NY MOFON'AINA: MIAINA AO AMIN'NY MAZAVA

ASABOTSY   12   DESAMBRA 2009

 

NY MOFON’AINA

 

EFESIANA 5.1-14          HIRA  623

 

MIAINA  AO AMIN’NY MAZAVA

 

Ry havana,

 

Ho fenoin’Andriamanitra ny fanambinana hatrany anie ny fiainanao sy izay rehetra mandray ity fifampizarantsika ity.

 

Faly indray tafahaona aminareo amin’izao Asabotsy 12 Desambra 2009, ary mankasitraka indrindra amin’ny fanokanana fotoana hamakiana sy handinihina ny mofon’aina ifampizarana. Mba tena hiaina sy hivelona amin’ny mazava tokoa anie ny mino rehetra ka ho hita fa miavaka sy masina eo anatrehan’Andriamanitra.

 

Mandeha sy miaina ao amin’ny mazava, izany indray no lohahevitra omentsika ny mofon’ aina anio. Inona moa no tian’ny Soratra Masina ambara sy hifampaherezantsika amin’izany ?

 

1-MIAINA NY FITIAVANA ARY MANAHAKA AN’ANDRIAMANITRA  NY MINO

 

Ny Soratra Masina ,dia manomboka amin’ny fampisarahan’Andriamanitra ny Mazava sy ny Maizina, ary dia ambaran’i Paoly  eto fa tokony hiaina ny mazava koa ny mpino ary ny fahazavana marina dia ao amin’i Kristy ka hanaovany ny Sitrapon’Andriamanitra.

 

Tsy nesorina hiala amin’izao tontolo izao izay hanjakan’ny aizin’ny faharatsiana ny mino,fa natao ho eo hatrany kosa, nefa arovana amin’ny ratsy, ary miavaka sy hiseho ho fahazavana koa eo amin’ny fiainany noho i Kristy izay efa noraisiny sy ninoany.

 

Ity Efesiana 5 ity dia tena maneho amintsika, fa zanaka malalan’Andriamanitra  izay rehetra nandray Azy. Inona no dikan’izany ? Nataon’Andriamanitra akaiky Azy,tena notiaviny sy nanolorany ny tenany tamin’ny fahatongavan’i Kristy mihitsy.

 

Z’inona moa isika no mba nantsoina hoe :zanaka malala ? kanefa dia noraisin’Andriamanitra ho amin’izany tokoa,miray aina aminy, ary tiany hiverina tanteraka eo Aminy tahaka tamin’ilay fahariana voalohany.(hamorona olona tahaka antsika, araka ny endritsika. Gen.1 :26)  Tsy misy fifaliana toy izany  ry havako,raha mba isika no nantsoina hoe :Zanak’Andriamanitra ary tsy hoe zanany fotsiny fa nantsoina hoe :MALALA.

 

Ny tena zanaka ary, dia manahaka ny toetry ny ray aman-dreniny. Dia tahaka izany koa isika , mila  manahaka an’Andriamanitra izay efa niantso antsika hoe :zanaka. (I Jaona 3)Ny toetrantsika izay mino dia hanahaka an’Andriamanitra ao amin’i Kristy izay inoana, raha tsy hoe sanatria zaza sary na mafy loha sy maditra, tahaka izay hita amin’ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao. Ka sady tsy mino no tsy mahay mankasitraka ary zanaka tsy mankatò.

 

Nomen’Andriamanitra ho an’ny olona hatramin’ny ainy ho fanavotana antsika zanany ho afaka amin’ny  fanangolen’ilay ratsy ka mahatonga ny fiatahana amin’Izy Andriamanitra. Izany Fitiavana izany no manentana sy mampirisika antsika koa hanahaka  Azy Andriamanitra  ka andeha sy ho velona ary hiaina amin’ny fitiavana.

 

Tianao ve ny  ho isan’ny zanak’Andriamanitra manahaka Azy ary tsy izany ihany fa antsoiny hoe Zanaka Malala ? meteza hanova fiaina sy hanavao ny fanoloran-tena ho Azy mba ho tafatoetra ao aminy tokoa isika.

 

2-VELONA AO AMIN’NY MAZAVA SY MANAMASINA NY TENANY NY MINO

 

Ny mpino izay nandray an’i Kristy dia manamasina ny tenany ary velona sy mandeha tokoa ao amin’ny mazava, fa tsy izy indray no ho tonga ataon’ny olona firesaka sy hanetrena ny Voninahitr’Andriamanitra.

 

Masina eo amin’ny fitondran-tenany, amin’ny fiteny, ny asa, ny fomba ary ny fieritreretana hatramin’  ny fifandraisany amin’Andriamanitra (fivavahana). Olona miavaka sy voatahiry ho an’i Kristy ho amin’ny fiainana mandrakizay, ary izany toetrany izany dia asehony sahady eo amin’ny ataony isan’andro. Tsy mody masina sy mody miseho ho amin’izany, fa tena zary fiainany mihitsy io fahamasinana io.

 

Mahamenatra ry havako,ny mahita ny samy kristiana mifaneso, fa raha misy namana miezaka ho amin’izany fahamasinam-pitondran-tena sy fijoroana ho vavolombelona izany,dia lasa faneso toy hoe :  « angaha hanao mpiandry, mba miseho ho masina ery , efa pasitera be kosa ko !!!te hatao hoe !!sy ny hafa koa », ao koa anefa ny henatra vokatr’izany ka tsy sahy mijoro marina satria sao tratry ny fanesoana ataon’ny namana, dia lasa manao trandraka an-tanimena  manaraka ny volon-tany fotsiny.

 

Eto ary dia mampahery ny Soratra Masina ny hanana fahasahiana mijoro tokoa ho masim-piaina sy toetra, hanalavitra ny fijangajangana, handositra ny filàn’ny nofo sy ny teny maloto na hanao resaka adaladala na ny kivazivazy diso toerana (balgue  salée ou poivrée). Hanao ezaka hatrany ho tia fihavanana ,fivavahana ka ho lavitry ny fanompoan-tsampy samihafa ary tsy hanana anjara amin’izany akory na kely aza.

 

Fa ny mino marina, dia efa niala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavan’i Kristy ary olona  nifoha avy amin’ny torimason’ny tsy fahalalana sy nitsangana tamin’ny maty ka nandray ny finoana an’i Jesoa Kristy.

 

Tsy olona hiray tsikombakomba amin’izay zava-mahamenatra akory, fa hiezaka ny hanao ny Sitrapon’Andriamanitra sy hamantatra izay ankasitrahana.

 

Ry havako malala, andeha ary isika amin’izao taona madiva hifarana izao hizotra amin’ny làlana mahitsy ka ho vonona hanavao ny fanoloran-tenantsika ho an’Andriamanitra, mba ho velona ao amin’ny mazava sy hiaina ny fitiavana ary hanamasina ny tenantsika ho an’Andriamanitra.

 

Dia ho aminao hatrany anie ny Fitahian’ny Avo Indrindra

 

 

Dernière mise à jour de cette page le 11/12/2009

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum