Alahady 22 Marsa 2009
MAMPANDINI-TENA NY FINOANA
ALAHADY FAHA IV AMIN’NY KAREMY
Perikopa Joba 42, 1-6
Lioka 22, 31-34
I Korintiana 11, 27-34
FIANGONANA MANDINI-TENA AMIN’NY FIOMBONANA
I Korintiana 11, 27-34
Raha namaky sy nandinika ireo boky telo ireo isika dia hita taratra avy hatrany, fa mampandini-tena ny zava-dazain’ny boky : Joba miaiky fa Lehibe sy Mahery Andriamanitra ka nahatonga azy ho loa-bolana fa Hain’ny Tompo avokoa ny zavatra rehetra, ary hanekeny miharihary fa tsinontsinona izy, izany no vokatry ny fandinihan-tena.
Ny fanambaran’I Petera sy ny fihizingizinany hanaiky ny Tompo hatramin’ny fahafatesana, na dia hafanam-pon’olombelona ihany, fa rehefa tonga tokoa ny tokoa dia nilaza ho tsy mahafantatra an’I Jesoa I Petera. Mitaky fandinihan-tena lalina ny fanarahana an’I Jesoa mba ho tena finoana tafatoetra sy voazaha toetra.
Fa ho raisintsika ny I Korintiana 11, 27-34 : mikasika indrindra ny fiombonam-piainan’ny mino sy ny Fanasan’ny Tompo ka handinihan’ny Fiangonana ny tenany amin’izany.
Ny tanànan’I Korinto dia tanàna lehibe ifaneraseran’ny mpivarotra amin’ny faritany grika, isan’ny manankarena teo amin’ny fanjakana romana. Toerana nanjakan’ny philosophie samihafa, nefa tao koa no isan’ny niorenan’ny fiangonana lehibe indrindra tamin’ny fotoan’andro, tao koa no niantsoana ny mpanaraka an’I Jesoa voalohany hoe : kristiana.
Ny zava-nisy dia nanjaka tao koa anefa ny fanompoam-tsampy sy ny fahavetavetana samihafa, ary ny Fiangonana dia azon’ny fakam-panahy ka naira-niombona tamin’ny mpanompo sampy amin’nyfiaraha-mihinana ny hena naterina tamin’ny sampy, tao koa ny fitondran-tena tsy mendrika, ny fampianaran-diso nilazana fa tsy misy ny Fitsanganana amin’ny maty, ny fanararaotana amin’ny fihinanam-be sy ny fitiavan-tena teo amin’ny Fanasan’ny Tompo.
Inona no zava-niseho ? Nisy ny narary, maty sahirana nefa tsy mba voajery, koa dia mampianatra ny Apostoly ny amin’ny tokony handinihan-tena ny amin’ny finoana.
I – Mila mandini-tena noho ny aretina ny mino
Anisan’ny zava-mahatahotra amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny fandehanana amin’ny fahazarana, ary mety mahatonga famitahana ny tena izany raha tsy mitandrina ny Kristiana, izany indrindra no ilazana fa tsy ampy ny miangona fa tena ilaina indrindra raha miangona dia ny mivavaka. Raha tsy izany dia toy ny fivoriana rehetra eny ivelany ny fiangonana raha miangona fa tsy mivavaka. Tsara kokoa ny hoe : “handeha hivavaka”, ary io no hanantanterahana ny hafatry ny Apostoly hoe “Aza mahafoy”.
Eto dia momba ny Fanasan’ny Tompo no resahina, ary miverimberina ny hoe : “Mamantatra ny tena”, izay mety ho azo adika hoe : “Mandini-tena”.
Tena naseho tamin’ny endriky ny fiaraha-misakafo mihitsy ny Fanasan’ny Tompo teo amin’nyFiangonana voalohany, ary samy nitondra izay nananany avy ny mpiara-mivavaka. Niova tsikelikely izany fomba fanantanterahana izany, nanjary nisy fisarahan-tsaina teo anivon’ny Fiangonana, ary dia mananatra ny Apostoly ny amin’ny handinihan-tena ny amin’ny finoana sy izay efa nanekena an’I Jesoa ho Tompo sy Mpamonjyn satria nanjary nalemy tamin’ny finoana ny maro, nisy ny narary na ara-nofo na ara-panahy noho ny fizarazarana, tsy nisy intsony ny firaisan-tsaina teo amin’ny olona. Taomin’ny Apostoly hamantatra ny ten any mino hahasitrana azy ireo na ara-nofo na ara-panahy, indrindra ireo Mpandray ny Fanasan’ny Tompo. Miverina in-telo eto io famantarana ny tena io, tsy izaho ihany fa ny Fiangonana sy ny manodidina koa ka mitaky ny fahaizana mandini-tena eo anatrehan’Andriamanitra, ny fiainam-panahy, mialohan’ny handraisana dia mila mamantatra ny tsirairay ny amin’ny fiainam-panahiny (fanomanam-panahy mivantana).
Ny fitsitokotokoana eto no tena lasa aretin’ny Fiangonana. Ny fiombonan’ny Mpandray amin’ni Jesoa no tena fototra lehibe indrindra eto nefa dia mitaky fiombonana amin’ny hafa koa.
Ny Kristiana dia nanao ny fiombonana tamin’ny sakafom-pifankatiavana izay hiarahany mihinana aorian’ny Fanasan’ny Tompo, hanehoana koa ny maha-tena iray ihany na manan-katao n any tena sahirana.
Tonga nanakona ny Voninahitr’Andriamanitra izany satria nisy ny fitiavan-tena teo amin’ny sasany, nisy nihinana mialoha ary ny sasany aza mamo sy tonga nanaonao foana, tsy nisy intsony ilay tena fiombonana fa lasa fisarahana no niseho, ka nihen-danja ny Fiangonana mihoatra noho ny an’ny mpanompo sampy aza. Zary lasa fomba ny hoe : “Miangona sy mandray fa tsy mivavaka sy miray aina amin’i Jeso amin’ny maha- Fiangonana vavolombelona.
Eto ary dia taomina ny Fiangonana handinika indray ny fiainam-panahy, mba hahasitrana azy ara-panahy sy hahavelona indray ny fiombonana.
Ny Fiangonan’Andriamanitra velona dia mitodika hatrany eo amin’ilay efa niantsoazy, ka mametraka ny fiainany amin’izany, tsy noho ny tahotra ny fitsarana no itandremana ny Tenin’Andriamanitra fa noho ny amin’ny Fiangonan’Andriamanitra velona, dia izaho sy ianao, izay zary voazarazara sy voaloto tao Korinto noho ny fitiavan-tenan’ny maro. Tsy nisy intsony ny fifampitsimbinana, tsy nanefa ny anjara fanompoany ny olona, tonga nahantra ny Fiangonana vokatry ny fitsokotokoana. Manao teny fanairana ny Apostoly eto, fa ho avy koa ny fitsaran’Andriamanitra, ka miantso fa tsy mitovy amin’ny fiainan’izao tontolo izao izay tsy mino ny fiainana kristiana. Fanamafisana orina ny fifandraisana sy ny maha-tena iray ny mpino no ahariharin’ny Apostoly eto ka hoy izy : “Ry rahalahy…, mifampiandrasa, mitory firaisam-po sy firasan-tsaina ary firaisan-kina izany, fiombonan’ny samy zanak’Andriamanitra, ka tena zav-dehibe ny fifampizarana.
Ny fifampizarana no isan’ny fototra lehibe amin’ny finoana kristiana, satria tena fiainan’I Jesoa mihitsy ny nizara, ary na teo amin’ny adidy teo amin’ny fiaraha-monina aza dia nizara izany ny Tompo (ho an’I Kaisarza sy ho an’Andriamanitra) mainka moa eo amin’ny Fiangonana, famelomana ny fiainan’ny Fiangonana ny asa tanterahiny sy ny andraikitra samihafa amin’ny fijoroany ho vavolombelona, izany no antony hanaovana rakitra, adidy, hanehoana fa Velona tsy ho an’ny tenany fotsiny ny mino fa ho an’ny hafa koa. Tsy mbola nisy nanome ka tonga sahirana noho ny fanomezany ho an’ny asan’Andriamanitra. Ary eto dia mampahatsiaro ny Apostoly, mifampiandrasa sy mifampizarà.
Tsy mijanona ho foto-kevitra sy tahotra ny fitsaran’Andriamanitra sy ny tondro molotry ny hafa fotsiny izany fa tena votoatim-piainan’ny Fiangonana.
Ary izany no endriky ny fanatanterahantsika ny fandinihan-tena ao anatin’ny Karemy.
Ce chapitre 11 de la première épitre aux Corinthiens évoque pour nous l’idée de l’Apôtre Paul au sujet de la Sainte Cène et de la Communion des Fidèles.
L’Apôtre nous parle de la vie des premiers Chrétiens, qui durant leur assemblée de prière apportaient chacun de la nourriture et qui célébraient la Sainte Cène à partir de ces plats apportés par les fidèles. Tout était partagé entre tous et chacun recevait la part qui lui était suffisante. Mais cela n’a pas duré car il y avait des Chrétiens qui étaient un peu égoïstes et qui ont mangé eux-mêmes la nourriture qu’ils ont apportée. Or l’assemblée était composée de riches comme de pauvres. Et à partir de ce moment, l’Eglise s’est divisée : certains étaient ivres, d’autres mangeaient avec gloutonnerie, d’autres, surtout les pauvres, souffraient alléchés par les victuailles, salivant, mais ne recevaient rien, ne serait-ce qu’une portion de brioche.
Paul met en garde l’Eglise contre l’égoïsme et toute forme d’immoralité dans l’Eglise parce que telle était la situation au temps des premiers Chrétiens, surtout à Corinthe, qui est une des plus grandes villes commerciales grecques. Il demande aux Chrétiens de savoir partager les uns avec les autres lors de la Communion et du repas fraternel. Car la foi se montre à travers ce que l’on fait mais pas seulement par la bouche en disant : « Je crois ».
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum