ALAHADY 24 JANOARY 2010
« Fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay. » Daniela 6.27 b
VATSIM-PANAHY
DANIELA 6.26-29 MATIO 16. 13-19 II KORINTIANA 3.1-6
FINOANA VELONA IAINANA
Ry havana,
Nomena toerana ambony teo amin’ny fanjakan’i Darius Amperora i Daniela izay jiosy mpivavaka tsara sy nino an’Andriamanitra Velona.
Amin’ny maha mpino sy mpivavaka marina azy, dia tsy nety nivavaka tamin’ireo karazan’ andriamanitra tsy izy izay notompoin’ny fanjakana tamin’izany izy, indrindra ny fivavahana tamin’ny mpanjaka. Nohampangaina sy natolotra teo amin’ny mpanjaka ho toy ny mpamadika i Daniela, ary dia navoaka ny didy ka natsipy tao an-davaky ny liona mba tsy hisy ho tavela na dia singam-bolo iray aza.
Noho ny finoana an’Andriamanitra velona anefa dia nandresy Daniela, tsy naninona azy ireo bibidia. Teo no nahatsapana sy nampiaiky ny mpanjaka fa lehibe ny Andriamanitr’i Daniela ary namoaka didy izy fa hatramin’izao, dia ny Andriamanitr’i Daniela no hotompoin’ny olona manerana ny fanjakana, fa Izy ihany no Andriamanitra Velona.
Ny azo raisina amin’izany dia : Andriamanitra Velona maneho ny fahavelomany amin’ny fiarovany ny mpanompony izay matoky Azy marina ka handreseny na dia ny sarotra indrindra aza. Izany no finoana velona iainana.
1-NY FINOANA VELONA IAINANA MAMPIAIKY NY MAHITA IZANY :
Nampiaiky na dia ny mpanjaka aza ny herin’Ilay Andriamanitra velona nivavahan’i Daniela . Nahariharin’Andriamanitra teo amin’ny finoana velona izay niainana ny Heriny ka nandresena na dia ny fahafatesana aza.
Ny fahitan’ny mpanjaka izany no nahatonga koa ny fijoroany ho vavolombelona hanaiky fa Velona tokoa Andriamanitra Avo indrindra ary Izy ihany no tokony ho Tompoina.Tena fahasahiana mandray fanapahan-kevitra hanaraka izay azo antoka izany. Fa ilay Amperora natao ivavahana sy natao ho andriamanitra iankohofana miaraka amin’ireo sampy marobe no nahatsapa ny maha tsinontsinona azy, ka nanao fanekem-pinoana ary voasoratra sy natao am-pahibemaso. Tahaka ilay kapiteny Romana nanao fanekem-pinoana raha nihombo teo amin’ny hazo fijaliana ny Tompo : “
Ny finoana iainana dia anehoan’Andriamanitra zava-mahagaga eo imason’ny olona ka hampanekeny ny heriny amin’ny maro.Tsinontsinona ny sampy eo anoloan’ny Herin’ Andriamanitra ary na dia ny masiaka indrindra aza , toy ny liona eto dia
Naely eran’ny fanjakana io fijoroana ho vavolombelona sy fiantsoana ny olona hanaiky an’Andriamanitra velona io noho ny vokatry ny finoana tao amin’i Daniela sy ny fifidianan’ Andriamanitra.
Ny mino marina koa dia anehoan’Andriamanitra ny fahafenoan’ny voninahiny sy hampandreseny ny zavatra rehetra.
Raha mijery isika ny zava-misy eran-tany eny fa na dia eo amin’ny firenena Malagasy fotsiny ihany aza, dia toa mahatsiaro ny nanjo an’i Daniela raha mahita ny olona mijaly, sahirana sy toa ampahoriana aza mba hanaiky ny fahefan’ny olona sy hankatò izany. Kanefa ny finoana sy ny faharetana amin’Andriamanitra velona, dia mbola hanehoany ny heriny sy ny fahefany ka hampanekeny ny maro fa malemy ny fahefan’ny olona sy ny sampy (andriamani-tsy izy) mitaha amin’Andriamanitra Velona izay nanome an’i Jesoa Kristy.
Ary izany no hitaomana ny olona hijoro tsara amin’ny finoana.
Mandre sy mahita amin’ny fahitalavitra isika ny manjo ny tany samihafa na izany ny fihemoran’ny olona ka mahatonga azy hanandratra ny rendrarendra samihafa ho ambonin’ny zavatra rehetra, na izany io zava-mitranga any Haiti io, ny tsy kristiana dia mihevitra fa vokatry ny fivadihana amin’ireo andriamanitra samihafa io ka miteraka ny fahatezerany, fa ny mpino an’Andriamanitra Velona kosa dia mieritreritra ka miaiky fa mety ho tsy nahatanteraka ny nanirahana azy sy ny fijoroany ho vavolombelona ny mino. Nefa koa dia asehon’Andriamanitra ireny sady ho fitaizana ny olona no handinihin-tena. Hevero fa ny fisian’ny toy ireny no matetika miverina ny firaisan-kinan’ny zanak’olombelona hifanohana sy hifanampy, ary izany no asan’Andriamanitra velona hamelona indray ny finoana, fa tsy ho toy ny tongatonga ho azy tsy akory.
2-NY FINOANA VELONA IAINANA MANAFAKA AMIN’NY FAHAFATESANA
Tsy fahafatesana amin’ny nofo ihany no ambara amin’izany, fa ny fahafatesana amin’ny fanahy indrindra koa. Isan’izay atahoran’ny maro io fahafatesana io, nefa koa ny fetran’ny maha nofo dia anjaran’Andriamanitra irery ihany, ary ny fitohizam-piainana amin’ny fahaveloman’ny fanahy mandrakizay dia raisina noho ny finoana ny Ilay Andriamanitra velona.
Ny fanafahan’Andriamanitra an’i Daniela tsy ho rembin’ny bibidia mba hifalian’ny mpijery, dia fandresen’Andriamanitra Lehibe ary maneho ny fahamarinan’ny finoana sy fahafahana maneho izany amin’ny olona. Mampiharihary ny fahaveloman’Andriamanitra mitana ny aina koa izany rehetra izany ary hamafisin’ny fametrahana ny toky sy ny fanantenana amin’Izy Andriamanitra.
Ny fanekem-pinoana nambaran’i Darius mpanjaka, dia manamafy fa ny fijoroan’ny mino amin’ny finoana no maneho ny fahamarinan’Andriamanitra velona sy heriny ho hitan’ny jentilisa rehetra. Mety nisy ny nanao rebi-kondry (mouton de panurge), kanefa ny maro dia nanaiky ny herin’ny Tsitoha.
Ny fomba fanasaziana sy famaizana ho hitan’ny maro, ny fampijaliana ho faty dia tamin’ny fanipazana ny olona nohelohina tao an-davaky ny bibidia ho viravirainy. Tahaka izany koa ireo izay natao fahiny tany amin’ny firenentsika rehefa tsy manaiky ny mpanjaka sy ny mpitondra dia nampinomina tangena. Andriamanitra anefa naneho ny heriny ka tsy nanafoana ny Teny fikasany hiaro sy hanafaka ny olony.
Toy izany indrindra koa , na tsy hita mivantana sy miharihary aza, dia toy ny fanasaziana sy fampijaliana ny famoretana ny olona hanaiky ny mpitondra na dia hita fa tsy mitondra vokatsoa, na ny asa fampihorohoroana samihafa mba hanekena ny mahery noho ny tena, kanefa ny fijoroana amin’ny finoana marina dia hampiaiky ny maro hatramin’ny jentilisa fa Velona Andriamanitra ka mamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahafatesana.
Tsy miova Andriamanitra fa mbola mamonjy ny mino ho afaka amin’ny fahafatesana ary tsy hamela ny tongotry ny mino hangozohozo mandrakizay, satria Jesoa efa nandresy na ny fasana na ny fiainan-tsy hita. Tsy ho rembin’ny fahafatesana mandrakizay ny mino , satria velona Andriamanitra.
L’histoire de Daniel nous montre l’avantage de ceux qui ont choisi la droiture, la justice et la foi . Dieu protège le vrai croyant et le sauve de la mort. Celui ou celle qui n’hésite pas à risquer sa vie pour rester fidèle à sa foi au Dieu vivant sera toujours sous sa protection. Daniel est un des modèles de la foi vivante et de tous les croyants. L’Empereur Darius rend publiquement témoignage de sa conviction et de sa conversion.
Nous aussi nous ne devons pas honte d’être témoin de l’Evangile de Jésus car c’est la puissance de Dieu pour le salut de quiconque croît.
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum