Zoma , faha 29 Janoary 2010
Romana 5,6 - 11 Ny asam-pamonjen'i Kristy
TEXTE INTEGRAL DU MOFON’AINA SELON SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM
1- Asehony amin'ny fanoloran-tena ho faty hisolo antsika
Mifameno sy mifanazava ny and.6, milaza hoe : maty hamonjy ny ratsy fanahy i Kristy ; sy ny and.8 ,hoe : maty hamonjy antsika i Kristy. Mazava fa " isika " ihany no ilay " ratsy fanahy " sy mpanota. Izany no nenti-nanazava ny fomba nahafatesan'i Kristy tamin'ny kristiana voalohany.Fanaon'ny Romana tamin'izany ny nanombo tamin'ny hazo fijaliana ,izay nanao heloka mahafaty. Tiana haharihary fa i Kristy dia tsy meloka fa isika no ratsy fanahy sy mpanota.Isika no tokony ho novonoina teo amin'ny hazo fijaliana, saingy nanaiky handray ny toerantsika Izy. Koa ny fahafatesan'i Kristy dia midika fisolona toerana antsika ; mba hamonjy sy hanafaka antsika, ary antoka milaza fa nesoriny sy novonjeny tsy ho azon'ny fahafatesana isika. Rahatrizay, eo amin'ny fananganana amin'ny maty no hihariharian'izany feno ; kanefa matokia fa efa omeny hosantarintsika sy hiai-nantsika miandalana dieny ankehitriny izany famonjen'i Kristy izany, mba ho tsapantsika fa na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza isika dia tsy hataho-tra ny loza. Izy hamonjy antsika.
2-Asehony amin'ny fahavelomany hampihavana
Navelany ho faty hisolo toerana antsika ny Zanany.Tsy azon'ny fahafatesana nohazonina anefa Izy, fa nitsangana tamin'ny maty, ary velona eo an-kavanan' Andriamanitra. Ny mahamaika Azy indray amin'izao fahavelomany izao dia ny hampihavana antsika amin' Andriamanitra, rehefa afaka tamin'ny fahafatesana isika .Lalina ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Te hamonjy antsika fatratra amin'ny alalan'ny asan'i Kristy Andriamanitra . Manaiky sy vonona ve isika ?
Fanontaniana : Ahoana no anehoana ny fitiavan' Andriamanitra antsika ?
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum