AINA TSY ATAO HO ZAVATRA NOHO NY FILAZANTSARA

ASAN’NY APOSTOLY  20.24

 

« Nefa tsyataoko ho zavatra akory ny aiko mba hahavita ny alehako ,dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesoa Tompo hanambara ny Filazantsaran’ny Fahasoavan’Andriamanitra »

 

KOLOSIANA  4.3

« Ary mangataha ho anay koa mba hamohan’Andriamanitra  varavarana  ho an’ny Teny hilazanay ny zava-niafina izay  an’i Kristy ,sady izany no hamatorana ahy »

 

TORITENY  MANOKANA

 

AINA TSY ATAO HO ZAVATRA  NOHO NY FILAZANTSARA

 

Ny sarobidy indrindra eo amin’ny olombelona dia ny AINA,satria io no maha olona azy. Ny zavatra rehetra dia ampiasaina hahasoa sy hampateza io AINA io « ny Aina ramangatahiana  ka kolokoloina ny hananana azy maharitra fa ny vola ramangamitahy mba hikolokoloana io Aina io.

 

Fa eto kosa ny Apostoly Paoly,dia niova amin’ny fomba fihevitra mahazatra :  « Tsy ataoko ho zavatra akory ny AIKO mba hahavita ny alehako,dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesoa Kristy Tompo…. » Izany hoe  tsy noraharahiany  ny amin’ny AINY mba hahavita ny alehany, mba tsy ho voasembatsembana  ny diany,ny làlany. Izany hoe na ny AINY ,ny FIAINANY aza tsy atakalony ny fanatanterahana  ILAY FANOMPOANA natolotr’i Jesoa Kristy azy.

 

Tena fiovàna lehibe mihitsy izany. Fa mba henoy ange izato filazany ny toe-javatra  sy ny momba azy eo amin’ny fiaraha-monina « Kanefa mba manana izay hitokiako amin’ny nofo ihany aho.

Raha misy olona hafa manao hitoky amin’ny nofo, mainka fa izaho ;fa voafora tamin’ny andro fahavalo aho, avy amin’ny fototr’Israely,dia avy amin’ny firenen’i Benjamina ;Hebreo sady avy amin’ny Hebreo aho ; araka ny lalàna ,dia Fariseo ; araka ny zotom-po dia nanenjika ny Fiangonana ; araka ny fahamarinana avy amin’ny lalàna, dia tsy nanan-tsiny. Nefa izay azoko dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin’i Kristy.Eny tokoa fa ataoko fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko, Izay niaretako fatiantoka amin’ny zavatra rehetra, ka ataoko taimboraka  ireny mba hahazoako an’i Kristy…. » Filipiana 3.4-8

 

Fa rehefa voababon’i Jesoa Kristy izy, ka nomeny anjara fanompoana,dia tena niova,ka nolazainy hoe : fatiantoka ho azy ,ary taimboraka (perte et ordure - tsy misy vidiny sy fakofako avokoa ) ny zavatra rehetra eo anatrehan’ny FIANTSOAN’i Jesoa Kristy azy, eo anatrehan’ny fanompoana an’Andriamanitra.

 

Ny fandraisana anjara, na ny fahafahana mandray anjara amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra , amin’ny  FAMALIANA NY ANTSON’ANDRIAMANITRA mantsy  dia efa  endrika hita maso milaza fa olom-boavonjy  ianao, ary efa vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra na dia tena mbola ety ambonin’ny tany aza, ary izay ilay atao hoe FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA, araka ny voalazany  ao amin’ny I Korintiana 12.27.

Tonga anisan’ny Tenan’i Kristy izy, tonga mpiara-miasa amin’Andriamanitra hamonjy ny olona.

 

Izany no mahatonga  azy tsy hanao ny AINY mihoatra ny ASA  NATOLOTR’ ANDRIAMANITRA  azy satria matoky fa Ilay  Tompon’ny AINA no miara-miasa amin’ny mpanompony, ka dia Azy ny zavatra rehetra, ary ny zavatra rehetra  an’i Kristy, ary Kristy an’Andriamanitra.(I Korintiana 3.21)

 

Tena faharesen-dahatra ry havako io tenin’ny Apostoly Paoly io. Satria tsy noho ny fahitany ny olona fotsiny, na ny fanarahana rian-drano no itoriany ny Filazantsara ka anompoany an’i Jesoa Kristy tao amin’ny Fiangonana voalohany,fa noho ny ANTSO nataon’ny Tompo taminy.(Asa 9)

 

Ry havako : Izany no fijoroana vavolombelona ataon’ny olom-boavonjy toa an’i Paoly Apostoly. Ny Fitiavan’Andriamanitra azy,ny maha an’i Kristy  ny kristiana no nataony ho zava-dehibe sy  ambony indrindra. Izany no dikan’ilay teny hoe : Na inona na inona ataonareo,dia ataovy ho Voninahitr’ Andriamanitra izany rehetra izany. Izany koa no anton’ilay tononkira 283 ao amin’ny fihirana FFPM amin’ny fotoana fanokanana mpitandrina :hoy ny and.3,4 : Na ho voky na ho noana ny mpanomponao,tsy handao ny fanompoana nametrahanao-Sitrakao ny fihafiana ,ka mba tiako koa, zakanao ny tsy fisiana , ka zakaiko koa.Tsy ahiko ny handany,ho laniana koa, fa famoizan-tsoa no hany ahefana soa-Na ny saiko na ny aiko,Andro vola koa ,tsy mba misy ho lalaiko,Foiko avokoa.  

Inona no andrasan’i Jesoa Kristy amintsika fiangonana, amin’ny alàlan’io teny io, indrindra ho an’izay mandray, manokana  mpiasa  eo amin’ny fiangonana ?  Ny hanaovantsika ho zava-dehibe ny anjara fanompoana  natolotr’Andriamanitra antsika izay ataony amin’ny alàlan’ny fandaminan’ny fiangonana araka ny talenta sy ny fanomezam-pahasoavana (capacité et savoir faire,na compétence,na aptitudes) tandrify ny antsika na ananan’ny tsirairay avy.

 

Hoy Jesoa Kristy : « Tsy misy manana fitiavana  lehibe noho izao , dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.(Jaona 15.13)   Izany anie no fanompoana e ! Manjary famonjena ny hafa ianao sy ny ataonao na ny asanao !! Dia tonga mpamonjy ianao, ary dia tanteraka aminao mivantana ny lazain’i Jesoa Kristy hoe : « Izay mino Ahy,ny asa ataoko no hataony koa, ary hanao asa lehibe noho izany aza izy. » Ary tsarovy fa tsy hoe miandry any an-danitra  akory ny valim-pitia ho anao fa hoy ny Tompo : « Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny Anarany. »Hebreo 6.10

 

« Koa dia hitanareo fa hamarinina amin’ny asa ny olona, fa tsy amin’ny finoana ihany » ; raha milaza ny fanoloran’i Abrahama an’i Isaka ho fanatitra izy. Izany no Andriamanitra Tompointsika sy Jesoa Kristy arahintsika ry havako.

 

Amin’ny fotoana toy izao dia mba manana ho lazaina kely ihany ny momba ny mpitandrina mivady izay mifanao fanekena amin’ny fiangonana  aho, araka ny tenin’i Alexandre Vinet hoe : « ny fiainan’ny mpanompon’Andriamanitra,dia Tenin’Andriamanitra ihany koa. ». Tena teny fanevan’ny mpitandrina  izay  hanokanana fotoana anio io teny io ry havana, fa tena  nataony ambony tokoa ny fitoriana ny Filazantsara,ny asa fanompoana.Tsy mba nataony ho filan-karena ny fitoriana ny Filazantsara, ny asam-piangonana.

 

Efa ho telopolo taona misy ambiny nanaovana ny  asa pastoraly izy,nefa izy azonareo anontaniana hoe : firy ny trano vitanao ary firy ny fiara anananao ?...Ny zanany sy ny vadiny aza no mangina lava toy ny tsy misy raim-pianakaviana. I Madagasikara  iray manontolo saika tapitra voatetiny  ary hitany avokoa noho ny asa fanompoana, fa ny zanany sy ny vadiny indray no tsy tazany matetika,tonga amin’ny fiteny hoe : ambany maso tsy hita.

 

Saingy izay kosa :tsy mahantra sy fadiranovana izy na dia tsy mpanefoefo amin’ny harena aza. Tsy mbola re izany hoe io Mpitandrina io ,nangataka tatsy na nisambotsambotra vola  eran’ny olona rehetra io. Tafitany amin’izay sahaza  azy ny zanany ary tsy mitsiriritra ny an’olona fa mba irin’olona aza !!

 

Mbola nataony fanampin’io teny io aza ny voalazan’ny Kolosiana 4.3 hoe :  «  Mangataha ho anay koa  , mba hamohan’Andriamanitra varavarana ho an’ny teny hilazanay ny zava-miafina izay an’i Kristy. »

 

Ry havako, hoy ny Tompo  ao amin’ny I Samoela 2.30 : «  Fa izay manome Voninahitra Ahy no omeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka »

« Koa amin’izany miorena tsara ,aza miova , ary mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo,satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo. »

 

Amena

 

Rakotonirina Charles

Mpitandrina FJKM

Montrouge Vaovao

 

Toriteny tamin’ny fotoana nanaovana ny fandraisan-tanana  ny Mpitandrina Jean D’Elinivo Emmanuel  tao Champigny sur Marne

Dernière mise à jour de cette page le 01/12/2009

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum