NY MOFON'AINA:HO FIANARANA HO AN'NY TSY MINO

NY MOFON’AINA

 

1 PETERA 2.11-17           HIRA 427

 

HO FIANARANA HO AN’NY TSY MINO

 

Ry Havana,

 

Homba anao sy ny ankohonanao mandrakariva anie ny Fiadanana , ary dia mankasitraka anao indrindra izay  manokana fotoana handraisana  ny mofon’aina.

Faly tafahaona aminao indray ary matoky fa tamin’ny fifaliana no nanaovana ny fankalazana ny  krismasy ary ho amin’ny fanantenana no hiandrasana ny taona vaovao 2010.

 

Ny Fitondran-tena kristiana no hahafantaran’ny olona fa velona ao amin’i Kristy ny mino na tsia, ary izany fitondran-tenany izany no itarafan’ny maro ny maha-izy ny finoana ao anatintsika.

 

Koa ho raisintsika ho lohatenin’ity fifampizarana ity àry ny :  “Ho fianarana ho an’ny tsy mino”, ny fitondran-tena  eo amin’ny mino no ho fianarana ho an’ny tsy mino, hahitany ny hatsaran’Ilay niantso antsika.

 

1-FAHATSARAN’NY OLONA AFAKA

 

Ny  fanafahana nentin’i Kristy ho an’izao tontolo izao ka nahatonga ny maro handray  ny finoana , dia tsy fanafahana hitondra ho amin’ny fiainana baranahiny. Aoka tsy entinareo hanaronana ny ratsy. Tena  natao hijoroana ho vavolombelona mihitsy mba ho fianarana ho an’ny tsy mino izany.

 

Tsy ny fahafahan’ny mino no entina hanararaotana ho amin’ny tsy fahamaotinana sy ny fahafinaretana anatin’ny toetra baranahiny.

 

Ny fitondran-tena sy ny finoana ananantsika dia ampiharina eo amin’ny sehatra rehetra eny fa  na dia mety hiteraka fijaliana koa aza, mba ho fianarana ho an’ny tsy mino hahafantarany ny hatsaran’i Kristy sy hahatonga azy ireo koa handray ny finoana.

 

Ny fiainan’ny mino dia fiainana nohavaozin’ny Fanahy Masina ary ny olona nohavaozina dia teraka indray. Raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao tokoa izy. Olona afaka ny mino , tsy gejain’ny firehan-tsainan’izao tontolo izao  ho amin’ny faharatsiana sy ny ota .

 

Raha ny Zanaka ( Jesoa Kristy)tokoa mantsy no manafaka dia afaka tokoa isika, kanefa aoka tsy ho entintsika hanaraka ny nofo izany fahafahana izany.

 

Ny hatsaran’ny fitondran-tenan’ny mino , dia aseho amin’ny fankatoavana ny Sitrapon’ Andriamanitra , ny fifanajana sy ny fanajana ny hafa,ny fitiavana , ny fandeferana. Ny mpino maneho izany eo amin’ny fiainany no tonga fianarana ho an’ny tsy mino, mba ho hitan’ny olona rehetra ao amin’ny mino tokoa ny hatsaran’i Kristy;

 

Paoly apostoly raha nanafatra an’i Timoty, dia  nilaza taminy mba ho tonga fianarana ho an’ny mino izy amin’ny fiteny, ny finoana, ny fahadiovana, ny  fitondran-tena, ny fitiavana mba tsy hisy hanao tsinontsinona azy na dia tanora aza.

 

Fa Petera kosa manafatra , fa olona afaka ny mino ary ny fitondran-tenany ho tonga fianarana ho an’ny olona rehetra ,ka ao anatin’izany ny tsy mino.

 

Dia toy izany koa isika ry Havana , amin’izao taona madiva hifarana izao, dia mba haneho marina ny finoana   iainantsika ka ho tonga fianarana  ho an’ny tsy mino ny fitondran-tena tsara eo amintsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelona.

 

2-NY ATAON’NY MINO NO HANOMEZAN’NY TSY MINO VONINAHITRA AN’ ANDRIAMANITRA.

 

Eo amin’ny fomba fiaina sy ny fitondran-tenantsika no taratra na manana ny finoana marina isika na tsia, ary avy amin’izany atao izany koa no hanomezan’ny olona voninahitra an’Andriamanitra sy hankalazany ny Anarany.

 

Na dia misy aza fanendrinkendrehina sy fanenjehana ary fanosoram-potaka sy fitenenan-dratsy ataon’ny tsy mino, rehefa mahajoro tsara sy madio eo amin’ny fitondran-tena sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana, dia ho hitan’ny tsy mino izany, ka ho  resy lahatra izy ireo ary hanome Voninahitra an’Andriamanitra.

 

Io fitondran-tena mendrika tokony hiainan’ny mino io no isan’izay fomba iray atao amin’ny fijoroana ho vavolombelona sy  fitoriana  ny Filazantsara.

 

Ny fahaizan’ny mino miara-monina amin’ny tsy mino ka anehoany ny fitondran-tena tasa sy madio eo anivon’izany fiaraha-monina izany no hankalazan’ny tsy mino  an’Andriamanitra koa.

 

Dia mba ho tena hiainantsika marina tokoa anie ry havako ny fitondran-tena mahamendrika ny kristiana hahatonga ny hafa ho resy lahatra ka hankalaza an’Andriamanitra noho ny ataontsika. Satria ny mpino mahatoky no nanambarana hoe: “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao”, ary amin’ny maha fahazavana  antsika koa dia ho hitan’ny maro amin’izany ny hatsaran’Ilay niantso antsika.

 

Tahian’Andriamanitra ry havako.

Dernière mise à jour de cette page le 27/12/2009

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum