NY OLOM-BAOVAO AO AMIN'I KRISTY

ALAROBIA   02  DESAMBRA 2009

 

NY MOFON’AINA

 

EFESIANA   4.17-24         HIRA  510

 

 

NY  OLOM -BAOVAO  AO AMIN’I KRISTY

 

Ry havako,

 

Ny  Fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra anie ho ao aminao sy izay rehetra mandray izao mofon’aina ifampizarana izao.

 

Faly indray mamangy ny tsirairay amin’ity alarobia 02 Desambra 2009 ity, ary ho tafian’ Andriamanitra ny fiainam-baovao tokoa anie ny mpino matoky Azy. Ary na aiza na aiza ahazoanao mandray ity fifampizarana ity dia ho tahiana tokoa anie ianao.

 

Ny olom-baovao ao amin’i Kristy no ataontsika lohatenin’ny mofon’aina  anio.

 

Tsy azo tanterahina mihitsy izany hoe ho velona amin’ny fitomboana ara-panahy izany  raha tsy misy fiovana  sy fiofona tanteraka eo amin’ny fomba fisaina sy fomba fiaina.

 

Ny mpino kristiana izay te ho velona amin’ny maha-olom-baovao azy, dia tsy maintsy manaiky koa havaozin’ny Fanahy Masina amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana ary ny fahamasinana. Atao ahoana tokoa moa no hahafantaran’ny olona sy izao tontolo izao hoe : marina amin’ny fitondran-tenany ny kristiana raha tsy hita mihitsy izay fiovana sy toetra vaovao izay tafiany izay. Jesoa Kristy no modely sy fianarana ho an’ny mino ary raha misy olona ao Aminy dia olom-baovao izy satria izay nandray Azy dia mitafy toetra vaovao koa sy hita eo amin’ny fiainan’ny mpino isan’andro izany maha-olom-baovao izany.

 

Te ho OLOM-BAOVAO ary ve izaho sy ianao, inona no tokony ho fara-fahakeliny hita eo amintsika raha izany ?

 

1-MIALA AMIN’NY FOMBA  FANAO TSY MAHOMBY

 

Amin’ny fiteny mahazatra, dia  hoe :miala amin’ny toetra jentilisa  tsy araka an’ Andriamanitra izay misafotofoto na ny fiainany aza, tafahitsoka amin’ny fahamaizinana amin’ny filalaovan-dratsy sy ny fahafinaretan’ny nofo fotsiny,tsy misy fahamarinana sy fahitsiana . Velona tahaka ny zava-boahary manan’aina tsotra fa tsy hita ao aminy mihitsy ilay toe-panahy araka an’Andriamanitra.

 

Ny mpino mandray ny fiainam-baovao dia miala amin’ny toetra jentilisa ary miezaka ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra, manary ny fanao mahazatra izay tsy maneho ny fahamasinana sy ny Voninahitr’Andriamanitra.

 

Ialany tanteraka izay toe-panahin’ny fanompoan-tsampy mety hampisaraka amin’ Andriamanitra, ny fakana saina amin’ny maty,ny fahatokiana ny kisendrasendra , ny fanandratana ny harena sy ny voninahitra ary ny fitiavan-tena mihoatra noho ny fitiavana an’Andriamanitra.

Toetran’ny jentilisa koa ny manaraka ny hevi-poana, mafy fo sy maditra, tsy misy henatra intsony , mivarilavo amin’ny fihetsika tsy maotina sy mahamenatra indrindra aza,revo manara-po amin’ny fahalotoana sy ny filalaovana isan-karazany. Lavitra azy izay fiheverana ny momba an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny hafa, fa satriny hatrany ny higalabona amin’izay mahafinaritra azy fotsiny sy ny hahitany voninahitra.

 

Ny Kristiana dia mpino nandray an’i Kristy ary mitafy toetra vaovao, ary niova tanteraka ka nanary ny fanaon’izao tontolo izao , tsy nihazona ny fiainana taloha sy izay ratsy mahamenatra na dia ny hilaza azy aza. Tonga olom-baovao tanteraka ary maneho ny fahazavana sy ny Voninahitr’i Kristy eo amin’ny fiainany sy ny ataony isan’andro.

 

Te ho velona finaritra va ianao, te ho olom-baovao marina, raiso ho fiainana ho anao Jesoa Kristy ary minoa sy matokia fa hataony tanteraka izany ary dia ho hitanao fa hamirapiratra eo aminao ny Voninahitr’Andriamanitra.

 

2-OLOM-BAOVAO MITAFY TOETRA VAOVAO

 

Na kristiana io na fiangonana iray manontolo rehefa hanjakan’ny Fiatiavan’i Kristy sy mino  Azy marina tokoa,dia mitafy toetra vaovao, ary miala amin’ny toe-tsain’ny fizarazarana sy ny fifankahalana.

 

Mpino mitafy toetra vaovao ! Tsy misy fifaliana mihoatra ny  toy izany ry havako ary maneho fa an’i Kristy marina ny kristiana mino,ny fiangonana mifankatia sy tia fihavanana,tsy mora sosotra sy mora mankahala.

 

Ny toetra vaovao mantsy dia raisina avy amin’i Kristy ary Kristy ao amin’ny mino. Ny nandre Azy fotsiny tsy ampy ary ny mianatra ny Aminy tsy tanteraka, ny mandray Azy tsy lavorary , fa ny hahatanteraka izany dia ny fiainana ao aminy,ny mianatra Azyary mankato ny baikony dia ny didim-pitiavana.

 

Izany fiainana  ao amin’i Kristy izany no manala ny aizin’ny tsy fahalalana sy ny toetra taloha ary ny rehaka momba izao fiainana izao,izay toetra mihasimba sy miharatsy hatrany.

 

Ny fampianarana ny amin’i Kristy ,ny fandraisana ny Filazantsara Velona no manefy ny mpino ho tonga olom-baovao  sy tanteraka tokoa eo amin’ny fiainany manontolo.

 

Tsy toetra anaty sy miafina fotsiny izany,fa miseho tahaka ny lamba itafiana mihitsy ka ahitan’ny olona fa velona ao amin’i Kristy tokoa ny mpino sady manao ny marina,mandala ny rariny sy ny hitsiny ka tonga fianarana ho an’ny hafa koa.

 

Hoy ny tononkira hoe : « Jesoa ny hamarinanao no lamba itafianay….Ny hery sy ny antranao,toroy izao tontolo izao,ampandrosoy ny teninao,ampanekeo ny rafinao. »

 

Dia ho olom-baovao tokoa anie izaho sy ianao ry havako ka haneho izany toetra vaovao izany isan’andro eo anivon’ny fiaraha-monina misy antsika.   

 

Dia ho tahian’Andriamanitra ry havako.

Dernière mise à jour de cette page le 02/12/2009

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum