny tamin’ny fampianarana nataon’I Jeso na tamin’ny toriteny nataony ombieny ombieny momba ny antony nahatongavany, ny asa izay ho tanterahany, na dia nahita aza ny masony, nahita ireo fahagagana marobe toy ny fanasitranana ny marary , ny famokisana ny noana. Ary eo amin’ity toby ity dia tsy lavitra akory ( manomboka ery aminy and faha 9 ery) dia Jeso nanasitrana ilay lehilahy teraka jamba , saingy tsy mbola nino ireto Jiosy ireto. Ary izay no lazain’ilay teny hoe : “ misalasala” , “ambara-pahoviana no ampisalasalanao anay, raha ianao no Kristy, lazao marina aminay”. Ny hevitry ny tenin’ny Jiosy dia fanontanianan an’i Kristy: “Ianao ve no Kristy? Ianao ve no Mesia ? Teny iray ihany ny “mesia” sy ny “kristy”, ny dikany aminy teny Malagasy dia “voahosotra”, mifandray aminy teny grika ny kristy, mesia dia teny hebreo. Ny Jiosy dia niandry ny Mesia fatratra hamonjy azy. Jereny ny zavatra nataon’i Jeso dia hoy izy hoe : “ Ity tokoa ilay Mesia Ho afaka ny fahantrana satria tonga ilay mpamoky ny noana, hivaha ny olana rehetra satria tonga ny mpanasitrana”. Velom-bolo ny kamboty sy ny manano-tena satria samy miramirana avokoa izy rehetra raha nahita an’i Jeso nankasitraka ilay vehivavy manano-tena Tonga ny Mesia, tsy azo adinoina koa anefa fa raiki-tapisaka,ao amin’ireto Jiosy ireto ary tsy afaka tao an-tsainy ny fijerena an’ Jeso araka ny nofo, ka miverina foana ny hoe : “Tsy ity ve ilay zanak’i Maria sy Josefa mpandrafitra ? Tsy Jakoba ve no rahalahiny ? Tsy izao ve ilay nataony fony izy …? Izany no fomban’ny olona rehefa te-hanatsatso na hamingavinga mpanompon’Andriamanitra izy. Ka hita izany na dia amin’izao vanin’andro ankehitriny izao aza : ilay lasan’ilay olona no mbola ankehitrininy fa tsy tsaroany ny asan’Andriamanitra ao aminy Fiangonana izay mety mitondra fanavaozana ho an’ny olona. Mipetraka indray ary eto ny fisalasalana : “Ianao va no Kristy ?” Efa nazava ny valintenin’I Jeso : “Efa nilaza taminareo aho, hoy Jeso, fa naninona ianareo ? Tsy mino ianareo ! Efa nanao asa aho hoy Jeso, ary nataoko taminy Anaran’ny Raiko ireny asa rehetra ireny. Jereo eo aminy andininy 11. Fa adi-hevitra be teo aminy Jiosy mantsy, raha nahasitrana ilay lehilahy teraka jamba i Jeso : “Avy aminy demonia no nanaovana izany !”. “Tsy mino ianareo !”, hoy Jeso Nataony i Jeso daholo izay fomba rehetra mety handresy lahatra ny Jiosy na taminy fitenenana izany na taminy alalan’ny asa izany na taminy alalan’ny fahitana izany. Fa tsy nety nino ny Jiosy : “Tsy mino ianareo !”. Ny antony dia tsotra ihany: “Tsy isan’izay ondriko ianareo, hoy Jesoa, tsy nino ianareo satria tsy isan’izay mpanaraka ahy, ka na inona na inona lazaiko, na inona na inona ataoko, dia izao ihan : tsy misy dikany aminareo izany, satria tsy mino ianareo” Tsy misy dikany aminy olona tsy mino tokoa ny asan’ Andriamanitra. Na dia misy fahagagana be toy inona aza miseho eo aminy fiainany, dia raisiny toy ny zavatra mpitranga ihany izany, raisiny toy ny kisendrasendra ihany izany, na raisiny toy ny hoe sendra: hasard izany. Fa ho an’ny olona izay matoky sy mino an’Andriamanitra na dia izay zavatra kely sy bitika indrindra eo aminy fiainany aza dia tsapany foana fa tànan’Andriamanitra no nametraka izany teo aminy fiainany. Ny olona tsy mino, na inona na inona zavatra mitranga eo amin’izay atao hoe asan’Andriamanitra eo aminy zava-boary, aminy dia “logique” izany, na inona na inona asan’Andriamanitra eo amin’ny Fiangonana, dia tsy misy dikany aminy izany. Ny olona manao izany aza dia heveriny ho adala, mandany vola sy fotoana. Fa isika kosa dia mahatsiaro sy mahita tsirony fa manao rakitra ao anaty vilany tany , manao rakitra any an-danitra, fa hoy ny Soratra Masina hoe : “Fa tsy foana akory ny fikelezanareo aina ao aminy Tompo”. Koa isika izay manao ny asan’Andriamanitra no mahita ny valim-pitia avy Aminy. Ary tsy mbola nisy olona nanompo an’Andriamanitra ka banky rovitra na tsy manana hani-ko hanina intsony. Fa teo amin’izay nanompoany an’Andriamnaitra izay no nahitany fifaliana Noho izany ny finoana no andraisantsika ny famonjena ataon’Andriamanitra amintsika. Raha tsy hananantsika io finoana io, tsisy fantatsika ny zava-mitranga eo aminy fiainantsika. Ny finoana no hamakintsika ny asan’Andriamanitra eo amin’ny fiainana, ny finoana no maso andinihantsika ny hoe mety misy asan’Andriamanitra indray nataony teo aminy fiaianako tamin’ity androany ity. Manarak’izany, iza koa no mbola azontsika hanononana an’i Jeso : “Andriamanitra” Izy. Ny andiny 27-30 dia famintinana izay lazain’ny and 11-15 : Jeso milaza ny tenany ho “mpiandry tsara”. Nampisalasala ny Jiosy izany satria ny hany afaka miteny hoe “mpiandry tsara” ao aminy Soratra Masina dia tokana ihany : Andriamanitra. Jereo salamo 23. Ny hevitry ny tenin’i Jeso izany dia izao : “Andriamanitra aho”. Sarotra aminy Jiosy ny hanaiky izany satria hitany araka ny nofo Jeso ary tsy izy ireo ihany no tsy manaiky an’i Jeso ho Andriamanitra , fa ao koa ny silamo, ny témoins de Jehovah, ny mormons. Be dia be ireo antokom-pivavahana izay tsy manaiky an’i Jeso ho andriamanitra ary na dia kristiana toa antsika aza dia mbola misy ny misalasala : tena Andriamanitra tokoa ve Jeso ? Zanak’Andriamanitra Izy sa zanak’i Maria sy Josefa Izy ? Fa misy kosa tena tsy mahalala mihitsy fa Andriamanitra Jeso. Ny filazàn’i Jeso ny toetran’ny ondry sy ny mpiandry eto dia mampatsiahy ny fifamatoran’izy roa tonta : and.27 : “Ny ondriko, hoy Jeso, mihaino ny feoko, andaniny, izao mahalala azy, ny ondriko, hoy Jeso, manaraka Ahy, andaniny, Izaho manome azy fiainana, izy tsy ho very fa Izaho hitazona azy aminy tànany. Tsy vitan’ny hoe mifankahalala na mifankazatra fotsiny Jeso sy ny ondriny fa miafara aminy atao hoe fiombonan’ aina. Misy fiombonana lalina teo aminy Jeso sy ny ondriny. Izay miafara aminy fiaraha-monina mandrakizay izany. Dia hoy Jeso : “Ary tsy misy haharombaka azy eo aminy tanako”. Asehon”i Jeso Kristy fa Izy no manana ny fahefana hanome ny olona izany fiainana mandrakizay izany. Izy no manana ny fahefana hampiditra ny olona ao aminy fanjakan’Andriamanitra. Ny olona omeny izany ihany no hanana ny fanjakan’Andriamanitra, ny olona izay hampidirrin’i Jeso ao anatin’izany ihany no tafiditra ao anatin’ny fanjakan’Andiamanitr. Tsy izay olona manao hoe izaho te-hiditra ao akory, tsy izay olona rehetra te-hiteny izany akory, fa izay olona omen’i Jeso fahefana ihany no tafiditra ao amin’io fanjakan’Andriamanitra io Ny olona izay manaraka an’i Jeso, ny olona izay mino ihany, izany no hanana ny fanjakan’Andriamanitra ary fahefan’i Jeso irery izany. Ary izany dia tena fahefan’Andriamanitra Ray ihany koa satria Andriamanitra Ray no tompon’ny fahefana. Ary dia marina ny tenin’i Jeso manao hoe : “Izaho no làlana sy fahamarinana ary misy afaka makany aminy Ray raha tsy aminy alalako”. Ary izany no antony nitenenan’ ny apostoly Paoly ny amin’I Jeso Kristy tamin’ny mponina tany Athena hoe : na dia efa mivavaka aza ianareo, na dia efa mahalala andriamanitra isan-karazany aza ianareo dia tsy ampiditra anareo aminy fiainana mandrakizay izany. Ny ampiditra anareo aminy fiaianana mandrakizay dia ilay tena Andriamanitra ao amin’i Jeso Kristy, ilay maty sy ilay nitsangana taminy maty ka hananareo fiaianana mandrakizay. Tsy izay tononon’ny olona ho andriamanitra akory dia ho andriamanitra, tsy izay lazain’ny olona hoe ity mahavonjy anao akory, dia hahavonjy anao. Fa Jeso Kristy, ilay Andriamanitra naharesy ny fahafatesana no hahavita izany. Ka raha misy olona maniry hanana fiainana mandrakizay, tsy te-hahita fahafatesana intsony, dia ao amin’i Jeso Kristy, ilay nandresy ny fahafatesana Izany no antony hijorontsika Fiangonana , isika Kristiana aty ampitan-dranomasina : hampahafantatra ny mpiara—monina amintsika fa misy tokoa ilay tena Andriamanitra velona izay mitondra fiainana, dia Andriamanitra ao amin’i Jeso Kristy. Ary hasehontsika aminy alalan’ny fijoroana fa tsy amin’izay zavatra kisendrasendra ny finoantsika an’Andriamanitra; ohatra ny tany Amerika: andavan’andro ny antitra no mameno ny fiangonana, fa rehefa tonga ny 11 septambra, dia ny filoham-pirenena mihitsy no niantso hivavaka : ny finoantsika an’Andriamanitra dia tsy isaky ny fisehoan-javatra toy izany, fa ny finoantsika an‘Andriamanitra dia fiainana isan’andro ary manonme aina ho antsika isan’andro. Eto am-pamaranana : ny olona rehetra dia samy manana ny hajo fijaliany avokoa Misy ny mahazaka ny azy, misy ny tsy mahazaka. Ny tsy mahazaka dia mimenomenona, ka isaky ny mimenomenona izy dia manaisotra kely amin’ilay hazo.eran’ny lalany. Mby teo amin’ny tànana izay alehany ary ny olona dia tonga teo amin’ny ilay antsana tsy maintsy hiampitana; dia samy nametraka ny hazo fijaliany ny olona, nametraka ny iray natao tetezana , tafita izy, fa ilay nanapaka ny azy kosa dia tsy tafita satria fohy loatra ny hazony ka latsaka tany aminy antsana. Ny sarin’ny hazo fijaliana dia hitantsika fa Jeso Kristy no maty teo ambony hazo fijaliana hamonjy ny olona mba hanany fiainana. Ka raha nisaraka amin’i Jeso Kristy, ilay Tomponao sy Mpamonjy anao ianao, ilay tena Andriamanitra manome fiainana isika, dia tsy afaka andova ny fiainana mandrakizay. Enga anie isika rehetra ireto tsy hisy na dia iray aza ho very fa rahatrizay tonga any aminy lanitra dia hifankahita daholo, ka hifampilaza hoe : indreto izahay Kristiana tany Champigny, tany Montrouge, tany Nantes, tany Suisse, tany Wagner, fa nitondra ny hazo fijalianay foana izahay, nitondra an’i Jeso Kristy teo aminy fiainanay izahay ka nanana ny fiainana mandrakizay . Amena |
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum