ALAROBIA 14 APRILY 2010.NY MOFON'AINA:NY FANANTENAN'NY MINO ANDRASAN'NY OLON-DREHETRA

 

 

 

ALAROBIA  14 AVRIL 2010

 

NY MOFON’AINA

 

ASAN’NY  APOSTOLY  26.1-8   HIRA  635

 

NY FANANTENAN’NY MINO ANDRASAN’NY OLON-DREHETRA

 

Ry havako,

 

Homba anareo mandrakariva anie ny fiadanana, ary hanehoan’Andriamanitra ny Voninahiny hatrany anie ny fiainanareo. Mankasitraka anareo indrindra amin’ny fandraisana ny fifampizarantsika ary na aiza na aiza misy anareo dia hambinina anie ianareo.

 

Ny mofon’aina anio dia momba ny fanantenana kristiana, ny finoana izay hazonin’ny mino no fanantenana koa ho an’ny olona rehetra. Fanantenana ny fiainana mandrakizay sy manambara marimarina fa Jesoa no Tompo, ka izany no hananan’ny mino fahasahiana koa.

Ho raisintsika anio izay voasoratra ao amin’ny bokikely, nefa koa dia mampanankarena antsika ny mandinika ny fanazavana hafa momba ireo andinin-tSoratra Masina ireo.

 

Inona no fanantenana kristiana?

 

1-IJOROANA HO VAVOLOMBELONA.

 

Paoly maneho ny fahasahiana amin’ny fijoroana ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no Mesia nandrasan’ny Jiosy hatrizay. Nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana, ary maty sy nalevina nefa natsangan’Andriamanitra Izy, ary na dia izy Paoly koa aza dia mba nisehoan’i Kristy koa.

 

Notsaraina eo anatrehan’i Agripa mpanjaka Paoly, ka nanararaotra ny fotoana nitsarana azy hijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy. Sady niaro tena izy, nefa dia nataony ho zava-dehibe ny fitoriana sy fanambarana an’i Jesoa Kristy.

 

Isika koa na aiza na aiza ary na amin’ny fotoana inona dia tsy ho menatra fa hanana fahasahiana hijoro ho vavolombelon’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Fai zany no fanantenana ho an’ny rehetra.

 

2- MIARITRA FANENJEHANA

 

Tena tombony manokana ho an’ny kristiana ny fiaretana fanenjehana noho ny finoana satria manantena ny ho avy ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Nosamborina Paoly noho ny fijoroany sy ny filazany fa nitsangana tamin’ny maty Jesoa, ary dia notsaraina teo anatrehan’ny Jiosy marobe sy ny fanjakana Romana izy. Teo anatrehan’izany no nitanisany sy nitantarany  ny fankahalana natao taminy na Jiosy na Jentilisa izay  niaretany kapoka sy fanenjehana,tora-bato,fatorana, tranomaizina,…ny loza teny an-dalana toy ny vaky sambo sy ny ady sarotra  rehetra natrehiny. ( II Korintiana 11.23-29)

Niaritra fahoriana noho ny fanantenana ny fiainana omen’i Kristy izy. Dia mba ho toy izany koa isika.

 

3-FINOANA TAZONINA SY IORENANA

 

Na dia ambara fa sekta tafasaraka  tamin’ny fivavahana Jiosy ny fivavahana kristiana. Paoly anefa eto dia manamafy sy manizingizina fa ny finoana izay arahiny sy anenjehana azy no fahatanterahan’ny teny fikasana izay nandrasan’ny Jiosy hatry ela.

 

Tsy niova finoana Paoly raha nanaraka sy nino an’i Kristy  fa tena nanaraka ny finoana marina sy ny fahatanterahan’ny teny fikasana. Ary izany koa no fanantenana kristiana tokony hananantsika fahasahiana hijoro amin’ny finoana marina. Fa izany koa no andrasan’ny olon-drehetra dia ny fijoroantsika marina.

Dernière mise à jour de cette page le 14/04/2010

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum