Febroary 2009

Vavaka Madagasikara 080209ALAHADY 08 FEBROARY 2009

Natomboka tamin’ny Vavaka ho an’ny Tanindrazana ny Fanompoam-pivavahana anio. Ny Mpitandrina Rafalinirina Lalasoa Angèle no nitarika ny Fiangonana tamin’izany. Nohiraina  ny hira 734 , namaky andalany avy amin’ny Baiboly ny Mpitandrina. Taorian’izany dia nanonona Vavaka izy nametraka an’i Madagasikara eo an-tànan’ny Ray mba hiverina soa any fifankatiavana sy ny filaminana.

Noraisina tao aminy Perikopa ny Vakiteny : Isaia 55 : 1-5 ; Jaona 6 : 34-40 ; II Korintiana 2 : 14-17. Marihina fa Alahadin’Baiboly koa ny andro anio

DIMANCHE 08 FEVRIER 2009

Le Culte a été consacré, dans sa première partie, à la prière pour Madagascar. L’Eglise s’est jointe à la fervente adresse du Pasteur Rafalinirina Lalasoa Angèle demandant à notre Seigneur sa Grâce pour que l’Amour et la Paix reviennent dans le pays.

La lecture de la Bible a été faite selon le Péricope du jour qui est aussi le Dimanche de la Bible : Isaïe 55 : 1-5 ; Jean 6 : 34-40 ; II Corinthiens 2 : 14-17

 

  ALAHADY 08 FEBROARY 2009   TORITENY Pasteur Jean D'ELINIVO Emmanuel

Mbola ao anatin’ny Loha-hevitra hoe « Mitondra aina ny Finoana » isika anio.

Raha namaky tsara ny Soratra Masina teo isika dia hahitantsika fa ny Mino izay tena mandray fiainana tokoa, dia tsy mijanona fotsiny amin’izao fa tsy maintsy misy ny olona  manaraka azy. Satria fantatry ny olona fa io olona mino io dia misy fiainana koa izay zarainy. Izay no voalazan’Isaia teo hoe : “ ny firenena izay tsy fantatrao no hanatona anao” Satria efa nomen’Andriamanitra voninahitra ianao, Andriamanitra miaraka amin’ny olona izay mino Azy, ary teny fampanantenana izany. Satria anio dia alahadin’ny Baiboly eran-tany dia mifanandrify indrindra amin’izany Alahady izany ny hoe : ny Boky 66 dia milaza fiainana , tsy hoe tantara fotsiny ihany, na boky tsotra fotsiny ihany fa avy amin’ny Tenin’Andriamanitra io no hahatanterahantsika sy hatakarantsika fa mitondra fiainana ny Finoana.

   Raha mamaky any Jaona 6, Jeso Kristy manambara ny tenany ho mofon’aina ary ny olona rehetra mihitsy no ambarany sy hanehoany ny fitahina sy ny fahasoavany ary dia hanasany ny olona rehetra koa izany mba hifidy fiainana satria ny fanambarana fiainana dia aseho amin’ny fomba hatakaran’ny maro azy. Jaona 6, izay antsoina hoe Filazantsaran’ny Fitiavana dia hahitantsika fa rehefa namoky olona tsy omby dimy arivo ny Tompo dia avy amin’iny zava-nisy iny no nampitany ilay fiainana mandrakizay ka nanaovany hoe : “Izaho no mofon’aina”; Ka raha olona ao anatin’ny hanoanana kosa moa no hilazany izany hoe “ Izaho no mofon’aina, izay mihinana Ahy tsy ho faty mandrakizay , Izaho no rano velona , izay misotro Ahy, tsy hangetaheta intsony”,  dia raisiny ara-bakiteny izany ka rehefa indro fa tonga ilay mofon’aina dia omeo anay izany mofo izany hoy izy, omeo anay izany rano izany. “Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra mba tsy ho faty izay rehetra mihinana azy”.  Tsy ho faty mandrakizay, fa misy fiainana sy fanantenana omen’Andriamanitra azy.Fa izay rehetra mandray sy mihaino ny tenin’Andriamanitra tokoa dia mahazo fiainana ary hahazo izany tsy eto ihany fa santatra ny eto. Ny korontana any Madagasikara, ohatra : ny mpitarika manao hoe” izaho mangeteheta,  mitady toerana ".., fa ny olona dia noana . Raha teo tokoa Jesoa Kristy no niteny hoe “Izaho no mofon’aina dia tsy nisy nandeha nirotaka ny olona. Fa tsy niainan’ny olona ilay Tenin’Andriamanitra, dia lasa nibolisatra ny olona.

Eto Jeso Kristy dia manambara ny tenany amin’ny hoe : mofon’aina ary fiainana ny finoana. Fampiarana mivantana ny fampianarana nataony tamin’ny alalan’ny fanomezana hanina ny olona marobe io sady fomba hanehoana ny zavatra tsy hita , ho tonga  azon’ny olona raisina tànana ity amabaran’ny Jeso Kristy eto

Misy koa anefa diso fandray ilay hoe fandraisana   fiainana sy hoe finoana  ny Tenin’Andriamanitra. Tonga ny misionera tany amin’ny faritany bara fahiny  nitory : mibebaha ianareo , ity no tena fiainana, izay mino an’ity dia ho velona mandrakizay, izay mino ity dia hahita fiainana .  Aminy ry zareo anefa ny teny hoe mino dia mihinana no dikany. Satria ao amin’ny Soratra Masina dia misy miteny hoe :”Endre ny hamamin' ny teninao nanandramako, fa mihoatra ny tantely ato ambavako”. Ezekiela dia niteny hoe “nohaniko ny oronan-taratasy”.  Inona ny zava-niseho ? Nozaraina ny Baiboly. Tsy nazavain’ ny misionera ny fomba fampiasa io Tenin’Andriamanitra io, fa hoy izy : “na inona na inona no mahazo anao dia ity ihany hatokisana”. Afaka iray volana taorian’ny nahalasan’ny misionera, nisy aretina nandalo. Inona no natan’ny olona , nandrahoiny ny Baiboly, nataony lasopy. Dia nosotroiny ary dia sitrana tokoa ry zareo. Nony niverina ny misionera dia nahita ny hevi-dison’ireto olona ireto. Diso, tsy izany no fandraisana ny Tenin’Andriamanitra, tsy hanina. Fa inona no hambarany ao ? Izay no raiso. Izay no lazain’I Jeso Kristy : “Izaho no mofon’aina, foto-piainan’ny olona amin’ny maha-olona Ahy,  ampiarina sy amin’ ny fiainana eo amin’ny faneoana mandrakizay

Ary izany dia ny fiainana iray manontolo nomen’Andriamanitra amin’ny finoana. Tahak’izany ny rano, fiainana ny rano. Any Israel ny rano no atao hoe aina. Raha azo atao aza dia tsitsina mafy , vidina lafo satrria aina;. Izay fiainana izay no nasehon’i Jeso Kristy tamin’ny alalan’ny Tenany.  Izany hoe ny fakatoavanao ny sitrapon’Andriamanitra sy ny tenin’Andriamanitra ary ny  finoanao azy no hanananao fiainana.  Jeso Kristy manambara ny tenany dia Andriamanitra mihitsy no miantoka ny fitahina  sy izany fiainana izany

   Inona tokoa moa no tokony ho raisintsika ? Milaza inona amintsika izany hoe mivavaka, mamaky ny Tenin’Andriamanitra izany ? Fa misy ny olona izay tonga, satria ao aminy fiangonana no hahitany ny namany , tonga izy satria eo no mba afahany  mifanerasera aminy mpiray tanàna. Fa ny vavaka dia ny fifandraisantsika aminy ‘Andriamanitra. Izy mihitsy no hifandraisantsika ary hihatrehana koa sy hanantenana  ny ho avy ary izany no tokony ampandini-tena ny Fiangonana. Tena hiainako tokoa ve  fa io tenin’Andriamanitra io no atsapako fiainana ? Taiza ianareo ? Tany am-piangonana, niangona fa tsy nivavaka ! Mba tsy ho izany ny fiainan’ny Fiangonana, fa tena hifandray tokoa amin’Andriamanitra, ka atsapany fiaianana . Izay no nahatonga ny Tompo hiteny hoe :” Andramo ka izahao fa tsara Jehovah” ary izany no maneho fa tonga iray aina ao amin’ny Kristy ny mpino, tsy iray aina fotsiny fa miombona  tanteraka Aminy ka mampiatra izany eo aminy ataony

Izay no mahatonga ny hoe ny Fiangonana tsy ny assemblée fa ianao io, isika tsirairay io no atao hoe fiangonana. Ary isika no taratry ny fahazavan’I Kristy eo amin’ny ataontsika isan’andro , nefa koa mba tsy ho diso fiantefa izany ka anaovantsika hoe izay rehetra tadiavina amin’i Kristy dia azoana  fiainana. Ka manjary fitaovana , lasa instrument Jeso Kristy., ampiasaina amin’izay ilana azy. Tomponao Jeso Kristy ary raha Tomponao Izy dia ankatoavy. Izy koa anefa miteny hoe : “tsy ataoko hoe mpanompo ianareo, fa ataoko hoe sakaiza” Ary amin’izany rehetra izany no andraisantsika hoe : Jeso Kristy dia tsy “robot”. Andriamanitra miasa ao amintsika  manome antsika fiaianana

“Ny firenena tsy fantatrao hanantona  anao,  izy hanome anao voninahitra satria fantany ianao ary Jeso Kristy koa niteny : “ianareo no vavolombeloko” .Ary izany dia hatanterahantsika ny sitrapon’Andriamanitra. Ka izao Alahadin' n y Baiboly izao dia samy haneho amintsika fa tsy mianatra fotsiny ny Baiboly isika, fa raha mianatra fotsiny dia be ny hilaza hoe manana ny doctorat en théologie aho etc,...Hananao izany rehetra izany fa rehefa  tsy hiainanao dia boky toy ny boky tsotra rehetra ihany ny Baiboly. Ny tenin’Andriamanitra  tsy hianarana fotsiny fa hiainana arak’izay sitrapon’ Andriamanitra.

Ao amin’ny Baiboly, Andriamanitra miteny amiko sy miteny aminao mba hiainantsika  ny fiainana. Amena

 

    Nous sommes aujourd’hui encore dans le thème « La foi apporte la vie ».

La lecture attentive de la Bible que nous venons de faire nous a montré que le croyant qui reçoit réellement la vie sert toujours d’exemple à certains. Car on sait que ce croyant peut partager cette vie. C’est ce que nous avons lu tout à l’heure dans Esaïe : « Des nations que tu ne connais pas accourront vers toi ». Parce que Dieu t’a donné une part de sa Gloire, Il accompagne celui qui croit en Lui. Et il s’agit là d’une parole de promesse. Cette journée mondiale de la Bible nous rappelle que les 66 Livres ne sont pas de simples histoires, pas de simples livres, la Parole de Dieu qu’ils contiennent nous apprend et nous fait comprendre que la Foi apporte la vie.

Dans Jean 6, Jésus Christ annonce qu’Il est le pain de la vie. Il s’adresse ici à tous et prodigue sa protection à tous. Il invite ainsi chacun à choisir la vie, voilà pourquoi l’annonce a été faite de façon à ce que tous puissent la comprendre.

Jean 6, également appelé l’Evangile de l’Amour, nous a exposé qu’après avoir nourri quelques 5000 personnes, Jésus a profité de cet acte concret pour faire comprendre et annoncer la vie éternelle en disant : « Je suis le pain de la vie »

Faite à des gens réellement affamés, cette annonce a été prise à la lettre : « Je suis le pain de la vie, celui qui vient à moi ne connaîtra pas la mort, Je suis l’eau de la vie, celui qui boira n’aura jamais soif ». Ils réclament donc ce pain et cette eau : « Je suis le pain de la vie qui est descendu du ciel pour que tous ceux qui en mangent ne meurent jamais »

Ne connaîtra jamais la mort, car il y a une vie et un espoir que Dieu offre à quiconque reçoit et entend sa Parole, une vie ici-bas qui est l’avant-goût de celle qui va venir.

Dans les événements au pays en ce moment, il y a toutes sortes de revendications. Si Jésus disant « Je suis le pain de la vie » a été entendu, la population ne serait pas tombée dans le désordre. Mais la Parole de Dieu n’est pas entrée réellement dans la vie de chacun .

Jésus Christ s’est annoncé Lui-même comme le pain de la vie et Il a montré aussi que la Foi mène à la vie. Il a utilisé pour cela une méthode concrète, rendant visible ce qui est invisible, pour que chacun comprenne ce qu’Il veut dire.

   Par ailleurs, il y a aussi ceux qui font une erreur dans la compréhension des expressions : « recevoir la vie », « croire en la Parole de Dieu ». Telle cette tribu Bara, à qui les missionnaires n’ont pas expliqué ce qu’est la Bible. Croire chez les Bara signifie manger. Et lorsqu’une épidémie a sévi, les malades ont cuit les exemplaires de la Bible pour se soigner car les missionnaires leur ont dit : « Ceci est le pain de la vie, celui qui y croit recevra la vie éternelle ». Il faut rechercher ce que la Parole de Dieu veut dire. Jésus Christ a dit : « Je suis le pain de la vie, source de la vie de l’homme dans mon humanité. »

Ainsi c’est la vie tout entière que Dieu offre par la foi. Elle est aussi précieuse que l’eau, il faut en user avec soin et économie. C’est cette vie que Jésus Christ a montré par sa Personne. Autrement dit, la soumission et la foi en la Volonté et en la Parole de Dieu nous donneront la vie. Par la présentation  que Jésus Christ fait de Lui-même, c’est Dieu en personne qui se porte garant de la protection et de cette vie.

En somme, que devons-nous tirer de tout cela ? Pour nous, que signifient prier et lire la Parole de Dieu ? Certains vont à l’Eglise car c’est l’endroit où ils peuvent rencontrer leurs amis, d’autres car c’est là seulement qu’ils peuvent avoir une vie sociale. Or la prière est une rencontre avec Dieu. Nous sommes en relation avec Lui, nous sommes devant Lui, nous avons la possibilité d’espérer un avenir. C’est pour tout cela que l’Eglise se doit réfléchir sur elle-même. « Est-ce que je vis vraiment la Parole de Dieu ? Ai-je vraiment pris conscience de cette vie ? Ai-je vraiment ressenti que c’est Elle qui m’apporte la vie ? ». Il ne faudrait pas qu’à la question : « D’où venez-vous ? » L’Eglise réponde : « Nous étions à la réunion ». A la réunion et non pas à l’union pour la prière. Le souhait est que l’Eglise communique réellement avec Dieu, de telle sorte qu’elle en reçoive la vie. C’est dans ce sens que le Seigneur a dit : « Expérimente et sache que Jehovah est bon ». Cela montre que celui qui croit n’a pas seulement uni sa vie à celle du Christ, mais que Christ vit en lui et qu’il montre cette union   dans tous ses actes.

Ainsi, l’Eglise n’est pas l’assemblée des croyants, mais elle est bien chacun de nous. C’est sur notre vie quotidienne qu’agit la clarté du Christ. Cela ne signifie pas pour autant que nous obtiendrons ce que nous voulons de Lui. Il n’est pas l’instrument de nos caprices. Il est notre Seigneur, nous Lui devons donc obéissance. Mais Il a dit aussi : « Je ne vous considérerai pas comme mes serviteurs, mais comme mes compagnons ». Dieu agit en nous et  nous donne la vie.

« Des nations que tu ne connais pas accourront vers toi », elles te respecteront car elles savent qui tu es. Jésus Christ, du reste, a dit : « Vous serez mes témoins ». Cela nous permettra d’accomplir la Volonté de Dieu. Et ce Dimanche de la Bible nous fait comprendre que celle-ci n’est pas un simple objet de connaissance, en vue d’obtenir des diplômes, mais la Parole de Dieu que nous devons vivre pour faire Sa Volonté.

Par l’intermédiaire de la Bible, Dieu me parle et vous parle pour que nous puissions vivre la vraie vie. Amen.

Alahady 15 Febroary 2009

Alahady fiaraha-mivavaky ny FJKM aty Ampitandranomasina – Synodam-paritany 37 anio.

Tonga na nandefa solontena ny Fitandremana rehetra : Champigny, Gland, Montrouge, Wagner, nandefa solontena koa ny Zanaky ny FJKM any Belgique.

Pasteur RAKOTONIRINA Charles, Mpitandrina ny FJKM Montrouge no nitarika ny fotoana.

Pasteur RAFALINIRINA Lalao Angèle, Mpitandrina ny FJKM Nantes, no nitondra ny Tenin’Andriamanitra.

Pasteur  D’ELINIVO Jean Emmanuel, Mpitandrina ny FJKM Champigny sy Pasteur RABEARISON Lalasoa, Mpitandrina ny FJKM Gland, no namaky ny Soratra Masina.

Pasteur RAZAFIMAHEFA Edmond, Mpitandrina miadidy ny Faritra Atsimon’i  Frantsa, no nitarika ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.

Naseho sy natolotrin’ny Filohan’ny Fiaraha-miasa SP37sady Mpitandrina ny FJKM Wagner, Pasteur RANDRIAMORA Max, ny Fiangonana ireo Mpitandrina rehetra ireo. Vao tonga  avy any antanindrazana tokoa mantsy izy ireo ary voatendry hitandrina  eo anivon’ny Synodam-paritany 37. Nomarihiny  manokana tamin’izany ny fandaharan’Andriamanitra sy ny fitahiny ka nanolorany ireto Mpitandrina manan-karena traikefa ireto hampiroborobo ny Fiangonany aty ampitandranomasina.

 Natsangan’I Pasteur D’ELINIVO sy noraisin-tànana teo anatrehan’ny Fiangonana koa ireo vadin’ny Mpitandrina.

Nantsoin’ny Filohan’ny Fiaraha-miasan’ ny SP 37 hiseho amin’ny Fiangonana koa ireo mpiara-miasa aminy hatramin’ny nijoroan’ny Synodam-paritany;

Dimanche 15 Février 2009

C’est le Dimanche choisi par le Synode Régional 37 pour s’unir dans un culte commun qui a rassemblé toutes les Eglises FJKM en dehors de Madagascar : Champigny, Gland, Montrouge, Wagner, ainsi que les Enfants de la FJKM de Belgique.

M. le Pasteur RAKOTONIRINA Charles, pasteur de la FJKM Montrouge, a conduit le culte.

Mme le Pasteur RAFALINIRINA Lalao Angèle, pasteur de la FJKM Nantes, a apporté le message et l'encouragement de la Parole Sainte.

M. le Pasteur D’ELINIVO Jean Emmanuel, pasteur de la FJKM Champigny et Mme le Pasteur RABEARISON Lalasoa, pasteur de la FJKM Gland, ont fait la Lecture de la Bible.

M. le Pasteur RAZAFIMAHEFA Edmond, pasteur responsable des Eglises du Sud de la France, a conduit la Sainte Cène.

M. le Pasteur RANDRIAMORA Max, président de la Communauté de travail du Synode Régional 37 et pasteur de la FJKM Wagner, a ensuite présenté les Pasteurs affectés  aux Eglises de ce Synode. Il a souligné en cette occasion le dessein particulier de Dieu et sa Bénédiction car Il a réservé pour ces Eglises des Bergers riches d’expériences.

Le Pasteur D’ELINIVO a tenu également à présenter à l’Eglise et à saluer les épouses et l’époux de chacun d’entre eux.

Tandis que le Président de la Communauté de travail du Synode 37 a présenté ses collaborateurs depuis la création de cette instance.

 

 

TORITENY   Ramatoa RAFALINIRINA Lalao Angèle, Mpitandrina ny FJKM Nantes  Alahady 15 Febroary 2009

Mbola ho ampitomboina ho aminareo anie, ry havana, ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jeso Kristy Mpamonjy.  Amena

Ny tenin’Andriamanitra izay hiarahantsika mandray ny hafatra sy hifampaherezana amin’izao fiombonana fiaraha-mivavaka izao dia izay efa novakina tamintsika teo : ny filazantsaran’I Jaona 10 : 22-30

Misy fiteny malagasy manao hoe : “tsy mino hono maty raha tsy avy mandevina”. Hilazàna ny olona izay tsy mba mety mino izay zavatra lazaina aminy izany , na tsy mba mety manaiky raha tsy efa avy manantanteraka zavatra anankiray, na koa  raha tsy nahita ny masony,  raha tsy nitsapa ny tanany. Tsy mba mety manaiky, tsy mino izy.  Ireto Jiosy ireto dia mihoatra noho izany fa na dia nandre aza ny sofiny tamin’ny fampianarana nataon’I Jeso na tamin’ny toriteny nataony ombieny ombieny momba ny antony nahatongavany,  ny asa izay ho tanterahany,  na dia nahita aza ny masony, nahita ireo fahagagana marobe toy ny fanasitranana ny marary , ny famokisana ny noana.  Ary eo amin’ity toby ity dia tsy lavitra akory ( manomboka ery aminy and faha 9 ery) dia Jeso nanasitrana ilay lehilahy teraka jamba , saingy tsy mbola nino ireto Jiosy ireto. Ary izay no lazain’ilay teny hoe : “ misalasala” ,  “ambara-pahoviana no ampisalasalanao anay, raha ianao no Kristy,  lazao marina aminay”. Ny hevitry ny tenin’ny Jiosy dia fanontanianan an’i Kristy: “Ianao ve no Kristy? Ianao ve no Mesia ?

Teny iray ihany ny “mesia” sy  ny “kristy”, ny dikany aminy teny Malagasy  dia “voahosotra”,  mifandray aminy teny grika ny kristy, mesia dia teny hebreo.

Ny Jiosy dia niandry ny Mesia fatratra hamonjy azy. Jereny ny zavatra nataon’i Jeso dia hoy izy hoe : “ Ity tokoa ilay Mesia  Ho afaka ny fahantrana satria tonga ilay mpamoky ny noana, hivaha ny olana rehetra satria tonga ny mpanasitrana”. Velom-bolo ny kamboty sy ny manano-tena satria samy miramirana avokoa izy rehetra raha nahita an’i Jeso nankasitraka ilay vehivavy manano-tena

Tonga ny Mesia, tsy azo adinoina koa anefa  fa raiki-tapisaka,ao amin’ireto Jiosy ireto ary tsy afaka tao an-tsainy ny fijerena an’ Jeso araka ny nofo, ka miverina foana ny hoe : “Tsy ity ve ilay zanak’i Maria sy Josefa mpandrafitra ? Tsy Jakoba ve no rahalahiny ? Tsy izao ve ilay nataony fony izy …? Izany no fomban’ny olona rehefa te-hanatsatso na hamingavinga mpanompon’Andriamanitra izy. Ka hita izany na dia amin’izao vanin’andro ankehitriny izao aza : ilay lasan’ilay olona no mbola ankehitrininy fa tsy tsaroany ny asan’Andriamanitra ao aminy Fiangonana izay mety mitondra fanavaozana ho an’ny olona.

Mipetraka indray ary eto ny fisalasalana : “Ianao va no Kristy ?”  Efa nazava ny valintenin’I Jeso : “Efa nilaza taminareo aho, hoy Jeso, fa naninona ianareo ? Tsy mino ianareo ! Efa nanao asa aho hoy Jeso, ary nataoko taminy Anaran’ny Raiko ireny asa rehetra ireny. Jereo eo aminy andininy 11. Fa adi-hevitra be teo aminy Jiosy mantsy, raha nahasitrana ilay lehilahy teraka jamba i Jeso : “Avy aminy demonia no nanaovana izany !”. “Tsy mino ianareo !”, hoy Jeso

Nataony i Jeso daholo izay fomba rehetra mety handresy lahatra ny Jiosy na taminy fitenenana izany na taminy alalan’ny asa izany na taminy alalan’ny fahitana izany. Fa tsy nety nino ny Jiosy : “Tsy mino ianareo !”.  Ny antony dia tsotra ihany: “Tsy isan’izay ondriko ianareo, hoy Jesoa, tsy nino ianareo satria tsy isan’izay mpanaraka ahy, ka na inona na inona lazaiko, na inona na inona ataoko, dia izao ihan :  tsy misy dikany aminareo izany, satria tsy mino ianareo”

Tsy misy dikany aminy olona tsy mino tokoa ny asan’ Andriamanitra. Na dia misy  fahagagana be toy inona  aza miseho eo aminy fiainany, dia raisiny toy ny zavatra mpitranga ihany izany, raisiny toy ny kisendrasendra ihany izany, na raisiny toy ny hoe sendra: hasard  izany. Fa ho an’ny olona izay matoky sy mino an’Andriamanitra na dia izay zavatra kely sy bitika indrindra eo aminy fiainany aza dia tsapany foana fa tànan’Andriamanitra no nametraka izany teo aminy fiainany.  Ny olona tsy mino, na inona na inona zavatra mitranga eo amin’izay atao hoe asan’Andriamanitra eo aminy zava-boary, aminy dia “logique” izany, na inona na inona asan’Andriamanitra eo amin’ny Fiangonana, dia tsy misy dikany aminy izany. Ny olona manao izany aza dia heveriny ho adala, mandany vola sy fotoana. Fa isika kosa dia mahatsiaro sy mahita tsirony fa manao rakitra ao anaty vilany tany , manao rakitra any an-danitra, fa hoy ny Soratra Masina  hoe : “Fa tsy foana akory ny fikelezanareo aina ao aminy Tompo”.

Koa isika izay manao ny asan’Andriamanitra no mahita ny valim-pitia avy Aminy. Ary tsy mbola nisy olona nanompo an’Andriamanitra ka  banky rovitra na tsy manana hani-ko hanina intsony. Fa teo amin’izay nanompoany an’Andriamnaitra izay no nahitany fifaliana

Noho izany ny finoana no andraisantsika ny famonjena ataon’Andriamanitra amintsika. Raha tsy hananantsika io finoana io, tsisy fantatsika ny zava-mitranga eo aminy fiainantsika.  Ny finoana no hamakintsika ny asan’Andriamanitra eo amin’ny fiainana, ny finoana no maso andinihantsika ny hoe mety misy asan’Andriamanitra indray nataony teo aminy fiaianako tamin’ity androany ity.

 Koa raha miteny isika hoe : “Mino aho ! Mino an’i Jeso Kristy aho. Nandray ny famonjena ianao izany,.satria Kristy no efa noraisinao ho Tompo sy Mpamonjy. Ka mitovy ihany izany : ny fanononana hoe “Jeso Kristy” sy “Jeso no Tompo sy Mpamonjy ahy”.

Manarak’izany,  iza koa no mbola azontsika hanononana an’i Jeso : “Andriamanitra” Izy. Ny andiny 27-30 dia famintinana izay lazain’ny and 11-15 : Jeso milaza ny tenany ho “mpiandry tsara”. Nampisalasala ny Jiosy izany satria ny hany afaka miteny hoe “mpiandry tsara” ao aminy Soratra Masina  dia tokana ihany : Andriamanitra.  Jereo salamo 23. Ny hevitry ny tenin’i Jeso izany dia izao : “Andriamanitra aho”. Sarotra aminy Jiosy ny hanaiky izany satria hitany araka ny nofo  Jeso ary tsy izy ireo  ihany no tsy manaiky an’i Jeso ho Andriamanitra , fa ao koa ny silamo, ny témoins de Jehovah, ny mormons. Be dia be ireo antokom-pivavahana izay tsy manaiky an’i Jeso ho andriamanitra ary na dia kristiana toa antsika aza dia mbola misy ny misalasala : tena Andriamanitra tokoa ve Jeso ? Zanak’Andriamanitra Izy sa zanak’i Maria sy Josefa Izy ?

Fa misy kosa tena tsy mahalala mihitsy  fa Andriamanitra Jeso. Ny filazàn’i Jeso ny toetran’ny ondry sy ny mpiandry eto dia  mampatsiahy ny fifamatoran’izy roa tonta : and.27 : “Ny ondriko, hoy Jeso, mihaino ny feoko, andaniny, izao mahalala azy, ny ondriko, hoy Jeso, manaraka Ahy, andaniny,  Izaho manome azy fiainana, izy tsy ho very fa Izaho hitazona azy aminy tànany. Tsy vitan’ny hoe mifankahalala na mifankazatra fotsiny Jeso sy ny ondriny fa miafara aminy atao hoe fiombonan’ aina. Misy fiombonana lalina teo aminy Jeso sy ny ondriny. Izay miafara aminy fiaraha-monina mandrakizay izany. Dia hoy Jeso : “Ary tsy misy haharombaka azy eo aminy tanako”.

Asehon”i Jeso Kristy fa Izy no manana ny fahefana hanome ny olona izany fiainana mandrakizay izany. Izy no manana ny fahefana hampiditra ny olona ao aminy fanjakan’Andriamanitra. Ny olona omeny izany ihany no hanana ny fanjakan’Andriamanitra, ny olona izay hampidirrin’i Jeso ao anatin’izany ihany no tafiditra ao anatin’ny fanjakan’Andiamanitr. Tsy izay olona manao hoe izaho te-hiditra ao akory, tsy izay olona rehetra te-hiteny izany akory, fa izay olona omen’i Jeso fahefana ihany no tafiditra ao amin’io fanjakan’Andriamanitra io

Ny olona izay manaraka an’i Jeso, ny olona izay mino ihany, izany no hanana ny fanjakan’Andriamanitra ary fahefan’i Jeso irery izany. Ary izany dia tena fahefan’Andriamanitra Ray ihany koa satria Andriamanitra Ray no tompon’ny fahefana.  Ary dia marina ny tenin’i Jeso manao hoe : “Izaho no làlana sy fahamarinana ary misy afaka makany aminy Ray raha tsy aminy alalako”. Ary izany no antony nitenenan’ ny apostoly Paoly ny amin’I Jeso Kristy tamin’ny mponina tany Athena hoe : na dia efa mivavaka aza ianareo, na dia efa mahalala andriamanitra isan-karazany aza ianareo dia tsy ampiditra anareo aminy fiainana mandrakizay izany. Ny ampiditra anareo aminy fiaianana mandrakizay dia ilay tena Andriamanitra ao amin’i Jeso Kristy, ilay maty sy ilay nitsangana taminy maty ka hananareo fiaianana mandrakizay.

Tsy izay tononon’ny olona ho andriamanitra akory dia ho andriamanitra, tsy izay lazain’ny olona hoe ity mahavonjy anao akory, dia hahavonjy anao. Fa Jeso Kristy, ilay Andriamanitra naharesy ny fahafatesana no hahavita izany. Ka raha misy olona maniry hanana fiainana mandrakizay, tsy te-hahita fahafatesana intsony, dia ao amin’i Jeso Kristy, ilay nandresy ny fahafatesana

Izany no antony hijorontsika Fiangonana , isika Kristiana aty ampitan-dranomasina : hampahafantatra ny mpiara—monina amintsika fa misy tokoa ilay tena Andriamanitra velona izay mitondra fiainana, dia Andriamanitra ao amin’i Jeso Kristy. Ary hasehontsika aminy alalan’ny fijoroana fa tsy amin’izay zavatra kisendrasendra ny finoantsika an’Andriamanitra; ohatra ny tany Amerika: andavan’andro ny antitra no mameno ny fiangonana, fa rehefa tonga ny 11 septambra, dia ny filoham-pirenena mihitsy no niantso hivavaka : ny finoantsika an’Andriamanitra dia tsy isaky ny fisehoan-javatra toy  izany, fa ny finoantsika an‘Andriamanitra dia fiainana isan’andro ary manonme aina ho antsika isan’andro.

Eto am-pamaranana : ny olona rehetra dia samy manana ny hajo fijaliany avokoa Misy ny mahazaka ny azy, misy ny tsy mahazaka. Ny tsy mahazaka dia mimenomenona, ka isaky ny mimenomenona izy dia manaisotra kely amin’ilay hazo.eran’ny lalany. Mby teo amin’ny tànana izay alehany ary ny olona dia tonga teo amin’ny ilay antsana  tsy maintsy hiampitana; dia samy nametraka ny hazo fijaliany ny olona, nametraka ny iray natao tetezana , tafita izy, fa ilay nanapaka ny azy kosa dia tsy tafita satria fohy loatra ny hazony ka latsaka tany aminy antsana.

Ny sarin’ny hazo fijaliana dia hitantsika fa Jeso Kristy no maty teo ambony hazo fijaliana hamonjy ny olona mba hanany fiainana. Ka raha nisaraka amin’i Jeso Kristy, ilay Tomponao sy Mpamonjy anao ianao, ilay tena Andriamanitra manome fiainana isika, dia tsy afaka andova ny fiainana mandrakizay. Enga anie isika rehetra ireto tsy hisy na dia iray aza ho very fa rahatrizay tonga any aminy lanitra dia hifankahita daholo, ka hifampilaza hoe : indreto izahay Kristiana tany Champigny, tany Montrouge, tany Nantes, tany Suisse, tany Wagner, fa nitondra ny hazo fijalianay foana izahay, nitondra an’i Jeso Kristy teo aminy fiainanay izahay ka nanana ny fiainana mandrakizay . Amena

 

 

 

Dernière mise à jour de cette page le 28/03/2009

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum