ALAHADY 21 FEBROARY 2010
VATSIM-PANAHY
1 PETERA 4.1-6
FIHAVAOZANA AO AMIN’I KRISTY
Ity Epistily ity dia maneho ny tolokevitra sy hafatr’ i Petera ho an’ny fiangonana sy ny mino rehetra ny amin’ny fitondran-tena mendrika ny olom-baovao nandray ny fihavaozana tamin’ny fandraisana an’i Kristy.
Kristy niaritra tamin’ny zavatra rehetra mba hamonjena ny maro ; ary koa ny handraisana ny fiovana lehibe. Ny finoana an’i Jesoa Kristy tonga fiadiana lehibe ahafahana manohitra ny faharatsiana rehetra sy ny fanompoan-tsampy.Fiovana mitondra fihavaozam-piainana sy fitondran-tena iray manontolo mihitsy.
Inona moa no hafatra raisina amin’izany fianarana an’i Kristy izany?
1-ATAOVY FIANARANA NY FANAHAFANA AN’I KRISTY: 1-3
Izany no azo ambara ho fihavaozana tanteraka,maka tahaka an’i Kristy sy mianatra Azy mihitsy. Atao velona ao anaty mihitsy Izy. Kristy izay niaritra tamin’ny nofo. Ny nanolorany ny tenany teo amin’ny hazo fijaliana no fitaovana omeny ho fianarana sy faka-tahaka.
Fianarana ho enti-mandresy ny ota rehetra izany fiaretana izany, ka hifanaraka amin’ny Sitrapon’ Andriamanitra.
Atao ampy izay fanaranam-po araka ny nofo izay, ny fitondran-tena adala izay tsy nahasoa sy tsy mahasoa koa. Hihevitra izay mahamendrika hanaovana ny Sitrapon’Andriamanitra no atao filamatra.
Misy karazam-pahotana maro samihafa mantsy notanisain’i Petera fa nahazo ny olona fahiny teo amin’ny firenena jentilisa: fijejojejoana, fiafonafonana, fitafy sy fihaingo tsy maotina, sy ny hafa koa izay zary lasa nisarika ho amin’ny fitondran-tena maloto.
Teo koa moa ny filozofia izay nanana tarazo tao amin’ny fiangonana, toy ny hoe: ny vatana dia tranomaizin’ny fanahy, ary io vatana io na mijangajanga sy manao izay ota rehetra aza dia tsy hahakasika ny fanahy velively. Tao ny fanompoana andriamanitra maro, ary ny isan-tokantrano aza dia nisy nanana mihoatra noho ny roa mihitsy.Izany rehetra izany dia nahazo vahana teo amin’ny fiaraha-monina ary nitatra hatrany amin’ny fiangonana sy ny isam-batan’olona koa aza. Ary hita taratra koa izany ankehitriny eo amin’ny fiangonana sy ny mpino kristiana maro.
Eto anefa, dia sady manolo-kevitra no mananatra ny apostoly ny hialàna amin’ireo fomba samihafa ireo izay tsy ho tanisaina amin’ny antsipiriany akory. Fa mba handray ny fihavaozana ao amin’i Kristy izay efa niaritra tamin’ny nofo mba hamonjena ny olona ary hananany ny fitahiana sy ny fiadanana.
2-ATAOVY RESY LAHATRA AMIN’NY
Fotoanan’ny fandinihan-tena ny Karemy sady handraisana ny ohatra lehibe ny amin’ny fiaretan’i Kristy tany an’efitra ka nandreseny ny fakam-panahy rehetra. Ny fiangonana mandray ny fihavaozana ao amin’i Kristy dia tsy resy lahatra ho an’ny tenany fotsiny ny amin’izay famonjena noraisiny izay, fa asehony eo amin’ny ataony isan’andro koa izany mba handresy lahatra ny hafa..
Ny faneken’ny mpanota iray hiova, ka niala tamin’ny fanaovan-dratsy rehetra sy ny fanompoan-tsampy, dia hitondra fieritreretana sy fandinihan-tena ho an’ny hafa koa. Mety iharan’ny eso, latsa, fanenjehana izy amin’izany nefa dia sahy mijoro ho tena mahatoky. Tena fianarana lehibe azo raisina ny fiovam-pon’ny apostoly, indrindra Paoly raha niteny hoe: “Fa tsy misy ataoko ho rehareha afatsy ny hazo fijalian’i Jesoa. Ataoko taim-boraka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ny hatsaran’i Kristy Ilay efa niantso.”
Tsy maintsy hisy ny fitsarana ny olona rehetra hoy Petera, kanefa tokony handray ny fiovana lehibe izy noho ny amin’ny fanavotan’i Kristy. Fa na dia maty ny amin’ny nofo aza noho ny tsy fampanjakana io nofo io, dia hahazo fiainana sy velona amin’ny fanantenana ao amin’i Kristy kosa ka sahy hiatrika ny zavatra rehetra sady handresy lahatra ny hafa.
Te hanome ho antsika ny fiainana sy fahavelomana ny Tompo, ary amin’izao Karemy izao izay fotoanan’ny fandinihan-tena sy fanavaozana ny fanoloran-tena, dia mba ho isan’izay vonona ho amin’ny tena fihavaozana tokoa isika ary ho resy lahatra ka hitaona ny hafa koa.
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum