ZOMA 19 MARS 2010
« Fa izao no lazain’ny Tompo Avo Indrindra amin’ny taranak’Israely:Tadiavo Aho,dia ho velona ianareo.” Amosa 5.4
NY MOFON’AINA
AMOSA 5.1-7 HIRA 417
MIVERENA AMIN’ANDRIAMANITRA
Ry havako,
Ho fenoin’Andriamanitra ny fahasoavany sy fitahiany hatrany anie ny fiainanareo ary mangataka aho mba hambinina amin’ny zavatra rehetra anie ianareo.
Faly indray mamangy sy mampita ny hafatra hifampaherezantsika amin’ity anio ity, ary na aiza na aiza handraisanareo izany dia hitondra fiadanana ho anareo anie ny hafatry ny Tenin’ Andriamanitra.
Ny Soratra Masina eto dia miteny fa raha mitady an’Andriamanitra marina ny olona dia ho velona izy. Miantso ny zanak’Israely izany nefa tsy ho azy ireo ihany, fa ho an’ny mino rehetra sy ny olombelona tsy ankanavaka koa. Ny hoe mitady eto, dia midika hoe :miverina sy mitodika indray any amin’Ilay Avo Indrindra, izay ihany no antoka hisian’ny fahavelomana sy ny fiadanana. Koa inona no tian’ny Soratra Masina lazaina amintsika.
1-MAMPIERITRERITRA NY VOKATRY NY FIODINANA AMIN’NY TOMPO
Eto amin’ity Soratra Masina ity dia mampieritreritra satria ny olona miodina amin’Andriamanitra dia mahita loza hatrany, ary tsy vitany hoe mahita loza fa tsy mahazo fiadanana koa fa korontana hatrany ny fiainany.
Firenena rava,ny sasany manohitra ny fisian’Andriamanitra sy ny heriny ary lasa maka saina any amin’ny maty sy ny sampy.Tsy ankasitrahan’Andriamanitra na dia ny fanatitra atao aza. Ny ilain’Andriamanitra dia ny fiverenana Aminy,ny tenanareo mihitsy no atao fanatitra ho an’Andriamanitra mba ho velona.
Ny fanasitranana ny firenena sy ny ankohonana ary ny isam-pianakaviana dia ny fiverenana amin’Izy Tompo ihany. Tsy ho hita amin’ny fombafomba amin’ny fivavahana izany, na ny fanaoavana fanatitra fotsiny any Betela na any Gilgala, satria ny fomba amam-panao tsy miorina amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra, fa Izy Tompo dia tsy voafetra ho amin’ny toerana iray ny heriny sy ny fahefany. Fa raha tena miaina amin’ny finoana tokoa ny maro ka miverina amin’ Andriamanitra dia ho velona izy.
Mampieritreritra ary raha ankehitriny koa no toa heverina ho mangina Andriamanitra. Ô! Tsy mangina Andriamanitra fa mitady ny hiverenan’ny olona aminy.
Mampieritreritra ny korontana sy ady samihafa eto amin’izao tontolo izao, ary na ireo tany mihevitra fa mino Asan’Andriamanitra Mpahary aza zary anjakan’ny ady isan’andro, ny fifamonoana. Hita sy re izany na tany
Mampieritreritra avokoa ireny rehetra ireny ry havako, nefa mbola tsy tratra aoriana, raha ny isam-batan’olona, ny isam-pianakaviana, ny mpitarika sy ny firenena no miverina amin’ Andriamanitra.
Andeha hiverina amin’Andriamanitra marina isika mba ho velona.
2-IZAY MIVERINA AMIN’ANDRIAMANITRA NO VELONA
Tsy fomba fiteny izany fa tena zava-misy azo tsapain-tanana. Fomba itaizan’Andriamanitra koa mantsy ny famaizana mba hahatonga ny olona hitodika Aminy ka hanompo Azy amin’ny fony.
Ny fanaovana hira falahelovana sy fisaonana dia maneho fa tena tezitra Andriamanitra satria nahafoy azy ny olony ary nanompo andriamani-tsy izy, dia mitombo ny helony sy ny fahotany ary ny fahadisoany. Ho rava ny firenena “lavo Israely”, ary tsy ankasitraka izay ataony Andriamanitra. Ho lasan-ko babo ny olona ka ho maro ny maty. Fahafatesana sy fa tsy fahavelomana no miandry izay mandao an’Andriamanitra.
Fa izay miverina kosa no ho velona, io ilay hoe:sisa. Raha miverina amin’Andriamanitra amin-kitsipo sy marina ny olona dia ho velona izy ary hiseho ny Voninahitr’Andriamanitra.
Ry havako, ny olona mitady an’Andriamanitra marina ka manaiky hibebaka sy hiala amin’ny ratsy fanaony ho amin’ny fihavaozam-panahy sy toetra ary fitondrantena, ka manao ny tsara , ny rariny, ny marina dia Andriamanitra mihitsy no hiditra an-tsehatra eo aminy ka homba sy hitahy azy ary hiaro ny fiainany manontolo mba ho velona izy.
Anio koa ary andeha hiverina amin’Andriamanitra marina isika, andeha hanao izay hahitana Azy eo amin’ny fiainantsika, andeha hifandray Aminy ka hiantso ny Anarany amin’ny fo marina sy ny finoana, fa hihaino any an-danitra Izy ka sady hamonjy antsika no hanafaka ny firenena koa.
Fa izay mitady Azy marina no ho velona.
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum