TALATA 23 FEBROARY 2010
NY MOFON’AINA
1 TESALONIANA 4.1-6 HIRA 2
IAINO NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ry
Homba anareo hatrany anie ny Fitahiana sy Fahasoavana.
Mankasitraka indrindra mamoha varavarana ny fifandraizantsika indray, homen’Andriamanitra ny fitahiany hatrany anie ianareo.
Iaino sy ivelomy ny Tenin’Andriamanitra mba hahatonga antsika andeha amin’ny mahitsy sy marina ary hifaliana eo anatrehan’Andriamanitra noho fitondran-tena mendrika ny fiantsoana.
Misy zavatra maromaro tian’i Paoly ambara sy ampitaina eto mba hahazoana ny fiainana sy hivelomana finaritra tsy araka ny fanaon’izao tontolo izao; fa zavatra roa ihany no hamintinan’ny mofon’aina izany:
1-NATAO HIAINANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Endrika fangatahana no anehoan’i Paoly izany fahatsapana fa natao hiainana ny Tenin’ Andriamanitra izany. Hiainana mba andehanana sy hiasana mendrika ny Sitrapon’Andriamanitra. Ny fitondrantena mahamendrika ny olom-bonjena mba haseho eo amin’ny tontolo sy ny fiaraha-monina misy izany ho fijoroana ho vavolombelona. Izany indrindra no hitalahoan’ny apostoly sy iangaviany indrindra ary angatahiny amin’ny anaran’i Jesoa ny handrosoana eo aloha hatrany ho amin’ny tsara sy ny marina ary mahitsy tsy misy fihatasrambelatsihy.
2-NATAO HAMPITOBOINA NY FIAINANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Izany no nanaovan’ny apostoly hoe: “mba handrosoanareo.” Tsy natao ho tahirizina sy hazonina ho an’ny tena samirery, na vakiana tahaka ny boky tsotra milaza tantara tsangana na tantara foronina ny Baboly izay mirakitra ny Tenin’Andriamanitra, fa sady natao hiainana izy no ampitomboina.
Izany no
Amin’izany rehetra izany,dia tsarovy fa Izy Andriamanitra mahafantatra ny tokony ho an’ny olona ary hitsara araka ny rariny sy ny hitsiny Izy amin’izay atao rehetra.
Eto ary ry havako ny finoana dia mamelona sy hahitana ny fomba vaovao hahatakarana ny fisiana sy ny maha-izy ny mino eo eo anatrehan’Andriamanitra. Ny fitiavana ny namana sy ny olona dia mampifandray koa ny fiaraha-monina misy ary ny mino no haneho izany na eo amin’ny fiainam-pianakavina na eo amin’ny fiangonana.
Raha velon’ny fanahy isika dia aoka andeha araka ny Fanahy ka hiaina marina tokoa ny Tenin’Andriamanitra.
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum