MOFON'INA 8 AVRIL 2010.NY FANANTENANA NY AMIN'NY FAHAFATESANA SY NY FIHAVIAN'I KRISTY

 

ALAKAMISY  08 AVRIL  2010

 

NY MOFON’AINA 

 

NALAINA  AVY AMIN’NY  MOFON’AINA

 NAVOAKAN’NY SEKOLY ALAHADY FJKM

 

1 TESALONIANA  4.13-19

 

« NY FANANTENANA NY AMIN’NY FAHAFATESANA  SY NY FIHAVIAN’I KRISTY. »

 

Nanoratra taratasy indroa ho an’ny Fiangonana tany Tesalonika ny Apostoly Paoly. Nataony ho zava-dehibe ny fampianarana momba ny fahafatesana, ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fihavian’ny Tompo.

 

Nampiady hevitra hevitra tao amin’ny fiangonana mantsy ireo toe-javatra  ireo ka niteraka fisalasalana ho an’ny sasany, koa ho fampiorenana ny finoany sy hanalana ny fisalasalana samihafa dia milaza izy fa ny fahafatesana dia:

 

1-FIZORANA AMIN’NY LALANA NIZORAN’I JESOA

 

Mampahory sy mampatahotra ny olona rehetra ny fafhafatesana. Eto anefa dia lazain’i Paoly mazava tsara fa tsy tokony hampanahy izany satria ny fanarahana an’i Kristy dia misy fanantenana. Efa maty koa Jesoa sady nitsangana tamin’ny maty, dia ho toy izany koa no lalana hizoran’ny mino. Tsy isika anefa no hizotra amin’izany fa Andriamanitra no hitondra  antsika araka ny Teniny hoe: “…dia toy koa no hitondran’Andriamanitra izay efa nodimandry tao amin’i Jesoa hiaraka Aminy.”

 

2-HO AVY JESOA HANDRAY ANTSIKA HO ANY AMINY

 

Lazain’i Paoly mazava eto, ny amin’ny fihavian’i Jesoa indray ka handray antsika ho any Aminy. Misy filaharany mazava izany ka izay maty ao amin’ny Tompo no hitsangana aloha, ary avy  eo kosa isika izay mino ka mbola velona  amin’izay andro izay no hitsena ny Tompo eny amin’ny rahona dia hitoetra  any Tompo mandrakariva isika.

 

Mety misy koa anefa kristiana tsy mbola mahalala na tsy mino izany, ka asain’i Paoly mifampahery amin’ny alalan’izany teny izany ny mpino.

 

Mila matanjaka sy mitoetra amin’ny finoana isika ary manana izany fanantenana izany  ary hatoky fa ho tanteraka tokoa izany.

 

Fanontaniana: Inona avy no tokony hatao mba hananantsika izany fanantenana izany?

Dernière mise à jour de cette page le 07/04/2010

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum