TALATA 23 MARS 2010.NY MOFON'AINA:MPANAN-KARENA MAHANTRA!

 

 

TALATA  23 MARS 2010 

 

NY MOFON’AINA

 

APOKALYPSY   3.14-22   HIRA FF.39

 

MPANAN-KARENA   MAHANTRA!

 

Ry havako,

 

Hampombain’Andriamanitra ho anareo hatrany anie ry havako ny fahasoavana, ka hahita ny fiadanana sy fifalian’ny Fanjakan’Andriamanitra anie ianareo.

 

Iray amin’ireo Fiangonana Fito tany Asia minora  i Laokidia izay nandefasana ny hafatr’Ilay manana ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany. Hafatra sady fampaherezana sy fanitsiana nefa koa toro-làlana  hifidy ny fiainana ary hampiorina tsara ny finoana.

 

Jesoa mitsangana eo ambaravarana, miteny amin’ny fiangonana tany Laodikia izay mety ho endriky ny fiangonana ankehitriny koa. Fiangonana nolazaina fa manankarena, nefa isan’ny mahantra indrindra satria sady tsy mangatsiaka no tsy mafana. Fiangonana matimaty fa tsy miorina tsara amin’ny finoana ary zary variana amin’ny fombafomba sy ny fisehosehoana fotsiny aza. Eto dia anarin’ny Tompo izany fiangonana izany.

 

Manolotra hevitra ny “Amena” mba:

 

1-HANDRAY NY TENA HARENA  SY  HAHAZO FANASITRANANA AZY

 

Tena mampieritrerita ity ry havako fa tsy hoe fampihororoana  satria ny Amena =Jesoa Ilay Marina  no miteny sy mahita ny fiainan’ny mino sy ny fiangonana ary miteny.

 

Nihevitra mantsy ireo kristiana sy mpino ary mpitarika tany Laodika fa manan-karena sy manana ny ampy noho ny toerana nisy azy. Laodikia tokoa mantsy dia nisy ny foiben’ireo “tranom-bola” (banques) tamin’ny faritra ka nirehareha fatratra noho izany. Namirapiratra tokoa ireo tempolin-tsampy sy toeram-pivavahana hafa sy toeram-pilalaovana toy ny fanaovana teatra. Voasarika tany hatramin’ny fiangonana. Nihevitra fa tsy nanana izay naha-ory azy ka nirehereha  fatratra tokoa.

 

Fa saingy izao: Izy ilay fiangonana mahantra sy mijaly ary ory sy mitanjaka; tena mpanan-karena mahantra tokoa, satria sady tsy nafana teo amin’ny finoana nefa koa tsy tena nangatsiaka, tonga amin’ilay fiteny hoe: “anaran-tsy very ihany sisa”, misy ihany fa tsy nampiraika ny maro, satria ny fiainam-panahiny mihitsy no tena mahantra. Variana tamin’ny rendrarendra sy ny fisehosehoana fa tsy nifikitra tamin’ny finoana.

 

Tsy nanana anjara toerana teo aminy ny fanoloran-tena ho an’ny Tompo ary raha nisy aza mba nanao dia zary voatsikera  sy noharatsiana indray. Mpanan-karena mahantra ary na ny fahitany aza tonga manjavozavo( tsy toy ilay nohazavaina omaly momba an’i Paoly ity), tsy mahita ny tokony hataony. Marary hoy ny Tompo ka mila mividy akanjo voadio sy volamena voadio sy voafantina ary odi-maso hanarona ny fitanjahany sy hampihaingo azy ny tena finoana,nefa koa tena hanasitrana ny fahitany ka hijereny ny Tompo tokoa.

 

Mbola maro koa ny kristiana sy ny fiangonana no toy ity tany Laodikia ity, fiangonana manankarena mahantra ka sady mitanjaka no jamba. Antony, tsy mahalala ny tokony hataony fa voasariky ny rendrarendra sy fisehoana ivelany , fa ny finoana ao anaty tsy tena miorina. Raha misy aza mba miezaka hampiorina ny finoana sy hanao izay ezaka ho fampandrosoana ny finoana sy ny asan’Andriamanitra dia zary mahazo tsiny sy fanesoana ka lazaina fa dedaka sy te-ho deraina. Isika rehetra no samy handini-tena amin’izany ka hanao hoe:Tompo ô!raha izaho izany mpanan-karena mahantra izany, dia havaozy ny fomba amam-panaoko, ny toetrako ary aoreno sy atanjaho ny finoako.

 

Mitaky ny fahadiovam-pitondran-tena,ny finoana sy ny fahamarinana ary ny fahamasinan’ny fiangonana tahaka ny fitakiana sy tolokevitry ny Tompo tamin’ny fiangonana tao Laodikia. Fa ny fiangonana sy ny kristiana  mitafy tokoa an’i Kristy no afaka hiseho sy haneho koa ny maha-izy ny finoana. Ny finoana ihany koa no hanala ny aizin’ny fahajambana sy ny tsy fahalalana ka hampahiratra ny mason’ny maro izay jamban’ny fahotana.

 

2-MANDONDONA NY TOMPO KA RAISO HO AO AMINTSIKA

 

Indro efa mitsangana eo ambaravarana tokoa ny Tompo mba hanome fiainana sy hampitafy antsika mba hanala ny henatra ary hanasitrana antsika.

 

Fa izay mampandroso Azy dia hitoetra miaraka aminy ny Tompo ary handresy koa ny mino izay mandray Azy.

 

Raha mihaino ny feony tokoa ny olona na dia mpanan-karena mahantra aza, dia hiova ka ho tena manana ny maha-izy azy tokoa satria mpanan-karena feno amin’ny fahafenoan’i Kristy sy velona ao aminy tokoa ary ho lavitry ny setrasetra sy ny fahoriana.

 

Hevero izay misy antsika ka raiso ao amintsika hiara-monina amintsika Kristy mba hampisy ny fifaliana sy ny fiadanana tokoa.

 

Ary na eo amin’ny firenentsika aza, dia aza manantena hahita fiadanana raha tsy mpitarika, ny olona rehetra no manaiky hiova ka handray an’i Kristy ao aminy tokoa.

 

Fa Izy Kristy no fihavanantsika, ary Izy no miteny koa fa hiara-monina amin’izay mandray Azy ary hahita ny tena fahafeoana sy ny fiombonana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

 

Ny Amena no milaza amin’ny fiangonana sy ny kristiana ary ny olona rehetra hoe: “Indro efa mitsangana eo ambaravarana aho ka mandondòna.”

 

Mba ho isan’izay hamoha varavarana ny Tompo koa anie izaho sy ianao.

Dernière mise à jour de cette page le 22/03/2010

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum