DEOTERONOMIA 32.36-43

 

 

        ALAROBIA   20 JANOARY 2010

 

« ……Raha Velona koa Aho mandrakizay.” Deoteronomia 32.36-43

 

NY MOFON’AINA

 

DEOTERONOMIA  32.36-43     HIRA  475

 

ANDRIAMANITRA  VELONA MANDRAKIZAY

 

Ry havako,

 

Homba sy hiaro anao sy ny ankohonanao mandrakariva anie Ilay Andriamanitra Velona mandrakizay ka hanome ny fitahiany ho anao isan’andro.

 

Velona  mandrakizay Andriamanitra  izay Tompointsika, midika izany fa misy koa ny andriamani-tsy izy izay ankatoavin’ny olona nefa voafetra, na ny heriny, na ny fahefany, na ny fahavelomany. Fa Andriamanitra ao amin’i Kristy kosa izay manao fanekena na fianianana mihitsy amin’ny vahoakany fa hanavotra sy hanafaka eo amin’ity Soratra  Masina voalaza etsy ambony ity , dia velona mandrakizay ary tsy  hamela ny mino ho fadiranovana sy hijaly lalandava.

 

Ny Testamenta Taloha dia maneho  ny fisehoan’Andriamanitra ho toy ny manana ny toetra sy fomban’ny olona ka ilazàny hoe:“Fa manangana ny tanako amin’ny lanitra Aho…” Ny lanitra  izay maneho ny seza fiandrianana sy ny Voninahitr’Andriamanitra no hanaovan’Izy Andriamanitra  tenany fianianana,  fa tsy hijanona fotsiny Izy, ka hamela ny olona hijaly. Izy mihitsy no hiditra an-tsehatra. Tahaka ilay fiteny mahazatra ny maro izay manao fanambarana miezinezina, fa “raha mbola izy koa no izy, dia hanao zavatra tokoa,saingy indraindray tsy mahatanteraka izany”. Fa ny an’Andriamanitra kosa  eto dia ho tanterahiny tokoa.

 

1-HANAFAKA NY  OLONY ANDRIAMANITRA

 

Nivadibadika mandrakariva ny zanak’Israely, ary izany dia niteraka ny fanotàny sy ny fialàny tamin’Andriamanitra. Navelan’Andriamanitra hanao izay tiany ny olona ary nandeha tany amin’ izay sitraky ny fony, navela hahita ny vokany izay toa zary mangidy sy fijaliana aza noho ny fisarahany tamin’Andriamanitra.

 

Io famelana ny olona handeha amin’izay tiany sy hijinja ny vokatr’izany io, ny nandaozany an’ Andriamanitra dia nataon’ Izy Tompo koa ho fitaizana sy ho famaizana aza; “mifalia, mandehana amin’izay sitraky ny fonao kanefa amin’izay ataonao rehetra tsarovy ny  farany.”

 

Malahelo amin’izay manjo ny olona koa anefa Andriamanitra ary tsy hamela azy hijaly  mandrakizay, ary eto dia manome toky fa hanafaka ny olony Izy. Raha velona koa Aho mandrakizay. Andriamanitra vonona haneho ny heriny sy ny fahefany, tsy hery hamono fa hery hanafaka sy hamaliany ny mankahala mba ho famonjena ny olony. Andriamanitra hamaly ny mpanao ratsy sy ny mpivadika tsy manaiky hiverina amin’ny finoana Azy, fa hanao fanavotana kosa ho an’ny olony izay mino.

 

Andriamanitra mahatsiaro ny nijereny fotsiny ny Israely  sy toy nahafoy azy ireo ka nahatonga ny fahoriana sy ny fijaliana nianjady tamin’ny olona. Fa izao kosa Izy mihitsy no hitsangana hanavotra ny olony sy hanafaka azy raha mino ireo.

 

Natao ho antsika mihitsy izany ry havana, isika no hiantefan’ny antsom-pamonjen’Andriamanitra, tahaka ny nanaovan’ny Tompo hoe: “miverena ry Israely mpiodina”, “fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, ka izany no nampaharetako famindrampoko aminao.” Tena fifaliana sy fanantenana ary toky ho antsika koa izany. Izany no nanomezany an’i Jesoa Kristy ho an’izao tontolo izao ary ao anatiny izany izaho sy ianao.

 

Raha tiantsika ny ho afaka amin’ny jaly, ny geja , ny fahoriana samihafa ka hiainantsika ny fifaliana sy ny fiadanana , andeha hiverina amin’Andriamanitra ary andeha hampiorina mafy ny finoantsika isika, ka minoa fa ho faranan’Andriamanitra ny toa nahafoizany antsika.

 

2-HANAFOANA NY FAHATEZERANY  AMIN’NY OLONA  IZY

 

Ny mpanao Salamo dia niventy ny hira fisaorana sy fideràna ka nanao hoe: “Ny famindrampon’ Andriamanitra no tsy nahalany ritra antsika, io famindrampo no hiraina satria vaovao isa maraina izany”. Andriamanitra fitiavana miditra eo amin’ny tontolo misy antsika izay miady, misavoritaka, feno ota sy fivadihana amin’Izy Andriamanitra mba hanafaka antsika. Ary ny famaizana izay nataony ho an’ny olona dia tsy zavatra kely, kanefa ireny koa no entiny mitaiza antsika ho amin’ny finoana sy ny fahatokiana Azy. “Miverena Amiko ianareo hoy Izy dia mba hiverina aminareo Aho.” Izany no midika fa mampitsahatra ny fahatezerany amin’izay miverina Aminy marina Andriamanitra,  mamindra fo amin’ny olony, ka tsy nanao izay hahalany ritra azy.

 

Fa z’inona moa isika raha mitaha amin’izay noharian’Andriamanitra sy izay any ankoatra ny hitan’ny masontsika no dia hanehoan’Andriamanitra famindram-po lava izao? Tsy fahafirin’izay voaharin’Andriamanitra tokoa isika, mety misy ny tsara lavitra noho isika ary mahay manome Voninahitra Azy Andriamanitra, fa izao  noho NY FITIAVANY ANTSIKA  ka te hanome fiainana ho antsika isan’andro Izy.

 

Raha nanampatra ny fahatezerany  amin’ny olona Andriamanitra, dia tsy hisy ho velona fa ho ringana avokoa, fa saingy izao:tia antsika Izy , te hanavotra ny vahoakany sy hamonjy ny olona Izy, te-hamonjy ny firenena Andriamanitra, ka nanao fianianana fa: “ Raha Velona koa Aho mandrakizay” hoy Izy , dia haneho izay fahefany sy fitiavany hamonjy ny olony izay ka hanafoana sy hampitsahatra ny fahatezerany.

 

 

Toky omen’Ilay Andriamanitra Velona ho antsika izany ry havako, ary minoa fa ho tanteraka  amintsika tokoa noho ny amin’i Jesoa Kristy izay miandany amin’ny mino sy matoky Azy.

 

Ho tovin’Andriamanitra tokoa anie ny fikasany hamonjy sy hanafaka ny olony.

 

 

Dernière mise à jour de cette page le 19/01/2010

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum