OLOM-BAOVAO VOAVELA HELOKA (VATSIM-PANAHY 30 May 2010)

 

 

ALAHADY  30 MAY 2010

 

VATSIM-PANAHY

 

EZEKIELA  36.22-30  - MATIO 12.31-32 – I JAONA 1.8-2.2

 

OLOM-BAOVAO VOAVELA HELOKA

 

Mifarana anio ny niarahana nandinika ny lohahevitra hoe :Velon’ny famelan-keloka ny mino. Ary ny Bokin’I Ezekiela 36.22-30 no hamintinantsika izany.

Ny olona voavela heloka sy mifamela heloka no mandray ny fo vaovao sy fanahy vaovao avy amin’Andriamanitra. Tonga olom-baovao feno fifaliana sy fiadanana fa tsy manana ilay fo vato sy fanahy miodina ny olona mahazo ny famelan-keloka.

Aseho eto amin’ity toko faha-36 ity moa fa ny tanin’ny Israely izay zary tany hay dia tonga azo honenana noho ny famindrampon’Andriamanitra.Ho tonga tahaka ny saha Edena indray, ary izany dia noho ny fibebahan’ny mponin’i Joda sy Israely. Andriamanitra mamerina sy maneho ny Voninahitry ny Anarany indray eo amin’ny taniny sy ny olony.

 

1-ANDRIAMANITRA HANEHO NY VONINAHITRY NY ANARANY

 

Tsy avelan’Andriamanitra hosihosena ny Anarany sy ny maha-Izy Azy,ny Voninahiny noho ny fahotana sy ny fivadihan’ny maro ka nahalasan-ko babo ny vahoaka. Aseho miharihary fa tsy avelan’Izy Tompo hihevitra ny olona fa nilaozan’Andriamanitra izy ireo.

 

Tsy fanasitranana noho ny ratra sy ny aretina ary ny fahoriana ihany no ilain’ny mponina eto, fa tena fanalàna azy ireo hiala amin’ny fahafatesana mihitsy. Tsy hanatsara ny toe-piaina sy ny fitondran-tena ihany fa tena mila fo vaovao sy fanahy vaovao mihitsy, ary izany no idiran’Andriamanitra indray eto amin’ny tantara ka hanadiovany tanteraka ny olony arahin’ny fahariana vaovao.

 

Ny Fanahy vaovao omen’ny Tompo no zava-miafin’ny famindrampo sy ny fanafahana omeny ny olony. Eto no aharihary fa Andriamanitra manamasina ny Anarany ary miantso ny hitodihan’ny olona amin’Izy Avo Indrindra. Nolotoina ny Anaran’Andriamanitra noho ny fahotana natao, ka toy ny tsy manana ny maha-Izy Azy intsony.Kanefa  noho ny faharesen’ny zanak’Israely, dia mitaona ny olona hiverenana Aminy Andriamanitra mba hanadiovana, hanamasinana azy ary hamelomana ny fanantenana indray ao aminy. Fa andriamanitra manamasina ny Anarany (votokana, madio,miavaka,tsy azo afangaro)

 

Ny Fiangonana , ny Mpino nandray an’i Kristy no Israely vaovao izay itarafan’izao tontolo izao ny maha-Izy Azy sy ny Fahamasinan’Andriamanitra, ary haneho izany hatrany satria efa voavela heloka no mifamela heloka koa. Mila maneho izany fahamasinana izany koa ny fiangonana sy ny mino rehetra ka hiala amin’ny toetra adaladala sy ny ota tsy mahavokatsoa hoy ny Soratra Masina. “Aoka ho masina ianareo,satria Masina Aho hoy Tompo” (IPetera 1.16)

 

2-MANADIO SY MITAHY NY OLONY ANDRIAMANITRA

 

Ny olona mibebaka sy miverina amin’Andriamanitra,dia Izy Tompo mihitsy no manadio sy manamasina ary mitahy ny olony. Omeko fo vaovao ianareo,esoriko ny fo vatonareo, ho dioviko ho afaka amin’ny fahalotoanareo sy ny sampinareo no anadiovako anareo( ny sampy dia  izay heverintsika ho mihoatra ny zavatra rehetra ary ampitoviantsika laharana amin’ Andriamanitra velona)

 

Eto anefa, dia Andriamanitra mihitsy no misahirana amin’ny olona, tahaka ireto zanak’Israely ireto izay nalaina avy amin’ny fahababoana.(fafazana rano madio,omena fo vaovao. Tena zava-dehibe izany, fa mitory ny fifandraisana amin’Andriamanitra indray ary ny Fanahy Masina mihitsy no ataony ao amin’ny olona miverina Aminy.(fanahy vaovao no ataoko ao anatinareo, ary ny Fanahiko no omeko anareo:tsy mifidy sokajin-taona izany fa ianareo rehetra mihitsy).Izany no fanavaozam-piainana omen’Andriamanitra izay manadio ny fon’ny olony.

 

Fa etsy an-kilan’izany koa dia Izy Andriamanitra mihitsy no miandraikitra sy misahirana mitantana ny olony, ka mitahy azy ireo (mitahy: mitondra,mitantana,tsy manary,miaro,miombona aina)

 

Ny fanekena sy ny fankatoavana an’Andriamanitra dia manjary fitahiana lehibe,fa Izy Andriamanitra mihitsy no miombom-piainana amin’ny olony,ary dia ho tonga miombom-piainana amin’ny hafa koa satria tonga ankohonana iray ihany izay mino.

 

Ny fidiran’Andriamanitra ao amin’i Kristy eo amin’ny tantarantsika sy ny fiainantsika,ny fanomezantsika toerana Azy eo amin’ny fiainantsika,dia milaza koa ny fahafenoam-pahavelomana sy fiainana .Izany dia raisina sahady dieny izao ka hahaizantsika mitaona sy miantso ny hafa koa hiverina am’Andriamanitra mba hananany fiainana.Fa tonga Jesoa mba hananatsika fiainana,dia fiainana be dia be (Jaona 10.10) satria efa velon’ny famelan-keloka isika.

 

Ambarao ary fa izay mibebaka marina tokoa ka mandray an’i Kristy dia manana fo vaovao sy fanahy vaovao ary tonga fahariana vaovao satria Kristy mihitsy no miaraka aminy.

Dernière mise à jour de cette page le 30/05/2010

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum