SABOTSY 06 FEBROARY 2010
NY MOFON’AINA
ASAN’NY APOSTOLY 9.36-43 HIRA 310
NY FILAZANTSARA MANOME AINA VAOVAO
Ry havana,
Homba anareo mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa ary hamelona hatrany ny finoana ao anatinareo mba hanome aina vaovao ho an’ny hafa koa noho ny Filazantsara.
Ny Filazantsara manome aina vaovao no ataontsika lohahevitry ny mofon’aina anio. Noho ny Filazantsara izay niainany tamin’ny finoana an’i Jesoa tokoa mantsy no nentin’i Petera nanangana an’i Dorkasy na Tabita tamin’ny maty, nefa io fitsanganany io dia nanome aina vaovao sy nitaran’ny Filazantsara ho an’ireo mpitondratena hafa sy ny faritra samihafa koa.
Misy dingana nahatanteraka ny fanomezana aina ny asa fanirahana ataon’ny mpitory ny Filazantsara. Ny fahafatesana sy ny fananganana an’i Dorkasy tamin’ny maty, ilay vehivavy nafana fo tamin’ny fanompoana ny Tompo tao amin’ny fiangonana, ny fampandehanana ilay lehilahy voan’ny paralysisa. Ireny famantarana ireny dia nanome aina sy hery ho an’ny asa fitoriana ny Filazantsara. Nitatra tamin’ny tanàna hafa ny fitoriana ary niely ny voninahitr’Andriamanitra noho ny finoana an’i Kristy.
Inona ary no dingana tokony hizoran’ny mino ho amin’ny fampielezana ny Filazantsara ho fanomezana aina ny hafa? Satria tsy ny fahafatesana momba ny nofo ihany no ambaran’ny Soratra Masina eto fa ny fahafatesana sy ny tsy fahalalana ara-panahy koa noho ny ota sy ny tsy finoana. Ireto ary no namintinan’ny bokikely mofon’aina izany:
1-TSY TAFANDRY MANDRY FA MANDROSO EO ALOHA HATRANY
Dorkasy vehivavy nazoto teo amin’ny fanompoana ny Tompo sy nanao izay tratry ny heriny rehetra tamin’ny fanaovan-tsoa sy fanampiana ny mpitondratena. Isan’izay andry niankinan’ny malahelo tokoa izy, nefa maty ary zary fahabangana teo amin’ny fiaraha-monina nisy azy izany. Tsy ny fanampiana niato no tena asongadin’ny Sortatra Masina fa izy olona fakan-tahaka teo amin’ny fitiavana ny asan’ny fiangonana sy ny fiaraha-monina. Ny fananganana azy tamin’ny maty anefa , dia zary nitondra aina vaovao indray ho an’ny manodidina azy, ary tsy izany ihany fa nampiorina ny finoana an’i Jesoa teo amin’ny hafa koa. Ireo fisehoan’ny famantarana ireo: ny fanasitranana ilay paralytika sy ny fananganan’ny Tompo an’i Dorkasy tamin’ny maty no nampiely ny Filazantsara sy nandrosoany tamin’ny tanàna hafa koa, ka nandehanan’ny Apostoly nitory ny Filazantsara hatrany amin’ny faritra jentilisa tsy mbola nahalala an’i Kristy .
Toy izany koa isika ry havako, ny fanekentsika andeha hitory sy hijoro ho vavolombelon’i Jesoa Tompo eo amin’ny toerana samihafa sy ny fiaraha-monina misy antsika no dingana handrosoana eo amin’ny fitondrana fiainana koa ho an’ny hafa, ka tsy hahatafandry mandry ny mino rehetra.
2-VELONA AMIN’NY VAVAKA SY NY FINOANA
Ny ambaran’ny Soratra Masina eto, dia tsy nilaza ho naneho fahefany Petera raha nanangana an’i Tabita tamin’ny maty fa NIANKOHOKA NIVAVAKA. Nataony ho zava-dehibe ny fametrahana ny zavatra rehetra tamin’Andriamanitra ary tsy nataony tsinontsinona izany fifandraisana tamin’ Andriamanitra izany.
Ny vavaka no maneho koa ny fifandraisana sy fifamatoran’ny mino amin’Andriamanitra, ary Izy Andriamanitra no hahatanteraka izay angatahin’ny mino amin’ny fony marina.
Dia toy izany no hita eto amin’ity Soratra Masina ity ka naneken’ny maro ny Filazantsaran’i Jesoa sy ninoany Azy satria velona tamin’ny vavaka ny mpitory ary mamindra aina sy mamelona indray ny finoana. Ny fananganana an’i Tabita eto dia famantarana ihany ny amin’ny Herin’ Andriamanitra tsy hay tohaina. Mampiditra ny olona ho amin’ny finoana velona an’Ilay Andriamanitra velona ny zava-nisy teto.
Ny Fitoriana ny Filazantsara, dia tsy maintsy mila miaina amin’ny vavaka ny mino mba hamelona ny hafa koa. Fa ny famantarana, ny fisehoana mahagaga samihafa eo amin’ny Fitoriana ny filazantsara dia endriky ny fahefan’Andriamanitra avokoa ireny. Ny lehibe indrindra dia ny Fanekena sy ny Finoana ary ny fankatoavana an’Andriamanitra ao amin’i Kristy.
Hevero ange, fa ny manodidina antsika, na dia ny bitika indrindra aza dia efa anehoan’ Andriamanitra zava-mahagaga eo amin’ny fiainan’ny olona, ary ny mpino no hanambara izany halehiben’ ny Fitiavan’Andriamanitra izany sy ny fijoroany ho vavolombelon’Ilay mpanome ny aina.
Isika koa anie, dia mba ho tena mpino mahajoro ho vavolombelona sy ho feno hery amin’ny fanitarana ny ambaindain’ny Fanjakan’i Kristy ety an-tany.
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum