ZOMA 19 FEBROARY 2010
« ….,dia nahoana no mbola velona izahay ? » (Ezekiela 33.10b)
NY MOFON’AINA
EZEKIELA 33.10-20 HIRA 444
NY MIVERINA AMIN’ANDRIAMANITRA NO VELONA
Ry havako,
Homba anareo mandrakariva anie ny Fiadanan’i Jesoa Tompo ary maniry ny hitoeran’ny Fanahy Masina ho ao aminreo isan’andro izahay.
Faly tafahaona aminareo indray amin’ny alàlan’ity mofon’aina ifampizarantsika ity.Ho fenoin’ Andriamanitra ny Fahasoavany hatrany anie ny fiainanareo.
Noharian’Andriamanitra ho tsara ny tontolo misy antsika ary ny hitahiry antsika amin’ny fahavelomana no kendren’Andriamanitra.
Eto amin’ity Ezekiela ity ary, dia misy fifandrirotan-kevitra , fa manota sy manao izay meloka sy ratsy indrindra ny olona nefa , dia nahoana no mbola velona ihany?
Andriamanitra te-hanome fiainana ary mbola mametraka ny olona eo amin’ny safidy mazava, fa tsy sitrany ny hahafaty ny ratsy fanahy fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany mba ho velona izy, izany no sitrak’Andriamanitra.
Ka na hiova ho any amin’ny fahavelomana na hanohitra ho any amin’ny fahafatesana izany no safidy apetraka eto.
1-TSY SITRAK’ANDRIAMANITRA NY HAHAFATY NY RATSY FANAHY
Tena fampaherezana sy fampirisihina hialàna amin’ny faharatsiana mba ho velona no asehon’ny Soratra Masina eto. Tsy misy tombotsoa sy fifaliana manokana ho an’Andriamanitra ny fahafatesan’ny ratsy fanahy. Tsy misy
Izany indrindra no iantsoany ny tokony hialàna amin’ny faharatsiana, ny toetra mamoafady, ny fitondran-tena adala, ny fanoherana ny marina, ny toetra samihafa izay miteraka fisarahana amin’ny olona samy olona sy ny olona amin’Izy Andriamanitra. Antsoina hiala amin’izany mba ho velona, fa tsy sitrak’Andriamanitra ny hahafaty ny olona.
Ary ny mpanota mibebaka sy miverina amin’Andriamanitra no ho velona
Ary na dia zava-misy eran-tany aza dia mampiseho ny tokony hiverenana amin’Andriamanitra mba ho velona ny olona. Hevero ny fitiavan-tena, ny korontana samihafa, ny tsy fanajana ny zon’olombelona,ny tsy fifanajana eo amin’ny samy olona, ny fifamotehana samihafa misy eo amin’ny firenen-tsamihafa, ary tsy handeha lavitra isika fa jereo ny firenena Malagasy. Tsy mitondra ho amin’ny fahavelomana ny fomba sy fiaina izay misy ankehitriny, ary amin’izany no ilàna ny fibebahana sy ny fiverenan’ny olona amin’Andriamanitra manomboka eo amin’izay manana fahefana ka hatramin’ny madinika indrindra. Fa raha miverina amin’Andriamanitra isika, dia ho velona fa tsy sitrany ny hahafaty antsika.
2-TSY ISIKA IHANY NO MILA MIBEBAKA FA AMPAHAFANTARO KOA NY HAFA
Izany no voalaza eto amin’ny andininy 12-20. Ny fahamarinan’ny marina tsy hahavonjy raha eo amin’ny andro hahadisoany; ary ny faharatsian’ny ratsy fanahy tsy hahavoa azy raha mby amin’ny andro ialàny amin’ny faharatsiany. Tena famindrampo sy fahasoavana ary fampitana hafatra tsy ho an’ny tena ihany izany fa ho an’ny hafa koa.Andriamanitra te-hamindra fo sy hanome fahavelomana ho an’izay mibebaka marina tokoa.
Ampahafantarina ny tsy hitompoan-teny fantatra amin’ny marina ataony na dia manao ratsy aza izy. Mamita-tena ny olona mihevitra fa efa nanao ny marina nefa misisika manao ratsy ihany na mivantana ,na ankolaka.
Zava-dehibe eo imason’Andriamanitra ny nanao ratsy sy olon-dozabe nefa nibebaka sy miverina amin’Izy Andriamanitra , noho izay nihevitra fa nahavita soa sesehena nefa niverina ho amin’ny faharatsiana indray. Eto ary , dia miantso ho amin’ny fibebahan’ny isam-batan’olona ny Soratra Masina ary miteny ny hihazonana ny finoana marina mba ho velona ho amin’ny fiainana.
Inona ary no heverintsika fa ezaka tokony hatao mba hitohizan’ny fahamarinan’ny olona iray araka ity Ezekiela 33.10-20 ity?
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum