FANDRAISAN-TANANA NY MPITANDRINA SY FANAMAFISANA FIARAHA-MIASA

 

 

 

 

F.J.K.M  CHAMPIGNY sur MARNE

S.P VATO FEHIZORO AMPITANDRANOMASINA N°37

 

NY BIRAO,NY MPIHEVI-DRAHARAHA ARY NY FJKM  ETO  CHAMPIGNY MANONTOLO

 

« Nefa tsy  ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako,

dia

ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesoa Tompo hanambara ny Filazantsaran’ny Fahasoavan’Andriamanitra » Asa20.24

« Ary mangataha koa ho anay ,

mba hamohan’Andriamanitra varavarana

ho an’ny Teny hilazanay ny zava-miafina izay an’i Kristy » Kol.4.3

 

♫♫♫___FANASANA    MANOKANA __♫♫♫

Ho an’ny Mpiara-mivavaka  rehetra sy isika isam-pianakaviana eto Champigny

 

 

Ry havana,

Homba anareo mandrakariva anie ny Fiadanan’i Jesoa Tompo 

Fifaliana ho anay  Birao  sy Mpihevi-draharaha ary  ny Fiangonana manontolo eto amin’ny FJKM Champigny ny miantso sy manasa anareo manokana  hiara-misaotra sy hanome  Voninahitra an’Andriamanitra  noho ny :

 

FANDRAISAN-TANANA NY MPITANDRINA JEAN D’ELINIVO EMMANUEL mivady sy FANAMAFISANA NY FIARAHA-MIASAN’ NY F.J.K.M CHAMPIGNY sur MARNE amin’izy ireo ary ny Synodam-paritany Vato Fehizoro Ampitandranomasina.

 

Izany dia ho tanterahina ao amin’ny FJKM Champigny sur Marne (ERF-Champigny)

Ny

ALAHADY   29  NOVEMBRE  2009

Manomboka amin’ny EFATRA ORA (16h00) Tolakandro

 

Ny Fotoana rehetra dia ho tarihin’ny Synodam-paritany Vato Fehizoro Ampitandranomasina

Hery lehibe ho an’ny Fiangonana  sy ho azy mivady ry havana ny fahatongavantsika  manontrona sy mitondra amim-bavaka io fotoana io.

MANKASITRAKA INDRINDRA  AMIN’NY FAHATONGAVANA

SY NY VAVAKA ASANDRATRAREO .

 

FJKM..(ERF Champigny sur Marne ) 13 Rue Jean Jaurès 94500 Champigny

RER A2 vers Boissy St.Leger,miala Gare Joinville lepont ►Bus 108-110 miala Arrêt Champigny  Plage na  Arrêt Champigny Guittard ( 300m anelanelan’ireo arrêts ireo ny ERF Champigny misy ny Fiangonana

 

Téléphone(handraisana dinidinika ) : 01 70 05 91 26   -  06  71 23 63 73 - 06 71 17 37 26  -  06 48 17 18  29

 

Amin’ny anaran’ny Fiangonana manontolo

  Ny Birao sy ny Mpihevi-draharaha

Ny Filohan’ny Firahalahian’ny Diakona

 

Atoa NIRINA  RASOLOFO

 

 

Dernière mise à jour de cette page le 16/11/2009

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum