ALAHADY 14 FEBROARY 2010
VATSIM-PANAHY
EFESIANA 2 .1-10
MAMELONA ANTSIKA ANDRIAMANITRA
Misy fomba fiaina izay mitondra ny fahafatesan’ny olona ara-panahy, dia ny fifikirany sy ny fanarahany an-jambany ny fiheveran’ny tenany manokana ary tsy mitodika amin’Andriamanitra ka entiny manohitra ny Sitrapon’Andriamanitra izany.
Raha nanoratra ho an’ny Efesiana Paoly dia te- haneho fa ny famonjena sy ny fampihavanana ary ny fampiraisana ny olona ao amin’i Jesoa Kristy no fototry ny Asan’Andriamanitra.
Andriamanitra te hanome fiainana hatrany ny olona ka:
1-NANALA ANTSIKA AVY AMIN’NY FAHAFATESANA HO AMIN’NY FIAINANA.
Ny fiheveran-tenan’ny olona sy ny samy maka ho azy ka nanoherany ny Sitrapon’Andriamanitra sy ny nandavany an’i Kristy no
Ny fankatoavana ny fanangolen’i satana no nitondra ny fiheveran-tena ho zavatra , ny fahadisoan-kevitra lehibe ka nitondra ny olona ho amin’ny fanaon’izao tontolo izao (tsy manaiky an’i Kristy fa mandeha araka ny filàn’ny nofo ranofotsiny ary ny mihevitra ny mandrakizay.) Io fahadisoana io sy ny fahotany no nitondra ny olona ho amin’ny fahafatesana, ary tsy ny fahafatesan’ny nofo ihany fa ny fahafatesan’ny fanahy indrindra koa.
Toa Andriamanitra minia mikimpy mihitsy mba hamonjena sy hamelomana ny olona indray avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana. Izany no fahasoavana, famindrampo ary mbola antso vaovao hatrany atao ho an’ny maro.
2-AVY AMIN’ANDRIAMANITRA NY FIAINANA KA MANANGANA ANTSIKA HIARA-MIAINA AMIN’I KRISTY.
Mahagaga ry
Izy Jesoa Kristy no fihavanantsika izay naha-iray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana tamin’Andriamanitra.
Avy amin’Izy Andriamanitra ny zavatra rehetra hahazoam-piainana. Izy no manafaka ny olona amin’ny toetra sy fanao tsy mitera-bokatsoa. Izy no manala ny olona avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana, ary ao amin’i Kristy sy ny fiainana miaraka Aminy izany fahavelomana vaovao izany.
Mitondra fiovam-piaina vaovao ny velona ao amin’i Kristy ary ao Aminy no hitohizan’ny famonjena sy ny fiainana.
Tamin’ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty no isantaran’izay mino rehetra koa ny fananganana amin’ny maty sy handraisany ny fiainana. Natsangany sy novelominy hiara-miombona fiainana sy ho mpiray lova amin’i Kristy ao amin’ny fanjakana mandrakizay izay nomanina ho an’ny mino rehetra .
Raha mino isika, dia ho tanteraka tokoa izany.
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum