SABOTSY 27 MARS 2010
NY MOFON’AINA
EFESIANA 5.22-33 HIRA FF. 39
TOKANTRANO VELONA AO AMIN’I KRISTY
Ry havako,
Homba anareo mandrakariva anie ny fiadanan’i kristy ary mankasitraka anareo indrindra amin’ny fandraisana ny mofon’aina isan’andro. Mba ho tokantrano hanjakan’i Kristy Fitiavana anie ny tokantranonareo.
Ny tokantrano velona ao amin’i Kristy no ankasitrahan’Andriamanitra. Inona ary no ambaran’ny Soratra Masina amintsika anio?
1-MANEHO NY FIOMBONAN’I KRISTY SY NY FIANGONANA NY TOKANTRANO
Ity Efesiana toko faha-5 ity dia mitanisa ny toetra sy ny fitondran-tena maha-mendrika ny tokantrano tsirairay izay mandray an’i kristy. Sady taratry ny fiombonan’i Kristy sy ny Fiangonana koa izany.
Ambaran’ny Apostoly Paoly eto fa ny fifampitondran’ny mpivady sy ny ankohonana ao an-tokantrano dia sarin’ny fiombonan’i Kristy sy ny Fiangonany.
Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana nitoetra mahatoky sy nanolotra hatramin’ny ainy mihitsy ho fiarovana sy ho fanavotana ny Fiangonana tsy ho eo ambany ziogan’ilay ratsy. Tsy nitandro ny ainy mihitsy ny Tompo ho fiarovany izany Fiangonana izany.
Dia toy izany koa ny ao amin’ny tokantrano, tsy maintsy mitoetra mahatoky sy ho saro-piaro amin’ny fitondrana sy ny ankohonany koa ny lehilahy. Hitandro ny fahadiovan’izany ary hitoetra mahatoky tahaka an’i Kristy izay nitoetra mahatoky.
Tahaka ny fitiavan’i Kristy ny Fiangonana no isehoan’ny fifankatiavan’ny mpivady sy ny ankohonana ao an-tokantrano. Tahaka an’i Kristy Lohan’ny Fiangonana dia toy izany koa ny Lehilahy lohan’ny tokantrano, ka miaro ny tsy handravana na hampirodana ny tokantrano , tahaka ny fiarovan’i Kristy ny Fiangonana tsy hirodana koa.
2-TAHAKA NY FAHAMASINAN’I KRISTY NY TOKANTRANO
Ny Fiangonana dia masina ho an’i Kristy sy noho ny fiombonany ary ny fiarahany amin’i Kristy. Dia toy izany koa ny tokantrano sy ny fanambadiana izay manaiky sy handray ary hanana fiombonana amin’i Jesoa Kristy.
Amin’izay fotoana izay ny Fiangonana sy ny fanambadiana kristiana dia ho madio,masina,malaza ary tsy misy pentina noho i Kristy izay tsy misy kilema sady tsy misy pentina, tsy misy tsiny izay miahy sy mamelona azy.
Noho izany na ny toetra na ny fitondran-tena dia tsy maintsy ho mendrika ny maha an’i Kristy ny mino. Ny toetra sy ny fitondran-tena eo amin’ny tokantrano raha misy manana toetra mandringa na mihatsaravelatsihy dia mandrava ny fiombonany amin’i Kristy koa izany.
Ary raha tena velona ao amin’i Kristy tokoa ny tokantrano kristiana, dia aoka hatao ho velona sy hiainany tokoa ny fahitsiana sy ny fahamasinana ary fahadiovam-pitondran-tena, satria ny tokantrano madio no taratry ny fahadiovan’i Kristy koa. Ary toy izany koa ny Fiangonana mahitsy sy marina ary velona amin’ny finoana no tena velona ao amin’i Kristy.
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum