ASABOTSY 26 DESAMBRA 2009
NY MOFON’AINA
1 SAMOELA 1. 19-28
VELONA HO AN’NY TOMPO
Ry havako,
Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva isika noho ny fanomezany tsy azo tononina, ka nahazoantsika nanome Voninahitra Azy omaly tamin’ny fiombonam-bavaka tamin’ny toerana samihafa noho ny krismasy.
Maniry koa raha maniry mba tsy ho fotoana nihelina teo amin’ny fiainantsika anie ny omaly fa tena nandraisantsika ny fanavaozam-panahy tokoa ho entina manompo ny Tompo sy manantena ny fiainana feno fifaliana sy fiadanana amin’ny ho avy rehetra.
Dia ho aminao sy izay rehetra mandray ity mofon’aina ity ary ny ankohonanao anie ny fitahiana rehetra.
Ny nahaterahan’i Samoela mpaminany no hifampaherezantsika indray anio sy handraisana ny hafatra. Andriamanitra mihaino vavaka ary ny olona manolotena ho Azy eo amin’ny fiainany.
Izany no hafatra lehibe azontsika raisina amin’ity mofon’aina ity.
1-NY VELONA HO AN’NY TOMPO DIA MAHARITRA MIVAVAKA.
Hana naharitra nivavaka sy nitalaho tamin’Andriamanitra Mpahary ny zavatra rehetra koa, dia nohenoin’ Andriamanitra tamin’izany.
Vavaka, resaka nifanaovana tamin’Andriamanitra ary adivarotra mihitsy no nataony fa raha omen’ Andriamanitra zanaka mba tsy ho latsa ho an’ny olona izy, dia hatolony ho an’Andriamanitra hanao ny Asan’Andriamanitra io zaza haterany io.
Tena fanoloran-tena tanteraka sy fanefàna izay valim-bavaka no nitalahoana tamin’ny Avo indrindra.
Niteraka toa i Hana ka nataony hoe:Samoela ny anarany izay valin’ny fangatahana nataony, Andriamanitra mihaino tokoa ny mitaraina aminy marina, tsy vavaka mandalo na indray maka fa maharitra sy mitohy. Nataony hoe Samoela ny anaran’ny zaza satria efa nihaino ny fangatahana Andriamanitra: “Ilay nangatahana tamin’Andriamanitra”, izano hevitry ny anarana Samoela eto.
Mifamatotra hatrany amin’ny asa sy izay ho avy eo amin’ilay hateraka ny anarana nomena na anaran-toerana koa aza, tahaka ny amin’ny Malagasy sasany ihany. Toy ny hoe:Jehovah Jire “Andriamanitra mahita”, “ Betela” Tranon’Andriamanitra sy ny hafa koa.
Ny anarana dia mifamatotra amin’ny fiainana sy ny asan’izay mitondra azy, ary tsy tokony ho tsinontsiniavina. Eto ary Samoela dia mitondra sy mitafy ny anaran’Andriamanitra,
Ny faharetana mivavaka dia tsy mba ataon’Andriamanitra tsinontsinona raha tena ivelomana sy inoana tokoa. Fa matetika ny olona no tsy manana faharetana sy tsy matoky ary indraindray aza diso fangataka no tsy mahazo valim-bavaka .
Fa Jesoa Tompo aza dia efa niteny, fa raha mino isika dia ho hitantsika ny Voninahitr’ Andriamanitra ary na dia mbola tsy miloa-bava akory aza dia efa fantatr’Andriamanitra ny tokony ho antsika. Nefa dia hoy ihany koa Izy :mila mivavaka mandrakariva isika ka tsy reraka.
Amin’izao taona madiva hifarana izao koa ry havako, dia mila mivavaka tsy miato isika ary hanana faharetana ka hanavao ny fanoloran-tenantsika sy hitondra eo anatrehan’Andriamanitra ny zava-manjo ny firenentsika. Fa raha maharitra mivavaka isika ka tsy reraka dia hihaino any an-danitra Izy ka hanafaka ny firenentsika ary hampitombo hatrany ny fifaliana sy ny fiadanana eo amin’ny misy antsika tsirairay avy.
2-NY VELONA HO AN’NY TOMPO DIA MANOLOTENA HO AZY KOA
Atolory ny Tompo ny tenantsika ary tsy ny tenantsika ihany fa ny zanatsika koa. Fa izany no nataon’i Hana izay naharitra nivavaka, nanolotena izy, nefa dia sahy nilaza koa fa raha mamaly azy Andriamanitra dia atolony ho an’ny Tompo ny zanany.
Aza matahotra ny hanolotra ny zanatsika ho an’Andriamanitra, aza matahotra ny hanolotena sy hanefa izay nivoadintsika sy nifanekentsika teo anatrehany.
Sarobidy tamin’i Hana any zanany satria nangatahiny tamin’Andriamanitra. Natolony ho an’Andriamanitra ny zanany hanao ny asa izay ilàn’Andriamanitra Azy na inona na inona.
Ny fanolorantsika ny tenantsika sy izay heverintsika ho sarobidy indrindra eo amintsika , dia mariky ny fankatoavantsika an’Andriamanitra Velona izany, sady fankasitrahana noho ny fitahiana sy ny valim-bavaka nomeny antsika.
Tsy midika akory izany, fa andeha hanao mpitandrina, na mpiandry na katekista na mpitoriteny avokoa no mariky ny fanolorantena ho an’Andriamanitra.
Fa eo amin’izay ataontsika isan’andro ary naverintsika teto hatrany dia anehoantsika ny fanoloran-tena amin’ny fijoroantsika ho vavolombelona sy hanehoantsika ny finoantsika.
Ry havako, raha mivavaka isika dia minoa fa hamaly Andriamanitra ary raha mamaly Izy dia raiso sy ekeo amin’ny fankasitrahana rehetra izay valim-bavaka omeny antsika.
Fa matoa isika mihevitra fa tsy mahazo valim-bavaka, dia sao sanatria diso fangataka na diso lalana ny vavaka ataontsika.
Anio àry meteza ary minoa fa mamaly vavaka Andriamanitra mba ho velona ho an’ny Tompo tokoa isika.
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum