ZOMA 22 JANOARY 2010
« Fa ny Tompon’ny aina kosa novonoinareo ; fa Izy natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty,
ary vavolombelon’izany izahay » Asan’ny Apostoly 23.15
NY MOFON’AINA
ASAN’NY APOSTOLY 3.12-16 HIRA 194
NOLAVIN’NY MARO NY TOMPON’NY AINA
Ry Havana,
Homba anao sy ny ankohonanao mandrakariva anie ny fiadanan’i Jesoa Kristy Tompo ary hanome fahombiazana anao hatrany eo amin’izay rehetra ataonao.
Faly miarahaba sy mamangy anao indray amin’ny alàlan’ity fifampizarantsika ity,ary mankasitraka anao manokana fotoana hamakiana sy handraisana izany.
Ny herin’i Jesoa Tompo niharihary na dia nolavin’ny jiosy aza, nolavin’ny maro ny Tompon’ny aina fa ny jiolahy sy mpamono olona no nangatahany nohafahana teo anatrehan’i Pilato. Tsy nahatana an’i Jesoa Tompon’ny aina anefa ny fasana, ary nanehoany ny heriny na dia ny fahafatesana aza. Ny fahafatesan’i Jesoa anefa dia nambaran’i Petera fa nanatanterahany koa ny fitoriana ny Filazantsara na dia tany amin’ny maty aza.(I Petera 3.18-20)
Io fahafatesana sy fitsangan’i Jesoa io no nahavokatra sy nitondra fahavelomana ho antsika, tena Jesoa velona no maneho ny heriny fa tsy angatra na lolo vokatra akory. Ary vavolombelon’izany ny Apostoly izay nanehoan’Andriamanitra ny fahagagana tamin’ny fanasitranana ilay lehilahy malemy.
Isika ankehitriny kosa no ambara fa noho ny finoana, dia vavolombelona koa isika.
1- MAHAGAGA NY HERIN’ILAY TOMPON’NY AINA
Ny nahasitrana ilay lehilahy malemy tamin’ny fanambaran’i Petera ny finoana an’i Jesoa ilay Tompon’ ny aina , ny heriny sy ny fahefany , dia nampitolagaga ny maro.
Tsy nampoiziny ny hahita fahasitranana mahagaga sy mahatalanjona toy izao. Nahoana no gaga ianareo ry Israely ?Tsarovy fa ilay Tompon’ny aina nolavinareo sy novonoinareo no anton’izao rehetra izao. Natakalonareo jiolahy sy mpamono olona . Ireo nandà Azy indrindra no nanehoana izao zava-mahatalanjona izao. Ireo nihorakoraka famonoana “homboy,homboy”.
Talanjona satria tamin’izay tsy noheveriny no nanehoan’Andriamanitra ny heriny, tsy mahita izay atao hany ka nanaovan’i Petera hoe: “aza gaga ny amin’ny nahatsitrana io lehilahy io, fa Jesoa izay novonoinareo no efa natsangan’Andriamanitra ary manana ny hery sy fahefana rehetra no anton’izao.”
Tsy vitsy koa ry havako ny olona miezaka amin’ny fomba sy fanao maro hahatonga ny olona tsy hanaiky sy hino an’i Jesoa Tompon’ny aina, miezaka ny hampiely ny hevitra samihafa mba handavana Azy. Kanefa tsy azo sakanana ny herin’Andriamanitra. Tsy vitsy ny mikendry indray ny hamonoana Azy mihitsy aza, tsarovy fa ny ataon’ny olona na amin’ny fiangonana , na amin’ny mpino dia ataony amin’i Kristy Ilay tompon’ny aina koa izany.
Ry havako, isika izay mitonona ho kristiana sy mino no natao haneho ny Voninahitr’i Kristy sy ny heriny, ary tsarovy fa izaho sy ianao no vavolombelona hanambara izany.
Ho avy ny fotoana ka ho talanjona sy ho gaga ny maro mahita anao izay mino, satria mahagaga koa ny herin’Ilay nolavin’ny olona izay eo aminao mba hanehoana ny Voninahiny. Koa matokia, fa tsy hataony foana akory ny fijoroanao ho vavolombelony, fa haharihariny eo amin’ny tontolo misy antsika.
2-NOVONOINA ILAY TOMPON’NY AINA, FA NISANDRATRA HO VELONA MANDRAKIZAY
Tsy maty vonoina ny Tompon’ny aina, nitsangana ho velona mandrakizay ho santatry ny fitsanganan’izay rehetra mino Azy . Izy ilay natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona no efa nasandratr’Andriamanitra eo amin’ny Voninahitra sy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany.
Nampahatsiahivin’i Petera tamin’ny fanasitranana ilay lehilahy malemy izany, ka nanambarany fa ny jiolahy sy mpamono olona no natakalony an’i Jesoa. Mpamono olona no nangatahan’ny olona hasolo an’Ilay marina sy namonjy azy tamin-javatra maro.
Nosafidin’ny olona ny fahafatesana fa nafoiny Ilay Tompon’ny aina ka natolony ho amin’ny fahafatesana. Tsy nahasakana Azy anefa ny fasana, ny tsikombakomba samihafa hatramin’ny famafazana teny lainga sy fitaka hoe: tsy nitsangana izany Jesoa fa nisy nangalatra ny fatiny. Ny Apostoly eto no vavolombelona namaky bantsilana ny hadalan’ny olona sy ny tsy fahombiazany.
Eto no maneho ny fahadisoan-kevitra ny amin’ny fandraisana ny feom-bahoaka indraindray, tsy nahatohitra izany Pilato ka nanolotra an’i Jesoa ho amin’ny fahafatesana, fa nandefa ny jiolahy ho afaka. Tahaka ny volamena voasedra tamin’ny memy afo ny Tompo, arakaraka ny nanolorana Azy ho amin’ny fahafatesana no vao maika nisandratany sy nanehoany ny heriny sy ny fahefany. Ny Apostoly
Hery sy fanantenana ho an’ny mino rehetra izany ry havako, fa na dia eo aza ny fampihorohoroana, ny fiezahana handevona ny finoana an’i Kristy, ny famoretana samihafa, dia nisandratra hatrany ny Voninahiny. Voaporofo hatry ny ela izany na dia ny fisian’ireo maritiora marobe nijoro ho vavolombelona hatramin’ny fahafatesana aza satria nino fa ho avy ny fotoana hanandratan’ Andriamanitra azy ireo koa.
Manoloana ny ezaka samihafa hamotehana ny finoana, ny fampihorohoroana ary ny hiheveran’ny sasany fa feom-bahoaka koa izany, dia minoa isika fa Jesoa Kristy Ilay Tompon’ny aina izay nolavin’ny olona dia mbola haneho koa ny heriny sy ny fahefany ka hampanaiky izao tontolo izao ny maha-Izy Azy an’Andriamanitra.
Matokia fa izaho, ianao , isika izay mino raha mitoetra marina tokoa amin’ny finoana Azy dia hiseho amin’ny Voninahiny tokoa Andriamanitra. Fa moa misy zava-mahagaga izay tsy hain’ny Tompo va? Rehefa
Ho fenoin’Andriamanitra ny fahatokiana rehetra anie ianao ka hahajoro tsara amin’ny finoana, hisehoan’ny Voninahitr’Andriamanitra.
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum