NY MOFON'AINA:ANDRIAMANITRA VELONA MANEHO NY ASANY

 

 

ALAROBIA  13 JANOARY 2010

 

NY MOFON’AINA

 

ASAN’NY APOSTOLY  14.11-18   HIRA  24

 

ANDRIAMANITRA  VELONA  MANEHO NY  ASANY

 

Ry havana,

 

Faly mamangy sy miarahaba anareo amin’ny alàlan’ity fifampizarantsika ny mofon’ aina ity indray  ry havako.

 

Ho fenoin’Andriamanitra ny Fitahiany sy ny Fahasoavany hatrany anie ny fiainanareo sy izay momba anareo rehetra.

 

Andriamanitra Velona miasa sy maneho ny maha-Izy Azy  amin’ny fomba mahagaga tsy takatry ny fiheveran’ny maro, mba hanehoana ny Voninahiny. Izany no ifampizarantsika anio na dia efa nomena antsika tamin’ny Alahady lasa teo aza ny famintinana  ity boky Asan’ny Apostoly 14.11-18 ity.

 

Ity boky ity moa no isan’izay maneho ny Asan’Andriamanitra Velona amin’ny olona, ka nandraisan’ny maro ny Vaovao Mahafaly sy nitarika ho amin’ny fiovam-po ka nampiorina ny finoana sy nahatonga olom-baovao maro ho an’i Kristy.

 

1-ANDRIAMANITRA VELONA MIASA  AMIN’NY MAHA-MPAHARY  AZY

 

Tonga tany amin’ny tanàna atao hoe Lystra i Paoly sy Barnabasy hitory ny Filazantsara. tanàna izay mbola nanjakan’ny fanompoan-tsampy isan-karazany, isan’izany ny fivavahana amin’ny kintana sy ny planeta toy Jupiter sy Mercure.

 

Tamin’ny fahatongavana tao no nanehoany ny Asan’Andriamanitra Mpahary sy Tompon’ny fahefana rehetra ka nananganana ilay malemy hatrany an-kibon-dreniny. Noheverin’ny mponina tany Lystra fa  ireo andriamanitra no tonga naka ny endrik’olombelona ka nidina teo an-tanàna. Sady feno tahotra no nangorohoro ny mponina ,ka sady niankohoka no nanasina ary namono zavatra natao sorona ho fanatitra ho azy mirahalahy Barnabasy nataony fa Jupiter ary Paoly I Mercure.

 

Tao anatin’izany tsy fahalalana rehetra izany no nanambaran’izy ireo ny Filazantsara ,ka nanasongadinany fa ireo zavatra samihafa ivavahan’ny mponina ireo dia zava-boahary ihany ary izy mirahalahy dia olona tahaka ireo mponina ireo. Nasehony tsara fa Asan’ny Mpahary izay antsoina hoe Andriamanitra-Zanahary ireny niankohofana ireny. Andriamanitra velona Mpahary sady Mpamonjy  no mpanome ny aina koa. Izy no manafaka sy vonona hanala ny olona amin’ny aizin’ny tsy fahalanana ,ny aizin’ny faharatsiana na eo amin’ny nofo na eo amin’  ny fanahy.

 

Ity Asan’Andriamanitra Velona Mpahary ity no mitondra ny fahazavan-tsaina sy manala amin’ny fahazaran-dratsy ary manafaka  amin’ny finoanoam-poana sy ny zava-poana isan-karazany.

 

Ny fahasitranan’ilay lehilahy malemy no nahitan’ny olona  an’Andriamanitra sy ny Heriny, ary ny toritenin’ny apostoly nanambara ny maha-Izy an’Andriamanitra no nampiorina ny finoana koa ka nanasitrana. Mitarika ny olona hatoky sy hino ny Asan’Andriamanitra Velona izay Mpahary no nahatsapan’ny maro koa ny fahadisoan-kevitra samihafa . Ny Vokatry ny toriteny no nandraisan’ny olona ny finoana sy nanehoana ny Asa Lehibe rehetra nataon’Andriamanitra ary nahatonga azy ireo hiala amin’ny finoanoam-poana sy ny zava-poana ary ny faharatsiana.

 

Isika koa ry Havana, dia tsarovy fa Mpamonjy vonon-kanafaka antsika amin’ny fahazaran-dratsy izay mangeja sy ny finoana diso làlana ny Tompo, tahaka izay nanafahany ny mponina tao Lystra. Izy Andriamanitra Velona no manolo-tànana antsika tao amin’i Kristy mba hanafaka antsika.

 

2-ANDRIAMANITRA VELONA MANOME FITAHIANA  HO AN’IZAY MINO

 

Nasehon’ny Apostoly ny maha-Izy an’Andriamanitra: Mpanao soa Izy sady mampilatsaka ny ranon’orana amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, mampahavokatra ny tany ka manome hanina ho an’ny manan’aina rehetra.

 

Manome taon-jina ary mahavoky hanina amin’ny fifaliana. Satria Velona Andriamanitra dia mitahy. Fa tsy andriamanitra maty, na toy ny hazo sy ny sarin-javatra izay nosokirina ka araka izay tian’ny mpanao sary no hanaovany azy, na araka izay tian’ny mpanompo azy no hamindrany toerana azy.

 

Velona Andriamanitra  ary ny Fahavelomany no hanomezany fitahiana sy fiainana lavorary izay mino Azy. Ao amin’ny fitoriana sy ny fanambarana marina ny Tenin’Andriamanitra ihany no ahitana marina ny Fahaveloman’Andriamanitra, ary izany no raisin’ny mino eo amin’ny fiainana an-davanandro. Fa raha tsy izany dia miova ho zava-poana avokoa ny zavatra rehetra, ary tonga amin’ny fanompoana zava-poana sy izay hita eo amin’ny voahary izay Asan’Ilay Andriamanitra Velona ny olona.

 

Ny mino dia tonga zanak’Andriamanitra manan-jo ary misitraka ny fitahiana avy amin’Andriamanitra. Kanefa ,dia maro ny olona no tsy misitraka izany, mitebiteby lava, sahiran-tsaina matetika, feno ahiahy mandrakariva. Mahatsiaro ho lavitra ny fitahiana aza, satria tsy tena miorina fa tonga amin’ilay fiteny hoe:mbola misabaka.

 

Fa izao anio izao kosa, andeha hanatona an’Andriamanitra Velona isika, hitaona ny namantsika sy ny manodidina antsika koa mba hahazoany mandray ny fitahiana feno. Fa raha manaiky izany isika dia hiaina tokoa amin’ny fahasoavana sy ny fitahian’Ilay Andriamanitra Velona izay ivavahantsika. Fa Izy ninia tsy nijery ny andron’ny tsy fahalalantsika , fa ankehitriny mandidy sy miantso ny olona rehetra mba hibebaka.

 

Noho izany ry havako, mifidiana ny Fiainana omen’Ilay Andriamanitra Velona ary minoa ny Asany , dia ho velona sy ho feno ny fitahiana ny androntsika.

 

 

Dernière mise à jour de cette page le 12/01/2010

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum