ALATSINAINY 22 MARS 2010
« Nefa hoy Izy tamiko ; Ampy ho anao ny fahasoavako ;fa ny heriko, dia tanterahina amin’ny fahalemena. » 2 korintiana 12.9
NY MOFON’AINA
II KORINTIANA 12.7-10
AMPY HO ANTSIKA NY FAHASOAVANY
Ry havako, ho tanteraka aminareo tokoa anie ny fahafenoan’ny Fahasoavan’Andriamanitra ao amin’i Kristy.
Faly mamangy sy mitsidika anareo rehetra amin’ny anaran’ny Tompo indray ry havako, ary mankasitraka indrindra amin’ny fandraisana ny mofon’aina isan’andro,hahita fifaliana sy fiadanam-po hatrany anie ianareo na aiza na aiza handraisanreo ity fifampizarantsika ity.
Ampy ho antsika ny fahasoavany, izany indray no hamintinantsika ny hafatry ny Tenin’ Andriamanitra anio. Jesoa namaly ny vavaka sy fitarainan’ny apostoly Paoly noho ny fijaliana sy fangirifiriana teo amin’ny nofony, valim-bavaka mahafeno fifaliana sy fanantenana tokoa ny nanaovan’ny Tompo taminy hoe: “Ampy ho anao ny fahasoavako”. Tsy ho an’i Paoly ihany izany fa ho an’ny kristiana sy ny Fiangonana manontolo izay mijoro ho Vavolombelona, fa ny Herin’ny Tompo dia tanterahiny ao amin’ny fahalemen’ny olona.
Kristy tokoa mamonjy sy mampahery ary manatanteraka ny heriny ao amin’ny fahalementsika.
Inona ary no hafatra ho antsika avy amin’izany?
1-EO AMIN’NY OLONY HATRANY KRISTY MAMPAHERY
Maro ny zavatra mety mampijaly izay toy ny tsilo eo amin’ny olona, na am-panahy na ara-tsaina ary indrindra ny momba ny nofo koa aza izany. Ireny matetika dia
Toy izany ity nanjo an’i Paoly ity ka nampitaraina azy mafy mihitsy, ary nirìny mihitsy aza ny ho faty sy hialan’izany tsilon’ny fangirifiriana teo amin’ny nofony izany.
Na dia tsy voalaza mazava sy mivantana eto aza hoe:inona io tsilo io?dia hita fa nampijaly azy tokoa ka indraindray aza nanjary niankina tamin’ny hafa izy hahazoany manatanteraka ny fanompoana.
Ny mpandinika anefa dia milaza ary saika ny fanamarihana ankapobeny fa azon’ny areti-maso sy tsy dia nahita loatra Paoly na dia tsy tena nangirifiry mafy aza dia zary aretina nitaiza azy io; izany no azo heverina fa nila mpanampy hatrany izy tamin’ny fanoratana ireo taratasy sy hafatra samihafa nataony ho an’ny fiangonana sy ny kristiana. Hamarinin’ny Galatiana 6.11 amin’ny filazana ny haben’ny soratra izay nosoratan’ny tànany mihitsy izany. Toy ny manao hoe:izaho mihitsy no manoratra amin’ny tanako fa tsy ny hafa ary lasa soratra lehibe izany.
Jesoa Kristy koa nijaly am-panahy ho fanavotana ny olona, ka naniry ny hialan’izany fijaliana sy fangirifiriana izany “Ray ô!esory amiko ity kapoaka ity raha azo atao, kanefa aoka tsy ny sitrapoko no atao fa ny Anao.”
Tsy vitsy koa ny olona indrindra eo amin’ny mino no hiharan’izany fangirifiriana sy fijaliana izany, ary tratry ny adim-panahy lalina mihitsy aza, toy ny olana eo amin’ny fiaraha-monina, ny aretina, ny fahantrana , ny adin-tsaina samihafa ka mila vonjy sy mitady valim-bavaka.
Ny Tompo no mamaly eto, ary tsy ho an’i Paoly ihany fa ho an’izay mijaly sy tratry ny adin-tsaina amam-panahy sy ny fangirifian’ny nofo koa aza ka ataony hoe: “Ampy ho anao ny fahasoavako, fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena.” Eo amin’izay fahalemen’ny mino izay indrindra ny Tompo no maneho ny heriny ary mampahafantatra fa eo amin’ny mpanompony mandrakariva Izy.
Maneho ny heriny sy miasa amin’ny heriny mandritra ny androm-piainana rehetra mba hahazoana mihazona ny finoana sy ny fanantenana ny Tompo; ary fahasoavana ampy ho an’ny mino izany. Fa ao amin’izay manahirana ny olona, ao amin’izay adim-panahy mahazo , Jesoa Kristy mampahery ny mpanompony satria efa nandresy ny zavatra rehetra Izy.
Hampahery anao tokoa anie ny Tompo ka hiasa Izy na dia ao amin’ny fahalementsika aza.
2-MANOVA NY FAHALEMENTSIKA HO HERY SY TANJAKA NY TOMPO
Tena zary nireharehan’i Paoly mihitsy izay Asan’Andriamanitra tao aminy izay ka nilazany fa ny “fahalemeny no fahatanjahany”, ary niasa tao amin’ny fahalemeny sy fahosàny Andriamanitra ka nahatonga ny Voninahitr’Andriamanitra hamiratra teo amin’ny fiainany sy ny fiangonana ary mpino izay natoky marina tokoa;
Lasa rehareha ilay natao ho fahalemena satria nampahery sy niaro ny Tompo. Kristy Ilay nanao hoe: “ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena” no niasa sy niaraka taminy mandrakariva.
Manova ny fahalementsika ho
Tsarovy ry havako, fa ianao eo amin’io toerana misy anao io, dia misy asa fanirahana manokana anirahan’ny Tompo anao.Tsarovy fa raha misy fijaliana sy adim-panahy manokana mahazo, dia mitaiza Andriamanitra ary amin’izany no ahitanao ny vina ho avy sy ny fijery eo aloha hatrany ny amin’ny voninahitra sy ny satroboninahitra izay tahirizin’ny Tompo ho an’izay maharitra sy mino Azy.
Mba ho isan’izay hanatanterahan’ny Tompo ny heriny tokoa anie isika, ka hiasa Izy na dia ao amin’ny fahalementsika ary hanova antsika ho tena olom-baovao matanjaka amin’ny finoana ka ho sahy toa an’i Paoly koa, ka hanao hoe:
Ny fahalemeko no fahatanjahako.
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum