TALATA 16 MARS 2010
« Mahereza sy matanjaha ; aza matahotra na manahy azy ; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao ;tsy handao anao na hahafoy anao Izy. » Deoteronomia 31.6
NY MOFON’AINA
DEOTERONOMIA 31.1-8 HIRA 465
AZA MATAHOTRA FA TSY MANDAO ANDRIAMANITRA
Ry havana,
Ho aminao sy ny ankohonanao mandrakariva anie ny Fiadanan’i Jesoa Kristy Tompo ary hiara-mandeha aminareo hatrany anie Andriamanitra.
Mankasitraka indrindra ry havako amin’ny fandraisana tsy tapaka ny mofon’aina ifampizarantsika ; ary na aiza na aiza toerana andraisanareo izany dia ho fenoin’Andriamanitra ny Fitahiany anie ianareo.
Miara-mandeha amin’Andriamanitra, izany no hamintinantsika ny hafatry ny Soratra Masina anio; ao anatin’ny teny sy tsodrano nataon’i Mosesy mialoha ny hahafatesany tamin’i Josoa izay handimby azy izany. Andriamanitra tsy misaraka amin’ny vahoakany na inona na inona mety hihatra eo amin’izay alehany.
Josoa notendrena ho mpitarika ny zanak’Israely ho any Kanana eto, fa Andriamanitra ihany no miandraikitra ny fitarihana sy ny tolo-tsaina rehetra hahafahana mandroso ho eo amin’ny tany nampanantenaina.
Ny hafatra ho antsika avy amin’izany ary dia :
1-MATOKY FA MOMBA NY VAHOAKANY ANDRIAMANITRA
Aza matahotra fa momba ny vahoakany Andriamanitra, Izy Andriamanitra mihitsy no miaraka amin’ny olony sy izay rehetra mino Azy, fa Josoa dia mpitarika ihany fa ny tolokevitra rehetra ny amin’ny hitondrana ny olona dia avy amin’ny Avo indrindra.
Raha tena manaiky sy miaiky ary manao ny marina sy mahitsy koa ny mpitarika rehetra eran-tany ka tsy hiantehitra fotsiny amin’ny hery sy ny fahefany fa hametraka ny fitantanany rehetra amin’Andriamanitra, dia azo antoka fa hiadana ny tany ary handry fahalemana ny fiaraha-monina. Saingy mandrakariva rehefa mby eo amin’izay isandratany ny mpitarika, dia sady tsy mihevitra an’Andriamanitra intsony no tsy mitsintjo ny vahoaka. Ary na dia atao hoe tsy isan’izay mino koa aza, dia fara-fahakeliny tokony hisy sombim-pahendrena hitondrana ny vahoaka ho amin’ny fifaliana sy ny fiadanana.
Eto ary, dia aseho mazava fa Andriamanitra ihany no antoka sy toky ho an’ny mino ka hahatanteraka ny tanjona kendrena hampiadana ny maro. Andriamanitra mampahery sy manala ny tahotra ho an’izay matoky Azy ka mampanantena fa tsy hiala amin’ny vahoakany ary homba azy tokoa sy hiara-mandeha amin’izay mpitarika mahatoky sy miantehitra Aminy.
Andriamanitra mihitsy no nitondra ny zanak’Israely niala avy any amin’ny tany nanandevozana tany Egypta, fa fitaovana ihany Mosesy sy ireo izay nantsoina hanampy azy. Ilay Andriamanitra velona dia tsy nahafoy ny olony fa niara-dàlana taminy , Izy no niaro,nitondra ary mampididitra azy ireo eo amin’ny tany nampanantenaina.
Rehefa miaraka amin’Andriamanitra tokoa ny mino, dia tsy misy ahiana na dia izay mafy indrindra aza, hevero fa efapolo taona tany an’efitra, ny fitafy tsy rovitra, ny kapa tsy lany ary ny vava tsy nataon’Izy Tompo diso sakafo sy fitahiana .
Raha mino sy matoky koa isika, ary ny mpitarika rehetra manaiky sy mankato fa eo Andriamanitra ka manaiky hanao ny Sitrapony, dia tsarovy fa tsy ho diso fitahiana na ny mino na ny firenena. Fa ny mifanohitra amin’izany kosa, dia miady amin’ny Tsitoha kanefa tsy haharesy Azy, tahaka ireo mpanompo sampy sy fahavalo samihafa teny andàlan’ny dia ho any Kanana dia rava maina sy resy tosika rehefa tsy manaiky ny hery sy ny fahefan’Andriamanitra.
2-MATOKY FA TSY MANDAO NY OLONY ANDRIAMANITRA
Na dia nandalo fisedrana mahamay aza ny zanak’Israely, niharan’ny fizahan-toetra samihafa, tao koa ny fivadibadihana sy ny fimonomononana dia nahatsiaro fa tsy nandao azy ireo Andriamanitra. Tao anatin’ny mafy indrindra aza dia zary nody fifaliana ireny satria niara-nandeha taminy Andriamanitra ka tsy nahafoy azy ireo. Voarakitra amin’ny tantaran’ny zanak’Israely izany ary hita amin’ny boky hafa koa aza ankoatra izay voalazan’ny Soratra masina.
Andriamanitra mandray andraikitra amin’ny olona izay matoky sy manaiky ny Sitrapony ka manaraka ny didy sy ny toro-marika avy Aminy, Izy Andriamanitra mihitsy no mandray an-tànana ny fiainan’izay matoky azy.
Andriamanitra Tia tsy miova amin’ny teny fikasany dia te hitaiza ny olony kanefa koa miantoka ny mpanompony sy manatrika azy mandrakariva.
Ao anatin’ny fizahan-toetra ary, andeha handini-tena isika, ao anatin’ny fisedrana dia aoka hamantatra izay Sitrapon’Andriamanitra, raha misy ny tsy fankasitrahantsika ka mahatonga antsika hanota aza ka miamboho an’Andriamanitra, maneke heloka ary meteza hiverina Aminy, fa Izy dia Andriamanitra miara-dalana amin’ny olony sy tsy mandao fa eo aminy mandrakariva.
Isika koa ankehitriny raha mino sy matoky dia tsarovy fa tsy mandao Andriamanitra fa eo amintsika mandrakariva. Ary tao amin’i Jesoa Kristy koa no itenenany amintsika hoe: “mba ho ao aminareo ny fifaliako ka ho tanteraka ny fifalianareo”; ary nohamafisin’ny Apostoly tamin’ny filazana hoe: “mifalia mandrakariva, ary mivavaha ka aza mitsahatra.”
Dia ho amnareo koa anie ny fifalian’ny zanak’Andriamanitra
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum