ZOMA 12 MARS 2010.NY MOFON'AINA:NY ZAVA-MIAFIN'NY FINOANA

 

 

 

ZOMA 12 MARS 2010

 

NY MOFON’AINA

 

EFESIANA 3.14-19   HIRA  498

 

NY ZAVA-MIAFIN’NY FINOANA

 

Ry havana,

 

Homba anareo anie ny fahasoavana. Faly indray mamangy sy mihaona aminareo amin’ny alàlan’ity fifampizarantsika ity. Asehon’Andriamanitra aminareo hatrany anie ny zava-miafin’ny Fanjakan’Andriamanitra izay inoana sy antenaintsika, ary na aiza na aiza no misy anareo dia hahita soa hatrany anie ianareo.

 

Ny halehiben’ny Fitiavan’Andriamanitra mampifandray ny mino rehetra  ary mikendry indrindra ny hahalalan’ny mino sy hiainany izany Fitiavan’i Kristy izany no fototr’ity Epistily ity. Tsy maintsy manana fifandraisana sy mitoetra ao amin’i Kristy amin’ny finoana sy ny fahitsiana tsy misy olakolaka ny mino raha te-ho velona finaritra sy hahita izany zava-miafina izany.

 

1-KRISTY MITOETRA AO AM-PON’NY MINO

 

Hita eto ny fiantsoana sy fanasana ny mino rehetra hifaly sy hiravoravo eo anatrehan’ny Fahendrena sy ny Fitiavan’Andriamanitra izay naseho sy naharihary tamin’ny fahatanterahany ao amin’i Kristy.

 

Ny teny fikasana ho an’ny Israely  ny amin’ny fifidianana sy  maha vahoakan’Andriamanitra azy ireo dia nitatra ka nomen’Andriamanitra ny olona rehetra izay mino; ary noho ny amin’i Jesoa Kristy izay efa tonga tahaka ny anankiray amintsika, nanaiky ho faty nefa nitsangana tamin’ny maty ho fananganana ny mino rehetra koa.

 

Misy antony ny tantara ary ny fisian’ny Fiangonana dia ny hampahafantatra  ny olona rehetra ny famonjen’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina no hery  miasa ao amin’ny mpino ka mampahery sy mampahatanjaka ary mampitombo ny finoana ananany mba hahafahany mandray an’i Kristy hitoetra ao am-pony. Ary mampiray ny mino rehetra ho tonga fianakaviana iray ihany noho ny finoana.

 

Ny fitoeran’ny mino ao amin’i Kristy ary Kristy ao amin’ny mino ary miorina sy mitoetra tsara amin’izany no anehoan’Andriamanitra ny zava-miafina  ny amin’ny fiainan-danitra.

 

Ny Fitiavan’Andriamanitra izay naharihary tao amin’i Kristy ka nampiray ny mino rehetra  ho tonga ankohonana iray. Tena fahagagana lehibe indrindra izany satria na ny mpifahavalo aza rehefa nandray ny finoana tonga mpirahalahy, ary ny olona nankahalaina tonga sakaiza , ary ny Fitiavan’i Kristy mihitsy  no mitoetra sy tamana ao am-pony.

 

Hivelomy ary ry havako ny tena finoana  ary aoka tsy hiahotra fa hahajoro tsara amin’izany mba ho tena mpaneho koa ny zava-miafina dia ny Filazantsaran’I Kristy.

 

2-MIAINA NY FITIAVAN’ANDRIAMANITRA

 

Zava-miafina tsy takatry ny tsy mino izany, ary heverina ho toy hadàlana aza ny fiainana izay nampanantenain’i Kristy. Izao anefa ny fahendrena eo amin’ny olona dia fahadalàna eo anatrehan’ Andriamanitra. Tahaka ny olona tsy mahalala fa ny ngidin’ny fanafody iray dia mety mitondra fahasitranana amin’ny aretina iray.

 

Tsy misy anefa olona afaka hihambo na hirehareha ho feno sy manana ny fahalalana rehetra ny amin’ny Fitiavan’i Kristy. Fa noho ny Asan’ny Fanahy Masina dia ho fantatry ny mino izay mandray ao am-pony marina ny finoana an’i Kristy  izany Fitiavana izany.

 

Ny fitoeran’ny mino amin’ny finoana sy hitoeran’i Kristy ao amin’ny mino dia hihoatra noho izay noeritreretiny izany haben’ny Fitiavan’Andriamanitra izany. Ary tamin’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty no andraisantsika ny famonjena.

 

Ry havako, raiso sy ivelomy àry ny finoana an’i Kristy mba hampitombo antsika amin’ny fahafantarana ny Sitrapon’Andriamanitra sy hiandrasantsika amin’ny fanantenana ny Fanjakan’Andriamanitra.

Dernière mise à jour de cette page le 11/03/2010

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum