NY MOFON'AINA :MITOMBO AO AMIN'I KRISTY

ALAROBIA     25   NOVEMBRE 2009 

 

« Izy no itomboan’ny rehetra(izay akambana sy ampiraisina tsara)noho ny fifanompoan’ny isan-tonony,araka ny fiasan’izay rehetra momba azy amin’izay mety ho anjara asany avy,ka hampandrosoany ny tenany amin’ny fitiavana » Efesiana 4.16

 

NY MOFON’AINA

 

EFESIANA  4.11-16     HIRA  465

 

MITOMBO AO AMIN’I KRISTY

 

Ry havako,

Hitombo hatrany amin’ny finoana sy ny fahasoavana ao amin’i Kristy anie ianao sy izay momba anao rehetra.

Misaotra sy mankasitraka anao indrindra mampandroso indray amin’ity fifampizarantsika ny mofon’aina ity,ary tsy ho anao ihany fa ho an’izay rehetra mandray izany na aiza na aiza,dia ho fenoin’Andriamanitra ny Fitahiana rehetra.

 

Mitombo ao amin’i Kristy izay Lohan’ny Fiangonana sady Tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy no atolotry ny mofon’aina ho antsika anio. Hafatra momba ny fahavelomana ao amin’i Kristy sy ny fandrosoana ara-panahy ary ny fifanompoana eo amin’ny asan’ny fiangonana sy ny fijoroana ho vavolombelona no entina ho antsika eto.

Andeha ary ho fintintsika amin’ny fizarana roa toy ny mahazatra ihany ny hafatra hifampaherezana anio.

 

Ny asa ifampizarana ao amin’ny fiangonana amin’ny fijoroana ho vavolombelona dia ilaina ny :

 

1-FITOMBOANA AO AMIN’I KRISTY

 

Kristy Jesoa no Lohan’ny Fiangonana ary ny Fiangonana kosa no vatana na tenan’i Kristy.Tsy afa misaraka amin’ny loha ny vatana raha tiana ny hitomboany. Dia tahaka izany koa ny Fiangonana raha te handroso sy hitombo amin’ny finoana dia tsy afa-misaraka amin’i Kristy.

 

Ny fifamenoan’ny fanomezam-pahasoavana samihafa eo amin’ny mpino tsirairay no mampandroso ny fiangonana ary izany dia eo ambany fitarihan’i Kristy. Raha misy olona nomena sy manana fanomezam-pahasoavana nefa tsy mampiasa na tsy vonona ny hampiasana izany ho fampandrosoana ny fiangonan’Andriamanitra dia mandeha ila na ny fiainany aza,ary azo ambara fa toy ny mamono ny fiangonana izay vatan’i Kristy.

 

Tonga tety ambonin’ny tany Kristy Jesoa niara-nonina tamin’ny olona mba hameno sy hahatonga ny fanomezam-pahasoavana ho an’ny tsirairay ho fampandrosoana.

 

Ny mpino tsirairay  dia nomen’ny Tompo fahasoavana manokana (talenta-antso) mba hampiorina azy tsara sy hampandroso ary koa hifanompoana amin’ny hafa ho fampivelarana ny ambaindain’ny  Fanjakan’Andriamanitra.

 

Raha mitoetra mahatoky ny mpino tsirairay izay vatan’i Kristy dia hitombo sy hihalehibe amin’ny fahalalana sy ny fitiavan’i Kristy. Amin’izany no mampandeha mirindra tsara ny vatana (ny fiangonana)eo ambany fitarihan’Izy  Kristy. Fa ny tsy fampiasana ny fanomezam-pahasoavana  na tsy famaliana ny antso dia mitarika ho amin’ny fahasembanan’ny tena dia ny fiangonana. Ary ny mpino tsy mampiasa izay nomen’ny Tompo koa dia toy mandevin-talenta sy manao izay tsy handrosoany ho amin’ny fahatsarana.

 

Koa alao hery ary, fohazy sy etseho ny maro, dia ny mpino rehetra hampiasa ny fanomezam-pahasoavana nomen’ny Tompo azy,mba hitomboan’ny tena sy hahafahan’ny fiangonana mandroso.

 

Fa isika koa tsy naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana ,fa naman’izay mandroso ho amin’ny famonjena ny fanahy.

 

2-MITOMBO AMIN’NY FIRINDRANA SY FIFAMENOANA

 

Ny fampiasana ny talenta sy ny fanomezam-pahasoavana  izay arindra sy hampifamenoana tsara , dia milaza ny fampiasana izany sy ny fandraisana andraikitra araka ny tandrify ny tsirairay.

 

Ny asa fanompoana ao amin’ny Fiangonana ,dia ilàna  fandrindrana sy fifamenoana ka tsy hisy hihevitra ho manana ny fanomezam-pahasoavana ambony noho ny an’ny hafa na handray ny talentan’ny sasany ho tsy mahomby fa ambanimbany kokoa.

 

Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana fa ny Tompo dia iray ihany,ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana fa ny Fanahy niantso sy nanome ireny dia iray ihany.

 

Ny firindrana tsara sy fahaizana mampifameno ny fanomezam-pahasoavana ananan’ny tsirairay  no miteraka voka-tsoa fa tsy korontana,satria toy ny vatana iray ihany ny mpino rehetra.

 

Fa raha misy ratsam-batana mihevitra hihazona samirery ny anjara tokony hataon’ny hafa dia miteraka  fikorontanana sy aretina eo amin’ny vatana iray manontolo izany.

 

Fa ny Fitiavan’i Kristy  ampanajakaina  eo amin’ny fiainan’ny mpino sy ny fiangonana no mahatanteraka ny firindrana tsara sy mahomby ary mampandroso.

 

Ny mpino mahatoky ary ry havako dia afaka mampiasa ny fanomezam-pahasoavana nomen’ny Tompo azy ary vonona hatrany handray andraikitra sy anjara amin’ny fampandrosoana ny fiangonana sy ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny fitiavana.

 

Raha tonga ny fanontaniana hoe : « aiza re no ahitana fiangonana sy mpino mampirindra sy maneho ny fifanompoana amin’ny fitiavana toy izany ary ny fijoroana ho vavolombelona mahatoky ? » Dia mba ho isan’izay hiteny isika hoe :Mba ho izahay sy ny fiangonanay anie no homen’ny Tompo izany.

 

 

Mahereza indrindra ry havako.

Dernière mise à jour de cette page le 25/11/2009

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum