ALAKAMISY 18 FEBROARY 2010
NY MOFON’AINA
« ..Ianareo no tsy maintsy nitoriana ny Tenin’Andriamanitra aloha ; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay,dia indro , mitodika mankany amin’ny Jentilisa izahay;….” Asan’ny Apostoly 13.46
ASAN’NY APOSTOLY 13.44-48 HIRA 310
NY FILAZANTSARA HO AN’NY OLONA REHETRA
Ry Havana ,
Homba anao sy ny ankohonanao mandrakariva anie ny Fiadanan’i Jesoa Tompo.
Faly tafahaona aminareo indray amin’ny alàlan’ny mofon’aina ifampizarantsika, ary mankasitraka anareo indrindra mbola mandray sy manokana fotoana handinihina sy maka hery vaovao avy amin’ny mofon’aina.
Ny Filazantsara ho an’ny olona rehetra no fotokevitry ny mofon’aina anio, ary safidin’ny olona ny handray na tsia izany Filazantsara izany. Safidy toy izany koa ny hino sy handray ny fiainana mandrakizay na tsia. Fa rehefa nilazana ny amin’ny Filazantsara sy ny fiainana mandrakizay moa nefa tsy te-hino sy hahalala hoy ny fiteny, dia mitodika any amin’ny hafa izay vonona ho amin’izany fandraisana fiainana izany Andriamanitra.
Indro ary atolotra antsika eto ny voasoratra manontolo ao amin’ny Bokikely momba ny mofon’aina anio.
Ny Fitoriana ny Filazantsara nataon’i Paoly sy Barnabasy tany Kyprosy ( Cypre) dia nisedra olana noho ny fanoheran’ny Jiosy satria maro ireo Jentilisa nandray ny fampianaran’izy ireo ka niteraka fialonana tao anatiny (and.45). Ny Tenin’Andriamanitra anefa tsy natokana ho an’ny Jiosy ihany fa ho an’ny olona rehetra mba hahazoan’izay mino izany Fiainana. (and.46)
1-NY TENIN’ANDRIAMANITRA DIA SAFIDIN’NY
Na dia nambara tamin’ny Jiosy izay Vahoaka nofidin’Andriamanitra hanambara Azy aza ny Teniny, dia izy ireo (Jiosy) mihitsy no tsy nety nandray izany. Nambarany ho tsy mendrika ho azy ny hahazo ny Tenin’Andriamanitra noho ny fitokisan-tenany tafahoatra ka zary ny fiainana mandrakizay mihitsy no nolaviny tsy ho azy.
2-NY TENIN’ANDRIAMANITRA DIA AZON’NY OLONA REHETRA RAISINA (and.47-48)
Tamin’ny ankapobeny dia nihevitra ny Jiosy fa ho azy ireo izay Vahoaka nofidin’Andriamanitra irery ny Tenin’Andriamanitra, satria izy ireo no vahoaka taranak’i Abrahama. Io no niteraka fialonana rehefa nitoriana ny Filazantsara koa ny tsy Jiosy (Jentilisa=hafa firenena ) izay ambara ho Jentilisa tsy mendrika izany. Tsy marina anefa izany ka nampahatsiahivin’i Paoly azy ireo ny fanambaran’i Isaia “Efa nanendry Anao (manondro an’i Jesoa) ho fahazavan’ny Jentilisa Aho, mba ho famonjena hatrany amin’ny faran’ny tany Ianao” (Isaia.49.6) Izany dia mba handraisan’ny Jentilisa fifaliana noho ny Tenin’Andriamanitra izay manome fiainana ho azy. (and.48)
“Antsika ary ny Safidy na handray na tsia ny Tenin’Andriamanitra sy ny fiainana”
Fanontaniana: Isan’izay mandray sy mivelona amin’ny Tenin’Andriamanitra ve ianao? Iza no heverinao ho Jentilisa? Mandrafeta tetik’ady ho tanterahinao hitoriana ny Filazantsara amin’ny tsy mbola nandre, ary ampiharo.
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum