TALATA 05 JANOARY 2010
NY MOFON’AINA
« Aza matahotra Izaho no Voalohany sy Farany,dia Ilay Velona ; efa maty Aho , nefa, indro Velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita » Apokalypsy 1.17-18
AZA MATAHOTRA
Ry havako,
Homba anao sy ny ankohonanao mandrakariva anie ny Fiadanan’i Jesoa Kristy Tompo Ilay manana ny fanalahidin’ny Fahafatesana sy ny Fiainana sady nanome antsika ny fanantenana ny ho avy ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Misaotra anao sy izay rehetra mamaky ity fifampizarantsika ity manokana na dia ampaham-potoana kely ihany aza, hanovozana ny fampaherezana avy amin’ny Tompo.
Ny marina no ho velon’ny finoana, satria velona ny Tompo, ary ity taona ity koa, dia mba hivelomantsika amin’izany finoana ny Tompo velona izany.
Ity boky Apokalypsy ity dia manondro fotsiny an’i Jaona (zanak’i Zebedio) ho mpanoratra. Nanoratra amin’ny fomba feno sarin-teny ny fahitana samihafa ny amin’ny fiainan’ny fiangonana izay niharan’ny fanenjehana , ary nasehony amin’ny fomba mampieritreritra tokoa. Izany no mahasarotra ny hitakarana ny lazain’ny boky ka mahatonga ny olona sasany hilaza ny zavatra tsy izy sady mamilivily ny sain’ny maro sy mitondra fampihorohoroana aza. Indraindray koa , dia toa lasa fanenjehana ny mpino kristiana tsy mitovy fijery amin’ny tena no entina manazava ny boky.
Tsy hijery ny fandikana ny hevitra avy amin’ny boky isika , na ny mikasika ny fahitana izay nambara ho an’ny fiangonana tamin’izany fotoana izany, ny fampaherezana ny mino tratry ny fanenjehana. Tsy ho raisintsika koa ireo hevitra samihafa mikasika ny fiheveran’ny mpandinika ny teolojia samihafa. Fa ho jerentsika kosa ny hevi-panahy ho an’ny fiangonana sy ny kristiana ankehitriny ny amin’ireo fahitana sy ireo sarin-teny miafina voalaza ireo.
Inona ary no hafatra ho antsika amin’ity 1.17-20 ity?
1-AZA MATAHOTRA FA VELONA NY TOMPO ARY HO AVY INDRAY.
Ireo kristiana tany amin’ny fiangonana nisy tany
Velona ny Tompo, efa maty nefa velona indray sady mitana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fiainana, Izy ilay fiandohana sy fiafarana. Tahaka izay filazana ao amin’ny Matio 24.30, ny fisehoan’ny Zanak’Olona eny amin’ny rahon’ny lanitra amin’ny hery sy ny Voninahitra. Resy lahatra sy mahazo antoka ny mpanoratra ary miteny sy mampita amin’ny mino rehetra koa ny hahatanterahan’izany. Ary izany no antoka sy fampaherezana ny mino haharitra tsy hihozongozona amin’ny finoana, fa hatoky fa ho avy indray Ilay Tompo Velona.
Amin’ny anaran’Andriamanitra Mpanjaka sy manana ny fahefana rehetra no anombohana ny fampaherezana sy hamaranan’ny mpanoratra ny taratasiny. Andriamanitra izay efa
Safidin’ny olona ny hanaiky na tsy hanaiky ny fahamarinan’izany, fa izao : miteny ny amin’ny fahitàny Jaona, ary milaza ny zavatra hihatra nefa koa dia miampita amintsika ankehitriny;
Isika izao koa ry havako no ampaherezina manoloana ny zava-misy ankehitriny, ny fanjakazakan’ ny matanjaka, ny famoretan’ny manana fahefana, ny fisehoan’ny ota isan-karazany, ny fanenjehana sy ny fitaoman’ny zava-misy ho amin’ny tsy finoana. Handalo avokoa ireo rehetra ireo, fa ny Tompon’ny farany dia Ilay efa maty nefa velona indray, Ilay niteny hoe:Izaho no Voalohany sady Farany. Hery ho antsika koa izany ka tsy hahatonga antsika hisalasala na hanaiky hozongozonin’ny fampianarana sy ny fisehoana samihafa ka hampivadika ny finoantsika. Isika ankehitriny koa no hitenenan’ny Soratra Masina hoe:Aza matahotra.
2-AZA MATAHOTRA FA VELONA NY TOMPO HAHITA FIAINANA NY
Tao anatin’ny fahitana lehibe Jaona no manambara ny fisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, ary ny famirapiratan’ny Voninahiny sy ny Fanambarany ny fanomezan-toky hoe:Aza matahotra. Ilay fahitana ny fanaovan-jiro fito milaza ny fiangonana fito any Asia, nefa koa ny fahafenoana , ny kintana fito eo amin’ny fahefan’i Kristy ary ny Sabatra milaza ny Heriny sy ny Fahefany amin’ny fahamarinana.
Jesoa Kristy ilay nandresy ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita mandray ny fahefana rehetra sy velona mandrakizay mandrakizay. Io fahefana sy fihazonana ny fanalahidin’ny fahafatesana io no milaza sy maneho ny Fahefany sy ny Fanjakany hatrany amin’ny fiainan-tsi-hita sy ny fahafatesana dia tsy haharesy Azy.
Izay hitan’i Jaona no ambarany ary asehony sy ampitaina tsy ho an’ny mpino izay niharan’ny fanenjehana tamin’izay fotoana izay ihany ka nanehoana ny fahitana amin’ny alàlan’ny sarin-teny, fa ny mpino rehetra ankehitriny koa no ampaherezina. Hahita fiainana ny
Aza matahotra, teny fampanantena sy azo antoka izany. Mahatsikaiky ny tsy mino ny filazana ny zavatra mety ho avy sy hiseho. Ny hafa aza mbola mahavita milaza fa zavatra mbola ho ela izany, tsy impiry ho tanora. Aleo rehefa akaiky Izy vao hibebaka, hararaoty ny hatanorana, fa tsy impiry hiverina, mety marina izany, kanefa tsarovy fa amin’izay rehetra atao dia eo Andriamanitra, ary ho avy koa ny hanadinana ny tsirairay.
Tsy ho raisina toy ny fahitana tsotra sy rediredy ny toy itony, fa ho raisina amin’ny finoana ny hahatanteraka azy , fa ny ora sy fotoana no an’Andriamanitra, isika tsy hahay mampitombo na dia segondra iray eo amin’ny fiainantsika. Nefa, dia izao ihany: Aza matahotra, fa tano ny finoana ary raiso amin’ny fanantenana fa ny Tompo Velona no hanome fiainana izay mino Azy marina tokoa.
Tsy ho raisina ho horohoro ny Apokalypsy fa ho raisina ho fanantenana sy fampaherezana ny mino koa tsy ho latsaka ao amin’ny fandriky ny fakam-panahy sy ny fahakiviana.
Mba ho isan’izay velona amin’ny finoana sy ny fanantenana ny fiainana koa anie izaho sy ianao, satria ny Tompo velona sy manana ny fanalahidin’ny fiainan-tsi-hita sy ny fahafatesana no miteny koa hoe:AZA MATAHOTRA ary raiso amin’ny finoana izany.
Ho tahian’Andriamanitra ry havako.
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum