ALATSINAINY 01 FEBROARY 2010
MANOME FAHAVELOMANA NY TOMPO
NY MOFON’AINA
DEOTERONOMIA 30.15-20 HIRA 531
FANEKEM-PIHAVANANA MITONDRA FIAINANA
Ry havana,
Ho aminao sy ny ankohonanao hatrany anie ny Fahasoavan’Andriamanitra izay efa nanao fanekem-pihavanana mitondra fiainana ho an’izay mankatò ny Sitrapony.
Faly miarahaba sy mamangy anareo indray amin’ny alàlan’ity fifampizarantsika ity. Ho fitsinjovana ny Sekoly Alahady FJKM amin’ny famoahana ilay Bokikely Mofonaina, dia tsara raha miverina amin’izay efa nataontsika teo aloha isika, fa raha misy maniry ny voasoratra ao amin’ny Bokikely kosa, dia iangaviana hanafatra any amin’ny Sekoly Alahady Foibe FJKM B.P 623 Antananarivo . Mankasitraka indrindra ry havako.
Ho raisintsika anio ary ny voasoratra ao amin’ny Deoteronomia 30.15-20,izay maneho ny fanekem-pihavanana nataon’Andriamanitra tamin’ny olona amin’ny fanomezana ny fitsipika izay ifamatorany tamin’ny zanak’Israely. Ny toko 29 sy 30 dia milaza izany avokoa ary mampiharihary ny fahavelomana ho an’izay manompo an’Andriamanitra velona, dia Izy izay manoro ny làlam-piainana. Fa etsy ankilan’izany kosa ny fahafatesana sy ny ozona ho an’izay mifikitra amin’ny fanompoan-tsampy. Nahoana tokoa moa ?
1-FIAINANA OMEN’NY TOMPO IZAY
Ny fankatoavana ny Sitrapon’Andriamanitra dia manambara sy maneho koa ny fahavononana amin’ny fanompoana Azy amin’ny fitiavana tsy misy fimenomenomana. Izany indrindra no antony nametrahan’i Josoa ny safidy teo amin’ny olona na ny andriamanitra izay efa notompoin’ny razany tany an-dafin’ny ony (ireo sampy marobe, ireo fireharehana, ny fitiavan-tena, ny avonavona, ny fieremana sy ny hafa koa)na Andriamanitra Velona izay nanome ny fahafahana sy fiainana ka nanala tamin’ny gejan’ny Egyptiana. Izany no nahatonga an’i Josoa hilaza hoe: “raha izaho sy ny ankohonako ,dia hanompo an’Andriamanitra Avo Indrindra izahay.”
Raha ny fankatoavana an’Andriamanitra , ny fihainoana ny feony , raha ireo no tanteraky ny olona dia hitondra fiainana sy fahasoavana ho azy izany. Andriamanitra ihany no antoky ny fahavelomana sy ny fahalavorarian’ny fiainana, ka manome ny fitsipika tokony arahin’izay vonona.
Ny fandraisana sy ny fampiharana ny fitsipika avy amin’Andriamanitra dia natao ho an’ny rehetra ary natao hitondra fahavelomana sy fiainana fa tsy fahafatesana.
Fa misy ny olona no zary mandray ho fomba sy fisehoana na ho toerana hihaonana sy fiadian-kevitra fotsiny ny fivoriam-pivavahana. Tsy mihevitra ny hanaraka izay tena Sitrapon’Andriamanitra, faly mitsikera sy manao izay hifanafintohinana amin’ny hafa. Misy ny mihevitra fa zary fananany ny Tranon’Andriamanitra ka rehefa tsy mifanitsy amin’izay heveriny ny atao sy araka ny sitrapony fa tsy ny Sitrapon’Andriamanitra dia zary mamboly hevitra hampisavorovoro ny hafa.
Fa ny mpino nisafidy an’Andriamanitra velona kosa, dia maneho ny zavatra ataony na izay ambarany aza dia amin’ny fitiavana sy ny fahatsorana avokoa. Mitondra fiainana sy fahasoavana ny fankatoavana ny tena Sitrapon’Andriamanitra.
2-FAHAFATESANA SY FAHARAVANA NY TSY FANKATOAVANA
Ny tsy fankatoavana dia miseho amin’ny endriky ny fiviliana tsy hanaraka ny Sitrapon’ Andriamanitra na mamily mihitsy ny hevitr’Andriamanitra araka ny safidin’ny tena. Io ilay fiteny mahazatra hoe: ny feon’ny vahoaka feon’Andriamanitra na dia tsy Azy Andriamanitra akory akory aza.
Ny vokatr’izany no mitarika fahafatesana sy faharavana. Ny tsy fihainoana sy ny fiankohofana amin’izay andriamanitra tsy izy dia midika koa ho fialàna amin’ny fiainana.
Ny tsirairay dia tompon’ny safidiny sy ny ho aviny, ka raha mifidy ny fiainana sy ny fahavelomana amin’ny fanarahana ny Sitrapon’Andriamanitra ny olona dia ho sambatra.
Ny Soratra Masinaa eto dia miteny sy manome safidy malalaka, ka anjaran’ny tsirairay ny mifidy izany na fiainana sy fiadanana na fahafatesana sy fandringanana.
Dia toy izany ihany koa na eo amin’ny fikambanana, ny fiangonana, napetraka ny fitsipika sy fifampitondrana araka ny Sitrapon’Andriamanitra heverina fa hampirindra ny asan’ Izy Andriamanitra. Fa raha misy tsy te hanaja izany na hankatò ny fitsipika dia afaka misafidy malalaka ny hiala ary hivelona amin’ny sitrapony manokana. Io no nahatonga an’i Paoly tsy nilefitra teo amin’ny fanaovan’ny hafa tsinontsinona ny Filazantsara, ka nahatonga azy hilaza fa tsy hisy fiantrana sy famindrampo mihitsy.
Tsy vitsy tokoa anie ry
Mba ho isan’izay velona manao ny Sitrapon’Andriamanitra tokoa anie izaho sy ianao, ka hanao ny asany sy ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny fahatsorana sy ny fitiavana.
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum