ALATSINAINY 08 FEBROARY 2010.NY MOFON'AINA:OLONA AFAKA IANAREO

 

 

ALATSINAINY  08 FEBROARY 2010

 

NY MOFON’AINA

 

DEOTERONOMIA   6.20-25  HIRA  487

 

OLONA  AFAKA IANAREO

 

 

Ry havako,

 

Ho aminareo mandrakariva anie ny Fiadanan’i Jesoa Tompontsika.

 

Indro indray ry havako ny Mofon’aina sy Vatsim-panahy atolotra antsika amin’ity anio ity, ary dia mirary ny fitahiana sy ny fahasoavana ho anareo hatrany.

 

Ny boky  Deoteronomia dia mamerina  sy mampahatsiaro ny zanak’Israely ny nanafahan’Andriamanitra azy ireo sy ny nitondrana azy eo amin’ny tany nampanantenaina izay lazaina fa tany tsara sy mahavokatra.Maneho ireo fitsipi-piaina tokony arahin’ny navotan’Andriamanitra rehetra avy ao amin’ny tany nanandevozana tany Egypta.

 

Ity voalaza eto ity dia tena milaza ny  Fanekem-pinoana Israelita izay mampiorina ny finoany amin’Andriamanitra mpanafaka sy mpanome fiainana fa tsy amin’ny andriamanitry ny Kananita izay nobaikona sy nampihetsehina vao mihetsika no ahitana ny fitahiana sy ny fahavelomana  fa amin’Ilay Andriamanitra velona izay nitondra  niala tany Egypta ho amin’ny fahafahana.

 

Fanekem-pinoana natao ampitaina amin’ny taranaka mifandimby izany fanafahana izany  sy ny tsy tokony hanadinoany an’Andriamanitra noho ny soa rehetra nataony. (and.20). Ny hafatra ho an’ny Israelita rehetra ary tsy ho azy ireo ihany fa ho an’ny mino rehetra koa satria:

 

1-NOHAFAHAN’ANDRIAMANITRA

 

Ity Soratra Masina ity, dia mampahatsiaro mihitsy fa efa  nohafahan’Andriamanitra ny zanak’Israely ary izany fanafahana izany dia ambara amin’ny taranaka fara mandimby. Izy Andriamanitra ihany no fototry ny fitahiana sy ny fahavokarana ary ny fahombiazana rehetra. Eto no mampahatsiaro ilay fanafahana niala avy tany Egypta tamin’ny Paska sy ny fitoerana ao amin’ny tany Kanana.

 

Tsy ny andriamanitra izay notompoin’ny Egyptiana na Bala andriamanitra notompoin’ny Kananita no manome fahavokarana sy fahafahana, fa  Andriamanitra Velona izay efa nanao fanekem-pihavanana tamin’i Abrahama  ka nanome ny fitahiana rehetra.

 

Andriamanitra mpanafaka no miteny koa amin’ny olona nohafahany fa olon’afaka izy, ary fitandremana ny fitsipika sy ny didy nomeny no hahazoana fiainana. Io Andriamanitra nanafaka io no nandrava ny efitry ny fisarahana rehetra sy nandringana ny fahavalo ka nitondra ho eo amin’ny tany nampanantenaina.

 

Ny fankatoavana ny fitsipika sy ny finoana no iavahana amin’ny firenena sy ny olona tsy manan-dalàna sy fitsipika  mitondra fiainana.

 

Ny mino rehetra koa dia efa nohafahana tamin’ny fanandevozan’ny ota ka nomena fiainana sy ny fitahiana rehetra. Fa raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy. Kristy no fihavanantsika ka nandrava ny efitry ny fisarahana rehetra sy nampihavana antsika amin’Andriamanitra. Ary izany no nanambaran’ny Apostoly Paoly fa Andriamanitra ninia tsy nijery ny tsy fahalalantsika fa ankehitriny kosa, dia mandidy ny olona rehetra mba hibebaka. Fa ny teny fikasan’Izy Andriamanitra dia ho antsika sy ho an’ny zanatsika ary na iza  na iza antsoin’ny Tompo hanatona Azy.

 

2-ZANAK’ANDRIAMANITRA NOVONJENA

 

Tsy ny famonjena sy ny fanafahana niala avy tany Egypta ihany no niantsoan’Andriamanitra ny olony, fa ny Fitiavany indrindra ka nanaovana  azy ireo ho zanak’Andriamanitra.

 

Mitondra fahasoavana sy fitahiana ny fankatoavana Azy Andriamanitra, ary tsy izany ihany fa tsy misy fitsaharana izany fitahiana izany , nefa koa dia mitaky ny faharetana. Tonga velona manana ny fiadanana izay omen’Andriamanitra sy tonga marina eo anatrehan’Izy Andriamanitra.

Endrey manao ahoana tokoa ny fitiavana nomen’ny Ray ho antsika , dia ny niantsoana antsika hoe:zanak’Andriamanitra sady izany tokoa isika.

 

Tian’Andriamanitra ho amin’ny fiadanana tanteraka ny olona ka nomeny ny fitsipi-piainana ho tari-dalana arahina. Tsy ho an’ny Israelita ihany izany fa ho an’ny mino rehetra koa.

 

Ity Deoteronomia ity dia famerenan-teny ho an’ny zanak’Israely rehetra  itodihany hatrany amin’Ilay Andriamanitra mpamelona sy mpanafaka azy, nefa tsy ho azy ireo ihany, fa hampahatsiaro ny mino rehetra koa ny amin’izay fanafahana natao ho azy ireo tamin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy.

 

Tsarovy ary ry havako, fa olona afaka ianao ary tsy hoe afaka fotsiny fa tonga zanak’ Andriamanitra noho ny finoana an’i Jesoa Kristy.Koa aoka hivelomantsika tokoa izany fahafahana izany ka andehanantsika mendrika ny fiantsoana sy ny fitiavan’Izy Andriamanitra ao amin’i Kristy.

 

 

Dernière mise à jour de cette page le 07/02/2010

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum